Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আন-নামল   আয়াত:
۞ فَمَا كَانَ جَوَابَ قَوۡمِهِۦٓ إِلَّآ أَن قَالُوٓاْ أَخۡرِجُوٓاْ ءَالَ لُوطٖ مِّن قَرۡيَتِكُمۡۖ إِنَّهُمۡ أُنَاسٞ يَتَطَهَّرُونَ
Tsy inona no valin-tenin’ny vahoakany afa-tsy hoe : “Roahy hiala amin’ny tanànanareo ny fianakavian’i Lota ! Satria izy ireo dia olona tia manadio tena”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَأَنجَيۡنَٰهُ وَأَهۡلَهُۥٓ إِلَّا ٱمۡرَأَتَهُۥ قَدَّرۡنَٰهَا مِنَ ٱلۡغَٰبِرِينَ
Dia navotanay izy sy ny fianakaviany, afa-tsy ny vadiny izay efa nalahatray ho anisan’ireo voaringana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَأَمۡطَرۡنَا عَلَيۡهِم مَّطَرٗاۖ فَسَآءَ مَطَرُ ٱلۡمُنذَرِينَ
Ary narotsakay tamin’izy ireo ny orana (oran-bato). Tena ratsy tokoa izany orana izany ho an’ireo izay nampitandremana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلِ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ وَسَلَٰمٌ عَلَىٰ عِبَادِهِ ٱلَّذِينَ ٱصۡطَفَىٰٓۗ ءَآللَّهُ خَيۡرٌ أَمَّا يُشۡرِكُونَ
Teneno (ry Mohammad) hoe : “Dera anie ho an’i Allah, ary fiadanana anie ho amin’ireo mpanompony izay nosafidiany !” Moa ve i Allah no Mendrika indrindra sa ireo izay akamban’izy ireo Aminy ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَمَّنۡ خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ وَأَنزَلَ لَكُم مِّنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ فَأَنۢبَتۡنَا بِهِۦ حَدَآئِقَ ذَاتَ بَهۡجَةٖ مَّا كَانَ لَكُمۡ أَن تُنۢبِتُواْ شَجَرَهَآۗ أَءِلَٰهٞ مَّعَ ٱللَّهِۚ بَلۡ هُمۡ قَوۡمٞ يَعۡدِلُونَ
Moa ve tsy Izy no Nahary ireo lanitra sy ny tany, ary nampidina ny rano avy any an-danitra ho anareo, ka nampitsirianay avy amin’ny alàlan’izany ireo zaridaina maro mahafinaritra. Tsy nanana fahefana mihitsy ianareo hampitsiry ireo hazony. Ka moa ve misy zanahary hafa miaraka amin’I Allah ? Tsia, nefa izy ireo dia vahoaka mampitovy Azy amin’ny hafa.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَمَّن جَعَلَ ٱلۡأَرۡضَ قَرَارٗا وَجَعَلَ خِلَٰلَهَآ أَنۡهَٰرٗا وَجَعَلَ لَهَا رَوَٰسِيَ وَجَعَلَ بَيۡنَ ٱلۡبَحۡرَيۡنِ حَاجِزًاۗ أَءِلَٰهٞ مَّعَ ٱللَّهِۚ بَلۡ أَكۡثَرُهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ
Moa ve tsy Izy no nanao ny tany ho toeram-ponenana, sy nametraka renirano maro eo anelanelan’izany, nampisy tendrombohitra mafy (mafy orina) maro eo aminy, ary nametraka fefy eo anelanelan’ny ranomasina roa, moa ve misy zanahary hafa miaraka amin’I Allah ? Tsia ! Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala mihitsy !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَمَّن يُجِيبُ ٱلۡمُضۡطَرَّ إِذَا دَعَاهُ وَيَكۡشِفُ ٱلسُّوٓءَ وَيَجۡعَلُكُمۡ خُلَفَآءَ ٱلۡأَرۡضِۗ أَءِلَٰهٞ مَّعَ ٱللَّهِۚ قَلِيلٗا مَّا تَذَكَّرُونَ
Moa ve tsy Izy no mamaly ny tra-pasahiranana raha miantso Azy, sy manala ny ratsy, ary manao anareo ho taranaka mifandimby eto an-tany, moa ve misy Tompo hafa miaraka amin’I Allah ? Zara raha mahatsiaro ianareo !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَمَّن يَهۡدِيكُمۡ فِي ظُلُمَٰتِ ٱلۡبَرِّ وَٱلۡبَحۡرِ وَمَن يُرۡسِلُ ٱلرِّيَٰحَ بُشۡرَۢا بَيۡنَ يَدَيۡ رَحۡمَتِهِۦٓۗ أَءِلَٰهٞ مَّعَ ٱللَّهِۚ تَعَٰلَى ٱللَّهُ عَمَّا يُشۡرِكُونَ
Moa ve tsy Izy no mitari-dalana anareo ao amin’ny haizin’ny tany sy ny ranomasina, ary iza no mandefa ireo rivotra ho vaovao mahafaly mialoha ny Famindram-pony (ranon’orana). Moa ve misy Tompo hafa miaraka amin’I Allah ? Ambony Lavitra I Allah manoloana izay akamban’izy ireo Aminy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আন-নামল
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ