Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: Al-Baqarah   Ayah:
إِنَّ فِي خَلۡقِ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَٱخۡتِلَٰفِ ٱلَّيۡلِ وَٱلنَّهَارِ وَٱلۡفُلۡكِ ٱلَّتِي تَجۡرِي فِي ٱلۡبَحۡرِ بِمَا يَنفَعُ ٱلنَّاسَ وَمَآ أَنزَلَ ٱللَّهُ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مِن مَّآءٖ فَأَحۡيَا بِهِ ٱلۡأَرۡضَ بَعۡدَ مَوۡتِهَا وَبَثَّ فِيهَا مِن كُلِّ دَآبَّةٖ وَتَصۡرِيفِ ٱلرِّيَٰحِ وَٱلسَّحَابِ ٱلۡمُسَخَّرِ بَيۡنَ ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِ لَأٓيَٰتٖ لِّقَوۡمٖ يَعۡقِلُونَ
Tena marina fa ao anatin’ny fanamboarana ireo lanitra sy ny tany, ny fifandimbiasan’ny alina sy ny andro, sy ny sambo izay misosa eny an-dranomasina ka feno tombotsoa ilain’ny olombelona, ny amin’ny rano izay nampidinin’i Allah avy eny an-danitra ka namelomany tamin’ny alalany ny tany taorian’ny nahafatesany (nahamaina azy), sy ny nanaparitahany ao aminy (amin'ny tany) ireo karazam-biby maro samihafa, ary ny fiovaovan’ny rivotra, sy ny rahona voarindra eo anelanelan’ny lanitra sy ny tany, dia tena famantarana lehibe ho an’ny vahoaka misaina.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يَتَّخِذُ مِن دُونِ ٱللَّهِ أَندَادٗا يُحِبُّونَهُمۡ كَحُبِّ ٱللَّهِۖ وَٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ أَشَدُّ حُبّٗا لِّلَّهِۗ وَلَوۡ يَرَى ٱلَّذِينَ ظَلَمُوٓاْ إِذۡ يَرَوۡنَ ٱلۡعَذَابَ أَنَّ ٱلۡقُوَّةَ لِلَّهِ جَمِيعٗا وَأَنَّ ٱللَّهَ شَدِيدُ ٱلۡعَذَابِ
Ary misy amin’ny olombelona izay mandray zavatra hafa, ankoatran’i Allah, ka mampitovy azy Aminy, tiaviny tahaka ny fitiavana an’i Allah izany. fa ireo izay nino kosa no manana fitiavana mafy kokoa an’i Allah. ary raha hitan’ireo izay nanao ny tsy rariny, rehefa mahita ny sazy izy ireo, dia ho tsapany fa ny hery rehetra dia an’i Allah, ary tena marina fa Allah dia mahery vaika amin’ny fanasaziana.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِذۡ تَبَرَّأَ ٱلَّذِينَ ٱتُّبِعُواْ مِنَ ٱلَّذِينَ ٱتَّبَعُواْ وَرَأَوُاْ ٱلۡعَذَابَ وَتَقَطَّعَتۡ بِهِمُ ٱلۡأَسۡبَابُ
Raha niala tsiny ireo izay narahina, tamin’ireo izay nanaraka azy ireo, ka samy nahita ny famaizana, dia ho tapaka ny rohim-pifandraisana amin’izy ireo.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ ٱتَّبَعُواْ لَوۡ أَنَّ لَنَا كَرَّةٗ فَنَتَبَرَّأَ مِنۡهُمۡ كَمَا تَبَرَّءُواْ مِنَّاۗ كَذَٰلِكَ يُرِيهِمُ ٱللَّهُ أَعۡمَٰلَهُمۡ حَسَرَٰتٍ عَلَيۡهِمۡۖ وَمَا هُم بِخَٰرِجِينَ مِنَ ٱلنَّارِ
Ka hilaza ireo izay notarihina hoe : “Raha nanana fotoana fohy monja niverenana tany ambonin’ny tany izahay, dia mba nihataka lavitra azy ireo tahaka izao ihatahany anay izao ihany koa”. Toy izany no hanehoan’Allah azy ireny ny asany; fanenenana mafy no mihatra aminy; ary izy ireo dia tsy hivoaka ny Afobe intsony.
Arabic explanations of the Qur’an:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ كُلُواْ مِمَّا فِي ٱلۡأَرۡضِ حَلَٰلٗا طَيِّبٗا وَلَا تَتَّبِعُواْ خُطُوَٰتِ ٱلشَّيۡطَٰنِۚ إِنَّهُۥ لَكُمۡ عَدُوّٞ مُّبِينٌ
Ry olombelona! Mihinana ianareo amin’ireo izay fihinana (halal) sy ny tsara misy eny ambonin’ny tany, ary aoka ianareo mba tsy hanaraka ny famindran’i satana, fa fahavalonareo miharihary izy.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِنَّمَا يَأۡمُرُكُم بِٱلسُّوٓءِ وَٱلۡفَحۡشَآءِ وَأَن تَقُولُواْ عَلَى ٱللَّهِ مَا لَا تَعۡلَمُونَ
Tsy mampirisika anareo afa-tsy amin’ny faharatsiana sy ny fahavetavetana i satana, ary ny fitenenana izay tsy fantatrareo mikasika an’Allah.
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: Al-Baqarah
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close