Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: Āl-‘Imrān   Ayah:
وَيُكَلِّمُ ٱلنَّاسَ فِي ٱلۡمَهۡدِ وَكَهۡلٗا وَمِنَ ٱلصَّٰلِحِينَ
“ Ary hiteny amin’Olombelona Izy raha vao teraka eo ambony fandriana, sy amin’ny halehibeny, ary ho anisan’ireo Olona mendrika ".
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَتۡ رَبِّ أَنَّىٰ يَكُونُ لِي وَلَدٞ وَلَمۡ يَمۡسَسۡنِي بَشَرٞۖ قَالَ كَذَٰلِكِ ٱللَّهُ يَخۡلُقُ مَا يَشَآءُۚ إِذَا قَضَىٰٓ أَمۡرٗا فَإِنَّمَا يَقُولُ لَهُۥ كُن فَيَكُونُ
Niteny i Mariamo : “ Tompo ô ! Ahoana Aho no hanan-janaka lahy ka nefa tsy nisy lehilahy nikasika Ahy ? ”. Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Izany no Izy ! Allah dia mamorona izay sitrany. Raha mandidy zavatra Izy, dia miteny Aminy fotsiny Izy ny hoe :” Misia ", dia misy tokoa izany.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَيُعَلِّمُهُ ٱلۡكِتَٰبَ وَٱلۡحِكۡمَةَ وَٱلتَّوۡرَىٰةَ وَٱلۡإِنجِيلَ
Ary Izy (Allah) dia hampianatra Azy (Issa) ny Boky, sy ny Fahendrena, ary ny Taoraty sy ny Evanjely.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَرَسُولًا إِلَىٰ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ أَنِّي قَدۡ جِئۡتُكُم بِـَٔايَةٖ مِّن رَّبِّكُمۡ أَنِّيٓ أَخۡلُقُ لَكُم مِّنَ ٱلطِّينِ كَهَيۡـَٔةِ ٱلطَّيۡرِ فَأَنفُخُ فِيهِ فَيَكُونُ طَيۡرَۢا بِإِذۡنِ ٱللَّهِۖ وَأُبۡرِئُ ٱلۡأَكۡمَهَ وَٱلۡأَبۡرَصَ وَأُحۡيِ ٱلۡمَوۡتَىٰ بِإِذۡنِ ٱللَّهِۖ وَأُنَبِّئُكُم بِمَا تَأۡكُلُونَ وَمَا تَدَّخِرُونَ فِي بُيُوتِكُمۡۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗ لَّكُمۡ إِن كُنتُم مُّؤۡمِنِينَ
Ary Iraka ho amin’ny zanak’Israely izy, ka hilaza amin’izy ireo hoe : “Lazaiko marina fa tonga eto aminareo aho miaraka amin’ny porofo famantarana avy amin’ny Tomponareo. Fa izaho hamboatra ho anareo avy amin’ny fotaka natao endrika vorona, avy eo dia ho tsofiko izany; ary ho tonga vorona noho ny herin’Allah. Hampahiratra ny jamba aho, ary hanasitrana ny boka, hamelona ny maty amin’ny herin’Allah aho. Hampahafantatra anareo izay ho haninareo, sy izay hangoninareo any an-tokantranonareo ihany koa aho. Lazaiko marina aminareo, fa ao anatin’izany dia tena misy famantarana ho anareo, raha tena mpino tokoa ianareo,
Arabic explanations of the Qur’an:
وَمُصَدِّقٗا لِّمَا بَيۡنَ يَدَيَّ مِنَ ٱلتَّوۡرَىٰةِ وَلِأُحِلَّ لَكُم بَعۡضَ ٱلَّذِي حُرِّمَ عَلَيۡكُمۡۚ وَجِئۡتُكُم بِـَٔايَةٖ مِّن رَّبِّكُمۡ فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُونِ
Ary hanamarina izay ao amin’ny Taoraty teo alohako, ary hanome alàlana Anareo ny amin’ny sasany izay voarara Taminareo Aho. Ary tonga Aminareo Aho miaraka amin’ny famantarana avy amin’ny Tomponareo. Ka matahora an’i Allah àry Ianareo, ary ankatoavinareo Aho.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِنَّ ٱللَّهَ رَبِّي وَرَبُّكُمۡ فَٱعۡبُدُوهُۚ هَٰذَا صِرَٰطٞ مُّسۡتَقِيمٞ
Tena marina fa i Allah dia Tompoko sady Tomponareo ka tompoinareo Izy, fa izany no làla-mahitsy.
Arabic explanations of the Qur’an:
۞ فَلَمَّآ أَحَسَّ عِيسَىٰ مِنۡهُمُ ٱلۡكُفۡرَ قَالَ مَنۡ أَنصَارِيٓ إِلَى ٱللَّهِۖ قَالَ ٱلۡحَوَارِيُّونَ نَحۡنُ أَنصَارُ ٱللَّهِ ءَامَنَّا بِٱللَّهِ وَٱشۡهَدۡ بِأَنَّا مُسۡلِمُونَ
Ka rehefa nahatsapa ny tsy finoan’izy ireo i Issa (Jesoa), dia hoy izy : “Iza no hanampy ahy ho any amin’Allah”? Dia hoy ireo apôstôly : “Izahay no mpanampy izay rehetra an’Allah. Efa nino an’Allah izahay. Ary aoka ianao ho vavolombelona fa izahay dia mpanolotena ho an’Allah.
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: Āl-‘Imrān
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close