Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আলে ইমৰাণ   আয়াত:

Ãl-'imran

الٓمٓ
Alif, Làm, Mìm
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ٱللَّهُ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ٱلۡحَيُّ ٱلۡقَيُّومُ
Allah ! Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany, ilay Velona mandrakizay sy ilay Mahavita tena tanteraka (al-kaiòm)[37].
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
نَزَّلَ عَلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ بِٱلۡحَقِّ مُصَدِّقٗا لِّمَا بَيۡنَ يَدَيۡهِ وَأَنزَلَ ٱلتَّوۡرَىٰةَ وَٱلۡإِنجِيلَ
Nampidina Taminao ny Boky tamim-pahamarinana Izy, manamarina izay efa nisy teo alohany. Ary nampidina ny Taoraty sy ny Evanjely Izy,
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
مِن قَبۡلُ هُدٗى لِّلنَّاسِ وَأَنزَلَ ٱلۡفُرۡقَانَۗ إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ لَهُمۡ عَذَابٞ شَدِيدٞۗ وَٱللَّهُ عَزِيزٞ ذُو ٱنتِقَامٍ
Tany aloha, tari-dàlana ho an’ny Olombelona. Ary nampidina ny fanavahana [38] Izy. Tena marina, fa ireo izay nitsipaka ny fanambaran’i Allah, dia ho azy ireo ny famaizana mafy. Ary Allah dia Tsitoha sy Tompon’ny famalian-keloka.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ ٱللَّهَ لَا يَخۡفَىٰ عَلَيۡهِ شَيۡءٞ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَا فِي ٱلسَّمَآءِ
Tena marina, fa tsy misy zavatra miafina amin’i Allah na dia kely aza, na eto an-tany na any an-danitra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
هُوَ ٱلَّذِي يُصَوِّرُكُمۡ فِي ٱلۡأَرۡحَامِ كَيۡفَ يَشَآءُۚ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ
Izy no nanome Anareo endrika tao am-bohoka araka izay sitrany. Tsy misy Zanahary afa-tsy Izy, ilay Tsitoha, ilay be Fahendrena.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
هُوَ ٱلَّذِيٓ أَنزَلَ عَلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ مِنۡهُ ءَايَٰتٞ مُّحۡكَمَٰتٌ هُنَّ أُمُّ ٱلۡكِتَٰبِ وَأُخَرُ مُتَشَٰبِهَٰتٞۖ فَأَمَّا ٱلَّذِينَ فِي قُلُوبِهِمۡ زَيۡغٞ فَيَتَّبِعُونَ مَا تَشَٰبَهَ مِنۡهُ ٱبۡتِغَآءَ ٱلۡفِتۡنَةِ وَٱبۡتِغَآءَ تَأۡوِيلِهِۦۖ وَمَا يَعۡلَمُ تَأۡوِيلَهُۥٓ إِلَّا ٱللَّهُۗ وَٱلرَّٰسِخُونَ فِي ٱلۡعِلۡمِ يَقُولُونَ ءَامَنَّا بِهِۦ كُلّٞ مِّنۡ عِندِ رَبِّنَاۗ وَمَا يَذَّكَّرُ إِلَّآ أُوْلُواْ ٱلۡأَلۡبَٰبِ
Izy no nampidina Taminao ilay Boky, misy andininy mazava tsara ao, izy ireo no fototr’ilay Boky, fa ny (andininy) sasany kosa dia mifono hevitra maro [39].Ireo izay manana fo mirona amin’ny fahaverezana dia manaraka ireo andininy mifono hevitra maro, ho fitadiavana ny fifanoheran-kevitra sy fitadiavana ny dikan-teny hafa momba izany, nefa tsy misy mahalala ny tena dikan’izany afa-tsy i Allah. Fa ireo miorim-paka lalina amin’ny fahalalana kosa dia miteny hoe : “ Mino an’izany izahay ! Avy amin’ny Tomponay avokoa izany rehetra izany ”. Nefa, tsy misy mahatsiaro izany, afa-tsy ireo matsilo saina.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
رَبَّنَا لَا تُزِغۡ قُلُوبَنَا بَعۡدَ إِذۡ هَدَيۡتَنَا وَهَبۡ لَنَا مِن لَّدُنكَ رَحۡمَةًۚ إِنَّكَ أَنتَ ٱلۡوَهَّابُ
Tomponay ô ! Aza havily any amin’ny fahaverezana ny fonay, aorian’ny nitarihanao làlana Anay, omeo indrafo avy Aminao Izahay. Tena marina fa, Ianao Ilay Mpanome tsy manam-petra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
رَبَّنَآ إِنَّكَ جَامِعُ ٱلنَّاسِ لِيَوۡمٖ لَّا رَيۡبَ فِيهِۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يُخۡلِفُ ٱلۡمِيعَادَ
Tomponay ô ! Tena marina fa, Ianao no hanangona ny Olona rehetra, amin’ny Andro iray tsy misy fisalasalana ny Aminy. Tena marina fa, i Allah dia tsy mivadika amin’ny fampanantenany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আলে ইমৰাণ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ