Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আলে ইমৰাণ   আয়াত:
رَبَّنَآ ءَامَنَّا بِمَآ أَنزَلۡتَ وَٱتَّبَعۡنَا ٱلرَّسُولَ فَٱكۡتُبۡنَا مَعَ ٱلشَّٰهِدِينَ
“ Tomponay ô ! Nino izay nampidininao Izahay, ary narahinay ny Iraka. Ka soraty ho anisan’ireo vavolombelona Izahay ".
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَكَرُواْ وَمَكَرَ ٱللَّهُۖ وَٱللَّهُ خَيۡرُ ٱلۡمَٰكِرِينَ
Ary nanao tetik’ady izy ireo, ka nanao tetik’ady ihany koa i Allah. Ary Allah no tsara tetik’ady indrindra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِذۡ قَالَ ٱللَّهُ يَٰعِيسَىٰٓ إِنِّي مُتَوَفِّيكَ وَرَافِعُكَ إِلَيَّ وَمُطَهِّرُكَ مِنَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَجَاعِلُ ٱلَّذِينَ ٱتَّبَعُوكَ فَوۡقَ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ إِلَىٰ يَوۡمِ ٱلۡقِيَٰمَةِۖ ثُمَّ إِلَيَّ مَرۡجِعُكُمۡ فَأَحۡكُمُ بَيۡنَكُمۡ فِيمَا كُنتُمۡ فِيهِ تَخۡتَلِفُونَ
Raha niteny Allah nanao hoe : “Ry Issaa, lazaiko marina aminao, fa Izaho dia hanapitra ny fiainanao ety an-tany, ary hampiakatra anao ho aty Amiko, hanadio anao amin’ireo tsy mpino, ary ireo izay nanara-dia sy nankato anao dia ho ambonin’ireo tsy mpino mandra-pahatongan’ny andro fitsanganana. Ary dia aty Amiko no hiverenanareo, ka hitsara anareo Aho amin’izay nampifanolana anareo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَأَمَّا ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ فَأُعَذِّبُهُمۡ عَذَابٗا شَدِيدٗا فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِ وَمَا لَهُم مِّن نَّٰصِرِينَ
Fa ho an’ireo tsy nino kosa, dia homeko famaizana mafy izy ireny, ety an-tany sy any an-koatra; ary tsy hanana mpamonjy intsony izy ireny”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَأَمَّا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ فَيُوَفِّيهِمۡ أُجُورَهُمۡۗ وَٱللَّهُ لَا يُحِبُّ ٱلظَّٰلِمِينَ
Ary ireo izay nino sy nanao ireo asa soa, dia omeny azy ireo tanteraka ny valin-kasasaran’izy ireo. Ary Allah dia tsy tia ireo mpanao ny tsy rariny.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ذَٰلِكَ نَتۡلُوهُ عَلَيۡكَ مِنَ ٱلۡأٓيَٰتِ وَٱلذِّكۡرِ ٱلۡحَكِيمِ
Izany, izay vakianay Aminao, dia anisan’ireo fahagagana sy fahatsiarovana feno fahendrena.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ مَثَلَ عِيسَىٰ عِندَ ٱللَّهِ كَمَثَلِ ءَادَمَۖ خَلَقَهُۥ مِن تُرَابٖ ثُمَّ قَالَ لَهُۥ كُن فَيَكُونُ
Tena marina fa i Issa (Jesoa), eo anatrehan’i Allah, dia mitovy amin’i Adama, noforoniny avy tamin’ny fotaka Izy, avy eo dia niteny Taminy Izy ka nanao hoe : “ Misia ! ”, dia nisy tokoa izany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّكَ فَلَا تَكُن مِّنَ ٱلۡمُمۡتَرِينَ
Ny fahamarinana dia avy amin’ny Tomponao, ka aoka àry tsy ho anisan’ireo mpisalasala Ianao.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَمَنۡ حَآجَّكَ فِيهِ مِنۢ بَعۡدِ مَا جَآءَكَ مِنَ ٱلۡعِلۡمِ فَقُلۡ تَعَالَوۡاْ نَدۡعُ أَبۡنَآءَنَا وَأَبۡنَآءَكُمۡ وَنِسَآءَنَا وَنِسَآءَكُمۡ وَأَنفُسَنَا وَأَنفُسَكُمۡ ثُمَّ نَبۡتَهِلۡ فَنَجۡعَل لَّعۡنَتَ ٱللَّهِ عَلَى ٱلۡكَٰذِبِينَ
Ka izay mifanditra Aminao mikasika izany, taorian’ny nahatongavan’ny fahalalana Taminao, dia Teneno ny hoe : " Avia Ianareo, hiantso ireo zanakay sy ny zanakareo isika, ny vehivavinay sy ny vehivavinareo, ny tenanay sy ny tenanareo, avy eo hanozona miaraka isika, ka hataontsika ho an’ireo mpandainga ny ozon’i Allah.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আলে ইমৰাণ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ