Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: Al-Baqarah   Ayah:
وَلَمَّا جَآءَهُمۡ كِتَٰبٞ مِّنۡ عِندِ ٱللَّهِ مُصَدِّقٞ لِّمَا مَعَهُمۡ وَكَانُواْ مِن قَبۡلُ يَسۡتَفۡتِحُونَ عَلَى ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ فَلَمَّا جَآءَهُم مَّا عَرَفُواْ كَفَرُواْ بِهِۦۚ فَلَعۡنَةُ ٱللَّهِ عَلَى ٱلۡكَٰفِرِينَ
Ary nony nampitaina tamin’izy ireo ny boky avy tamin’Allah izay manamafy ny efa teo am-pelatànany hatramin’izay, na dia talohan’izany aza izy ireo, nampiasa izany hanoherana ireo tsy mino tao aminy, saingy rehefa tonga tokoa ilay tena izy izay fantatr’izy ireo tsara, dia notsipahin’izy ireo izany. Koa ny ozon’Allah anie hianjady amin’ireo izay tsy mino.
Arabic explanations of the Qur’an:
بِئۡسَمَا ٱشۡتَرَوۡاْ بِهِۦٓ أَنفُسَهُمۡ أَن يَكۡفُرُواْ بِمَآ أَنزَلَ ٱللَّهُ بَغۡيًا أَن يُنَزِّلَ ٱللَّهُ مِن فَضۡلِهِۦ عَلَىٰ مَن يَشَآءُ مِنۡ عِبَادِهِۦۖ فَبَآءُو بِغَضَبٍ عَلَىٰ غَضَبٖۚ وَلِلۡكَٰفِرِينَ عَذَابٞ مُّهِينٞ
Zava-dratsy tokoa no natakalon'izy ireo ny fanahiny, tamin'ny tsy finoan'izy ireo izay nampidinin'i Allah, noho ny fialonana tsotra izao ny fampidinan'i Allah ny fahasoavany tamin'izay sitrany tamin'ireo mpanompony; ka nizaka fahatezerana ambonin'ny fahatezerana izy ireo. Ary ho an'ireo tsy mpino ny sazy manala baraka.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَإِذَا قِيلَ لَهُمۡ ءَامِنُواْ بِمَآ أَنزَلَ ٱللَّهُ قَالُواْ نُؤۡمِنُ بِمَآ أُنزِلَ عَلَيۡنَا وَيَكۡفُرُونَ بِمَا وَرَآءَهُۥ وَهُوَ ٱلۡحَقُّ مُصَدِّقٗا لِّمَا مَعَهُمۡۗ قُلۡ فَلِمَ تَقۡتُلُونَ أَنۢبِيَآءَ ٱللَّهِ مِن قَبۡلُ إِن كُنتُم مُّؤۡمِنِينَ
Ary rehefa tenenina izy ireo hoe : " Minoa izay nampidinin'i Allah ianareo " ; dia milaza izy ireo fa : " Mino izay nampidinina taminay izahay ". Ary tsy mino ny ankoatra izany izy ireo, nefa izany indrindra ilay fahamarinana izay manamafy ny eo am-pelatanan'izy ireo. Lazao azy ireo hoe : " Ka nahoana àry ianareo no namono ireny mpaminanin'i Allah ireny taloha, raha tena mpino tokoa ianareo ".
Arabic explanations of the Qur’an:
۞ وَلَقَدۡ جَآءَكُم مُّوسَىٰ بِٱلۡبَيِّنَٰتِ ثُمَّ ٱتَّخَذۡتُمُ ٱلۡعِجۡلَ مِنۢ بَعۡدِهِۦ وَأَنتُمۡ ظَٰلِمُونَ
Ary efa tonga taminareo tokoa i Moussa niaraka tamin’ireo porofo mazava, dia mbola nandray ilay sariomby ho tompo ihany ianareo taoriany; ary ianareo dia mpanao ny tsy rariny tokoa.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَإِذۡ أَخَذۡنَا مِيثَٰقَكُمۡ وَرَفَعۡنَا فَوۡقَكُمُ ٱلطُّورَ خُذُواْ مَآ ءَاتَيۡنَٰكُم بِقُوَّةٖ وَٱسۡمَعُواْۖ قَالُواْ سَمِعۡنَا وَعَصَيۡنَا وَأُشۡرِبُواْ فِي قُلُوبِهِمُ ٱلۡعِجۡلَ بِكُفۡرِهِمۡۚ قُلۡ بِئۡسَمَا يَأۡمُرُكُم بِهِۦٓ إِيمَٰنُكُمۡ إِن كُنتُم مُّؤۡمِنِينَ
Ary tsarovinareo raha nandray fifanekena taminareo Izahay ary nampiakarinay teo amboninareo ny tendrombohitra Toor hoe : " Tazoninareo mafy izay nomenay anareo ary mihainoa ". Dia hoy izy ireo hoe : " Reninay izany, saingy lavinay ". Ary tafiditra lalina tao am-pon'izy ireo (ny fanompoana) ilay sariomby noho ny tsy finoany. Lazao azy ireo hoe : " Mba ratsy tokoa ny zavatra nanirahan'ny finoanareo anareo; raha toa moa ka mpino tokoa ianareo ".
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: Al-Baqarah
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close