Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আন-নামল   আয়াত:

An-naml

طسٓۚ تِلۡكَ ءَايَٰتُ ٱلۡقُرۡءَانِ وَكِتَابٖ مُّبِينٍ
Twa, Sin. Indro ireo andinin’ny Kor’any, sy ny Boky mazava.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
هُدٗى وَبُشۡرَىٰ لِلۡمُؤۡمِنِينَ
Tari-dalana sy vaovao tsara ho an’ireo mpino.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ٱلَّذِينَ يُقِيمُونَ ٱلصَّلَوٰةَ وَيُؤۡتُونَ ٱلزَّكَوٰةَ وَهُم بِٱلۡأٓخِرَةِ هُمۡ يُوقِنُونَ
Dia ireo izay manatanteraka ny vavaka fanompoana (soalat), sy manome ny harena fiantrana (zakat), ary mino amim-pitokisana tanteraka ny any ankoatra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡأٓخِرَةِ زَيَّنَّا لَهُمۡ أَعۡمَٰلَهُمۡ فَهُمۡ يَعۡمَهُونَ
Hamafisina, fa ireo izay tsy mino ny any ankoatra kosa, dia hatsarainay (eo imason’izy ireo) ny asany, ka ho sahiran-tsaina sy hisalasala izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ لَهُمۡ سُوٓءُ ٱلۡعَذَابِ وَهُمۡ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ هُمُ ٱلۡأَخۡسَرُونَ
Izy ireo dia ahazo ny sazy ratsy indrindra, ary ho maty antoka indrindra any ankoatra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِنَّكَ لَتُلَقَّى ٱلۡقُرۡءَانَ مِن لَّدُنۡ حَكِيمٍ عَلِيمٍ
Hamafisina fa ianao no mandray ny Koroany avy amin’Ilay be Fahendrena indrinra, Ilay Mahalala ny zava-drehetra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِذۡ قَالَ مُوسَىٰ لِأَهۡلِهِۦٓ إِنِّيٓ ءَانَسۡتُ نَارٗا سَـَٔاتِيكُم مِّنۡهَا بِخَبَرٍ أَوۡ ءَاتِيكُم بِشِهَابٖ قَبَسٖ لَّعَلَّكُمۡ تَصۡطَلُونَ
(Tsarovy) Raha niteny tamin’ny fianakaviany i Mosesy (Mosa) hoe : “Nahatazana afo aho ka hitondrako vaovao avy amin’izany ianareo, na koa hitondrako tapa-porohana mirehitra mba hakanareo hafanana”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَلَمَّا جَآءَهَا نُودِيَ أَنۢ بُورِكَ مَن فِي ٱلنَّارِ وَمَنۡ حَوۡلَهَا وَسُبۡحَٰنَ ٱللَّهِ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Nony tonga teny izy, dia nantsoina : “Masina anie, ilay ao anatin’ny afo, sy izay manodidina azy, ary voninahitra ho an’I Allah, Tompon’izao tontolo izao”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَٰمُوسَىٰٓ إِنَّهُۥٓ أَنَا ٱللَّهُ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ
“Ry Mosesy ! Izaho no Tompo Zanahary, Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَأَلۡقِ عَصَاكَۚ فَلَمَّا رَءَاهَا تَهۡتَزُّ كَأَنَّهَا جَآنّٞ وَلَّىٰ مُدۡبِرٗا وَلَمۡ يُعَقِّبۡۚ يَٰمُوسَىٰ لَا تَخَفۡ إِنِّي لَا يَخَافُ لَدَيَّ ٱلۡمُرۡسَلُونَ
Ary atsipazo ny tehinao. Raha nahita azy mihetsika toy ny bibilava izy, dia nandositra tsy hiverina. “Ry Mosesy! Aza matahotra ianao, fa tsy matahotra velively ireo Iraka eto anatrehako.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِلَّا مَن ظَلَمَ ثُمَّ بَدَّلَ حُسۡنَۢا بَعۡدَ سُوٓءٖ فَإِنِّي غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Afa-tsy izay nanao ny tsy rariny, sy nanakalo ny tsara amin’ny ratsy. Fa Mpamela heloka sy be Indrafo Aho!
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَأَدۡخِلۡ يَدَكَ فِي جَيۡبِكَ تَخۡرُجۡ بَيۡضَآءَ مِنۡ غَيۡرِ سُوٓءٖۖ فِي تِسۡعِ ءَايَٰتٍ إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ وَقَوۡمِهِۦٓۚ إِنَّهُمۡ كَانُواْ قَوۡمٗا فَٰسِقِينَ
“Ary ampidiro ao anaty paosinao (ambony) ny tananao. Hivoaka fotsy izany, tsy misy zava-dratsy na anankiray amin’ireo fahagagana sivy, ho an’i Faraona sy ny vahoakany izany, fa olona ratsy fanahy tokoa izy ireo”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَلَمَّا جَآءَتۡهُمۡ ءَايَٰتُنَا مُبۡصِرَةٗ قَالُواْ هَٰذَا سِحۡرٞ مُّبِينٞ
Ary nony tonga tamin’izy ireo ny fahagagana avy taminay, izay mazava miharihary tokoa, dia hoy izy ireo hoe : “Majika miharihary tokoa io”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আন-নামল
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ