Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: Āl-‘Imrān   Ayah:
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَن تُغۡنِيَ عَنۡهُمۡ أَمۡوَٰلُهُمۡ وَلَآ أَوۡلَٰدُهُم مِّنَ ٱللَّهِ شَيۡـٔٗاۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلنَّارِۖ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ
Tena marina fa ireo izay tsy nino, dia tsy afaka hanao n’ino n’inona amin’izy ireo na dia kely aza, ireo hareny na ireo zanany, eo anatrehan’i Allah. Ary izy ireo dia Olon’ny afo, hitoetra ao mandrakizay izy ireo.
Arabic explanations of the Qur’an:
مَثَلُ مَا يُنفِقُونَ فِي هَٰذِهِ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا كَمَثَلِ رِيحٖ فِيهَا صِرٌّ أَصَابَتۡ حَرۡثَ قَوۡمٖ ظَلَمُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ فَأَهۡلَكَتۡهُۚ وَمَا ظَلَمَهُمُ ٱللَّهُ وَلَٰكِنۡ أَنفُسَهُمۡ يَظۡلِمُونَ
Tahaka izay lanin’izy ireo eto amin’ny fiainana ambonin’ny tany, dia mitovy amin’ny rivotra feno havandra, izay milatsaka eo amin’ny tanimbolin’ireo vahoaka namitaka ny tenan'izy ireo, ka mamotika izany. Ary tsy nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo i Allah, fa izy ireo ihany no nanao ny tsy rariny tamin’ny tenan'izy ireo.
Arabic explanations of the Qur’an:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَتَّخِذُواْ بِطَانَةٗ مِّن دُونِكُمۡ لَا يَأۡلُونَكُمۡ خَبَالٗا وَدُّواْ مَا عَنِتُّمۡ قَدۡ بَدَتِ ٱلۡبَغۡضَآءُ مِنۡ أَفۡوَٰهِهِمۡ وَمَا تُخۡفِي صُدُورُهُمۡ أَكۡبَرُۚ قَدۡ بَيَّنَّا لَكُمُ ٱلۡأٓيَٰتِۖ إِن كُنتُمۡ تَعۡقِلُونَ
Ô Ianareo izay nino ! Aza mandray mpitana tsiambaratelo ivelanareo Ianareo; tsy mitsahatra hanapotika Anareo izy ireo. Mirary Anareo ho ao anatin’ny fahasahiranana lalandava izy ireo; ny fankahalàna no mivoaka avy amin’ny vavan’izy ireo; ary izay afenin’ny tratran’izy ireo (Fo) dia lehibe mihoatra izany. Efa nasehonay Anareo ireo famantarana, raha mba misaina Ianareo.
Arabic explanations of the Qur’an:
هَٰٓأَنتُمۡ أُوْلَآءِ تُحِبُّونَهُمۡ وَلَا يُحِبُّونَكُمۡ وَتُؤۡمِنُونَ بِٱلۡكِتَٰبِ كُلِّهِۦ وَإِذَا لَقُوكُمۡ قَالُوٓاْ ءَامَنَّا وَإِذَا خَلَوۡاْ عَضُّواْ عَلَيۡكُمُ ٱلۡأَنَامِلَ مِنَ ٱلۡغَيۡظِۚ قُلۡ مُوتُواْ بِغَيۡظِكُمۡۗ إِنَّ ٱللَّهَ عَلِيمُۢ بِذَاتِ ٱلصُّدُورِ
Ianareo, tia azy ireo, nefa izy ireo tsy mba tia Anareo; ary mino ny Boky rehetra Ianareo. Ary rehefa mihaona Aminareo izy ireo, dia milaza hoe : “ Mino Izahay ”, fa rehefa samy irery kosa izy ireo, dia manaikitra tondro mafy izy ireo nohon'ny hatezerany. Lazao hoe : “ Matesa nohon'ny haromotanareo Ianareo ”. Tena marina, fa i Allah dia mahafantatra tanteraka izay rehetra ao am-po.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِن تَمۡسَسۡكُمۡ حَسَنَةٞ تَسُؤۡهُمۡ وَإِن تُصِبۡكُمۡ سَيِّئَةٞ يَفۡرَحُواْ بِهَاۖ وَإِن تَصۡبِرُواْ وَتَتَّقُواْ لَا يَضُرُّكُمۡ كَيۡدُهُمۡ شَيۡـًٔاۗ إِنَّ ٱللَّهَ بِمَا يَعۡمَلُونَ مُحِيطٞ
Raha misy fahasoavana Azonareo, dia mampalahelo azy ireo izany. Raha misy loza kosa manjo Anareo, dia mahafaly azy ireo. Raha manam-paharetana sy manam-patahorana Ianareo, dia tsy ahazo Anareo na dia kely aza ny teti-dratsin'izy ireo. Tena marina, fa i Allah dia mahafehy tsara izay ataon'izy ireo.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَإِذۡ غَدَوۡتَ مِنۡ أَهۡلِكَ تُبَوِّئُ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ مَقَٰعِدَ لِلۡقِتَالِۗ وَٱللَّهُ سَمِيعٌ عَلِيمٌ
Ary raha niala ny fianakavianao indray maraina ianao, ka nametrapetraka ireo mpino teo amin’ny tobim-piadiana, dia maheno tokoa sy mahafantatra ny zava-drehetra i Allah.
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: Āl-‘Imrān
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close