Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আন-নামল   আয়াত:
أَمَّن يَبۡدَؤُاْ ٱلۡخَلۡقَ ثُمَّ يُعِيدُهُۥ وَمَن يَرۡزُقُكُم مِّنَ ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِۗ أَءِلَٰهٞ مَّعَ ٱللَّهِۚ قُلۡ هَاتُواْ بُرۡهَٰنَكُمۡ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Moa ve tsy Izy no manomboka ny fahariana , avy eo dia mamerina izany indray, ary iza no manome anareo anjara-pivelomana avy any an-danitra sy eto an-tany. Moa ve misy Tompo hafa miaraka amin’I Allah ? Teneno hoe : “Omeo ny porofonareo raha marina ny anareo ?”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُل لَّا يَعۡلَمُ مَن فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ ٱلۡغَيۡبَ إِلَّا ٱللَّهُۚ وَمَا يَشۡعُرُونَ أَيَّانَ يُبۡعَثُونَ
Teneno hoe : “Tsy misy mahalala ny miafina, izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany, afa-tsy I Allah”. Ary tsy fantatr'izy ireo raha oviana no hananganana azy ireo .
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
بَلِ ٱدَّٰرَكَ عِلۡمُهُمۡ فِي ٱلۡأٓخِرَةِۚ بَلۡ هُمۡ فِي شَكّٖ مِّنۡهَاۖ بَلۡ هُم مِّنۡهَا عَمُونَ
Ary feno tanteraka ny fahalalan’izy ireo momba ny fiainana any ankoatra, nefa izy ireo dia mbola miahiahy ihany ny amin’izany. Na mbola jamba amin’izany izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ أَءِذَا كُنَّا تُرَٰبٗا وَءَابَآؤُنَآ أَئِنَّا لَمُخۡرَجُونَ
Ary niteny ireo izay tsy nino hoe : “Moa ve rehefa lasa vovoka izahay sy ireo razambenay, dia mbola havoaka indray mandeha ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لَقَدۡ وُعِدۡنَا هَٰذَا نَحۡنُ وَءَابَآؤُنَا مِن قَبۡلُ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّآ أَسَٰطِيرُ ٱلۡأَوَّلِينَ
Na dia izany aza, efa nampanantenaina izany izahay sy ireo razambenay teo aloha. Tsy inona ary izany fa anganon’ireo ntaolo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلۡ سِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَٱنظُرُواْ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلۡمُجۡرِمِينَ
Teneno : Mandehana mitety ny tany ianareo ka jereo, ahoana ny fiafaran’ireo mpanao heloka bevava.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَا تَحۡزَنۡ عَلَيۡهِمۡ وَلَا تَكُن فِي ضَيۡقٖ مِّمَّا يَمۡكُرُونَ
Ary aoka ianao tsy alahelo amin’izay ataon’izy ireo, ary aoka ihany koa ianao tsy hitebiteby nohon'ny tetika izay ataon’izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هَٰذَا ٱلۡوَعۡدُ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Ary hoy izy ireo : “Rahoviana àry izany fampanantenana izany, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo ?”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلۡ عَسَىٰٓ أَن يَكُونَ رَدِفَ لَكُم بَعۡضُ ٱلَّذِي تَسۡتَعۡجِلُونَ
Teneno hoe : “Raha ny ampahany amin’izay tadiavinareo ho hafainganina,dia tonga ary tsy maintsy hanaraka ianareo“.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِنَّ رَبَّكَ لَذُو فَضۡلٍ عَلَى ٱلنَّاسِ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَهُمۡ لَا يَشۡكُرُونَ
Marina fa ny Tomponao no tompom-pahasoavana amin’olombelona kanefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala mankasitraka.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِنَّ رَبَّكَ لَيَعۡلَمُ مَا تُكِنُّ صُدُورُهُمۡ وَمَا يُعۡلِنُونَ
Ary marina fa ny Tomponao dia mahalala izay afenin’ny tratran’izy ireo sy izay ahariharin’izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَا مِنۡ غَآئِبَةٖ فِي ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِ إِلَّا فِي كِتَٰبٖ مُّبِينٍ
Ary tsy misy zava-miafina any an-danitra sy eto an-tany ka tsy voarakitra ao anatin’ny Boky mazava.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ هَٰذَا ٱلۡقُرۡءَانَ يَقُصُّ عَلَىٰ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ أَكۡثَرَ ٱلَّذِي هُمۡ فِيهِ يَخۡتَلِفُونَ
Marina fa ity Koroany ity dia mitantara mahakasika ireo zanak‘Israely amin’ny amaroan’ireo zavatra izay mampifanolana azy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আন-নামল
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ