Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: Al-Baqarah   Ayah:
۞ سَيَقُولُ ٱلسُّفَهَآءُ مِنَ ٱلنَّاسِ مَا وَلَّىٰهُمۡ عَن قِبۡلَتِهِمُ ٱلَّتِي كَانُواْ عَلَيۡهَاۚ قُل لِّلَّهِ ٱلۡمَشۡرِقُ وَٱلۡمَغۡرِبُۚ يَهۡدِي مَن يَشَآءُ إِلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ
Hilaza ny tsy ampy saina amin’ireo olona ireo hoe : “Iza no nampivily azy ireo tamin’ny fitodihany (kibla), izay efa nitodihan’izy ireo teo aloha?”. Lazao azy ireo : “An’Allah avokoa ny Atsinanana sy ny Andrefana. Mitari-dàlana ny olona amin’ny sitrapony amin’ny làlana mahitsy Izy”.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَكَذَٰلِكَ جَعَلۡنَٰكُمۡ أُمَّةٗ وَسَطٗا لِّتَكُونُواْ شُهَدَآءَ عَلَى ٱلنَّاسِ وَيَكُونَ ٱلرَّسُولُ عَلَيۡكُمۡ شَهِيدٗاۗ وَمَا جَعَلۡنَا ٱلۡقِبۡلَةَ ٱلَّتِي كُنتَ عَلَيۡهَآ إِلَّا لِنَعۡلَمَ مَن يَتَّبِعُ ٱلرَّسُولَ مِمَّن يَنقَلِبُ عَلَىٰ عَقِبَيۡهِۚ وَإِن كَانَتۡ لَكَبِيرَةً إِلَّا عَلَى ٱلَّذِينَ هَدَى ٱللَّهُۗ وَمَا كَانَ ٱللَّهُ لِيُضِيعَ إِيمَٰنَكُمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ بِٱلنَّاسِ لَرَءُوفٞ رَّحِيمٞ
Toy izany ihany koa no nanaovanay anareo ho vahoakaafovoany (tsy mtanila), mba hijoroanareo vavolombelona fitaratra eo anatrehan’ny olona, sy hijoroan’ilay Iraka vavolombelona ho anareo. Ary tsy misy antony hafa namaritanay ny fitodihana izay nomenao hasina tokoa, afa-tsy ny hahafahanay manavaka ireo izay manaradia ilay Iraka amin’ireo izay mihatsaravelatsihy aminy. Eny, vesatra lehibe tokoa izany, afa-tsy tamin’ireo izay nampahitsian’Allah. Ary Allah dia tsy hanary velively ny valisoan’ny Finoanareo, hamafisina, fa Allah dia be Fangorahana sy be Indrafo amin’ny olombelona.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَدۡ نَرَىٰ تَقَلُّبَ وَجۡهِكَ فِي ٱلسَّمَآءِۖ فَلَنُوَلِّيَنَّكَ قِبۡلَةٗ تَرۡضَىٰهَاۚ فَوَلِّ وَجۡهَكَ شَطۡرَ ٱلۡمَسۡجِدِ ٱلۡحَرَامِۚ وَحَيۡثُ مَا كُنتُمۡ فَوَلُّواْ وُجُوهَكُمۡ شَطۡرَهُۥۗ وَإِنَّ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ لَيَعۡلَمُونَ أَنَّهُ ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّهِمۡۗ وَمَا ٱللَّهُ بِغَٰفِلٍ عَمَّا يَعۡمَلُونَ
Efa hitanay ny fiandrandran’ny tavanao eny amin’ny lanitra, ka atodikay tokoa ianao any amin’ny Kibla izay mahafaly Anao. Ary atodiho ny tavanao any amin’ny Al-Masjid Al-Haram Ary n’aiza n’aiza misy anareo dia atodiho ny tavanareo any Aminy Tena marina tokoa fa ireo izay notolorana ny Boky dia tena mahafantatra tsara fa izany tokoa no marina avy amin’ny Tompon’izy ireo Ary i Tompo Allah dia tsy mba variana amin’izay rehetra ataon’izy ireo.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَلَئِنۡ أَتَيۡتَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ بِكُلِّ ءَايَةٖ مَّا تَبِعُواْ قِبۡلَتَكَۚ وَمَآ أَنتَ بِتَابِعٖ قِبۡلَتَهُمۡۚ وَمَا بَعۡضُهُم بِتَابِعٖ قِبۡلَةَ بَعۡضٖۚ وَلَئِنِ ٱتَّبَعۡتَ أَهۡوَآءَهُم مِّنۢ بَعۡدِ مَا جَآءَكَ مِنَ ٱلۡعِلۡمِ إِنَّكَ إِذٗا لَّمِنَ ٱلظَّٰلِمِينَ
Na dia hampiseho amin’ireo izay nomena ny boky ireo porofo famantarana rehetra aza ianao, dia tsy hanaraka ny fitodihanao (kibla) velively izy ireo! Ary tsy ianao ihany koa anefa no tokony hanaraka ny fitodihany; fa na ny andaniny amin’izy ireo aza tsy manaraka ny fitodihan’ny an-kilany. Fa raha nanaraka ny sitrapon’izy ireo ianao taorian’ny nahazoanao ny fahalalàna, dia lazaiko marimarina aminao, fa isan’ireo mpanao ny tsy rariny ianao.
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: Al-Baqarah
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close