Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: Āl-‘Imrān   Ayah:
قُلۡ ءَامَنَّا بِٱللَّهِ وَمَآ أُنزِلَ عَلَيۡنَا وَمَآ أُنزِلَ عَلَىٰٓ إِبۡرَٰهِيمَ وَإِسۡمَٰعِيلَ وَإِسۡحَٰقَ وَيَعۡقُوبَ وَٱلۡأَسۡبَاطِ وَمَآ أُوتِيَ مُوسَىٰ وَعِيسَىٰ وَٱلنَّبِيُّونَ مِن رَّبِّهِمۡ لَا نُفَرِّقُ بَيۡنَ أَحَدٖ مِّنۡهُمۡ وَنَحۡنُ لَهُۥ مُسۡلِمُونَ
Lazao ny hoe : " Izahay dia mino an'i Allah; ary mino izay nampidinina Taminay sy izay nampidinina tamin'i Ibrahim, Ismaely, Ishaaka sy Ya'qoub ary ireo foko (taranak'i Ya'qoub), ary izay nomena an'i Moussa sy Issa, ary izay nomena ireo Mpaminany avy tamin'ny Tompon'izy ireo. Tsy manavaka na dia iray amin'izy ireo Izahay ; ary Izahay dia mpanolo-tena ho Azy.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَمَن يَبۡتَغِ غَيۡرَ ٱلۡإِسۡلَٰمِ دِينٗا فَلَن يُقۡبَلَ مِنۡهُ وَهُوَ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ مِنَ ٱلۡخَٰسِرِينَ
Ary izay mandray finoana hafa ankoatra ny finoana Islamo dia tsy ho ekena aminy izany, ary any an-koatra, dia ho anisan’ny maty antoka Izy ireo.
Arabic explanations of the Qur’an:
كَيۡفَ يَهۡدِي ٱللَّهُ قَوۡمٗا كَفَرُواْ بَعۡدَ إِيمَٰنِهِمۡ وَشَهِدُوٓاْ أَنَّ ٱلرَّسُولَ حَقّٞ وَجَآءَهُمُ ٱلۡبَيِّنَٰتُۚ وَٱللَّهُ لَا يَهۡدِي ٱلۡقَوۡمَ ٱلظَّٰلِمِينَ
Ahoana no hitarihan’i Allah làlana ny vahoaka tsy mino, taorian’izy ireo efa nino sy nitsangana ho vavolombelona fa tena marina tokoa ny Iraka, ary taorian’ny nahatongavan’ireo porofo mazava tamin’izy ireo. Ary Allah dia tsy mitari-dàlana ny vahoaka mpanao ny tsy rariny.
Arabic explanations of the Qur’an:
أُوْلَٰٓئِكَ جَزَآؤُهُمۡ أَنَّ عَلَيۡهِمۡ لَعۡنَةَ ٱللَّهِ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ وَٱلنَّاسِ أَجۡمَعِينَ
Fa handray ny valin’asany izy ireny, dia ny hozona avy amin’Allah, sy ireo Anjely, ary ny olombelona rehetra.
Arabic explanations of the Qur’an:
خَٰلِدِينَ فِيهَا لَا يُخَفَّفُ عَنۡهُمُ ٱلۡعَذَابُ وَلَا هُمۡ يُنظَرُونَ
Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Tsy ho hamaivanina amin’izy ireo ny famaizana, ary tsy hisy hijery azy ireo
Arabic explanations of the Qur’an:
إِلَّا ٱلَّذِينَ تَابُواْ مِنۢ بَعۡدِ ذَٰلِكَ وَأَصۡلَحُواْ فَإِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمٌ
Afa-tsy ireo izay nibebaka taorian’izany, sy nanitsy ny tenan'izy ireo. Marina fa i Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بَعۡدَ إِيمَٰنِهِمۡ ثُمَّ ٱزۡدَادُواْ كُفۡرٗا لَّن تُقۡبَلَ تَوۡبَتُهُمۡ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلضَّآلُّونَ
Hamafisina fa ireo izay tsy nino taorian’ny finoan’izy ireo, ka nampitombo hatrany ny tsy finoany, dia tsy ho raisina intsony ny fibebahan’izy ireo. Ary izy ireny no very tanteraka.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَمَاتُواْ وَهُمۡ كُفَّارٞ فَلَن يُقۡبَلَ مِنۡ أَحَدِهِم مِّلۡءُ ٱلۡأَرۡضِ ذَهَبٗا وَلَوِ ٱفۡتَدَىٰ بِهِۦٓۗ أُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ وَمَا لَهُم مِّن نَّٰصِرِينَ
Tena marina fa ireo olona tsy nino ka nindaosin’ny fahafatesana tao anatin’izany, dia tsy misy na iray ekena na oviana na oviana avy amin’izy ireny, na dia volamena hameno ny tany aza no ho takalony. Efa miandry azy ireo ny famaizana feno fanaintainana, ary tsy hanana mpanavotra izy ireo amin’izany.
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: Āl-‘Imrān
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close