Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আলে ইমৰাণ   আয়াত:
يَٰٓأَهۡلَ ٱلۡكِتَٰبِ لِمَ تَلۡبِسُونَ ٱلۡحَقَّ بِٱلۡبَٰطِلِ وَتَكۡتُمُونَ ٱلۡحَقَّ وَأَنتُمۡ تَعۡلَمُونَ
Ô Ianareo Olon’ny Boky ! Nahoana Ianareo no mampifangaro ny marina amin’ny lainga sy manafina ny marina, ka nefa mahafantatra tsara an'izany Ianareo ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَالَت طَّآئِفَةٞ مِّنۡ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِ ءَامِنُواْ بِٱلَّذِيٓ أُنزِلَ عَلَى ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَجۡهَ ٱلنَّهَارِ وَٱكۡفُرُوٓاْ ءَاخِرَهُۥ لَعَلَّهُمۡ يَرۡجِعُونَ
Ary niteny ny andiany iray tamin’ireo Olon’ny Boky ka nanao hoe :” Minoa Ianareo amin'izay nampidinina tamin’ireo nino, amin’ny fiandohan’ny maraina, fa mitsipaha izany kosa amin’ny hariva, angamba hiverin-dàlana izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَا تُؤۡمِنُوٓاْ إِلَّا لِمَن تَبِعَ دِينَكُمۡ قُلۡ إِنَّ ٱلۡهُدَىٰ هُدَى ٱللَّهِ أَن يُؤۡتَىٰٓ أَحَدٞ مِّثۡلَ مَآ أُوتِيتُمۡ أَوۡ يُحَآجُّوكُمۡ عِندَ رَبِّكُمۡۗ قُلۡ إِنَّ ٱلۡفَضۡلَ بِيَدِ ٱللَّهِ يُؤۡتِيهِ مَن يَشَآءُۗ وَٱللَّهُ وَٰسِعٌ عَلِيمٞ
Aza hinoanareo raha tsy olona izay nanaraka ny Finoanareo…”. Lazao azy ireo: “Fa ny tena tari-dàlana marina, dia ny tari-dàlan’Allah”. Tsy misy na iray aza nahazo mitovy amin’izay nomena anareo, na koa hifanditra aminareo eo anatrehan’ny Tompo Zanaharinareo. Lazao azy ireo hoe : “Fa ny fahasoavana, dia eo am-pelatànan’Allah. Izy no manome izany amin’ny olona ankasitrahiny. Fa Malalatànana Allaha, ary Izy no Mahalala ny zavatra rehetra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَخۡتَصُّ بِرَحۡمَتِهِۦ مَن يَشَآءُۗ وَٱللَّهُ ذُو ٱلۡفَضۡلِ ٱلۡعَظِيمِ
Manokana ny indrafony amin’izay sitrany Izy. Ary i Allah dia Tompon’ny fahasoavana lehibe.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
۞ وَمِنۡ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِ مَنۡ إِن تَأۡمَنۡهُ بِقِنطَارٖ يُؤَدِّهِۦٓ إِلَيۡكَ وَمِنۡهُم مَّنۡ إِن تَأۡمَنۡهُ بِدِينَارٖ لَّا يُؤَدِّهِۦٓ إِلَيۡكَ إِلَّا مَا دُمۡتَ عَلَيۡهِ قَآئِمٗاۗ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمۡ قَالُواْ لَيۡسَ عَلَيۡنَا فِي ٱلۡأُمِّيِّـۧنَ سَبِيلٞ وَيَقُولُونَ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَ وَهُمۡ يَعۡلَمُونَ
Ary misy amin’ireny olon’ny boky ireny, raha ametrahanao fitokiana amin’ny singam-bolamena arivo dia mamerina izany araka ny tokony ho izy aminao. Kanefa, misy amin’izy ireny ihany koa raha ametrahanao fitokiana amina dinary iray, dia tsy mamerina izany aminao raha tsy mitsangana manenjika azy ianao. Satria izy ireny no nilaza: “Tsy manandraharaha ny amin’ireo tsy mahay na inona na inona izahay”. Ary milaza lainga manohitra an’Allah izy ireny, kanefa dia mahalàla.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
بَلَىٰۚ مَنۡ أَوۡفَىٰ بِعَهۡدِهِۦ وَٱتَّقَىٰ فَإِنَّ ٱللَّهَ يُحِبُّ ٱلۡمُتَّقِينَ
Tsy izany anefa, fa na iza na iza nanatanteraka ny fifanekeny sy fatahorany an’i Allah…. Marina tokoa fa i Allah dia tia ireo manam-patahorana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ ٱلَّذِينَ يَشۡتَرُونَ بِعَهۡدِ ٱللَّهِ وَأَيۡمَٰنِهِمۡ ثَمَنٗا قَلِيلًا أُوْلَٰٓئِكَ لَا خَلَٰقَ لَهُمۡ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ وَلَا يُكَلِّمُهُمُ ٱللَّهُ وَلَا يَنظُرُ إِلَيۡهِمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ وَلَا يُزَكِّيهِمۡ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ
Tena marina fa, ireo izay mivarotra ny fifanekena nataony tamin’i Allah sy ny fianianany, amin’ny vidiny mora, izy ireny dia tsy hanana anjara na dia kely aza amin’ny fiainana any an-koatra, ary tsy hiresaka amin’izy ireo mihitsy i Allah, sady tsy hijery azy ireo amin’ny Andro farany, no tsy hanadio azy ireo Izy, ary ho azy ireo ny famaizana mamirifiry.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আলে ইমৰাণ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ