Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: صافات   آیت:

As-swaffat

وَٱلصَّٰٓفَّٰتِ صَفّٗا
Mianiana amin’ireo izay nalahatra amin’ny laharana Aho,
عربي تفسیرونه:
فَٱلزَّٰجِرَٰتِ زَجۡرٗا
Sy amin’ireo izay manosika mafy (ireo rahona),
عربي تفسیرونه:
فَٱلتَّٰلِيَٰتِ ذِكۡرًا
Ary amin’ireo izay mamaky ho fampahatsiahivana (Koroany) :
عربي تفسیرونه:
إِنَّ إِلَٰهَكُمۡ لَوَٰحِدٞ
Hamafisina, fa tokana ny Zanaharinareo,
عربي تفسیرونه:
رَّبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَا وَرَبُّ ٱلۡمَشَٰرِقِ
Ilay Tompon’ny lanitra sy ny tany, sy izay eo anelanelany, ary Tompon’ireo fiposahan’ny masoandro ”.
عربي تفسیرونه:
إِنَّا زَيَّنَّا ٱلسَّمَآءَ ٱلدُّنۡيَا بِزِينَةٍ ٱلۡكَوَاكِبِ
Hamafisina, fa Izahay no nampihaingo ny lanitra akaiky indrindra amin’ny ravak’ireo kintana,
عربي تفسیرونه:
وَحِفۡظٗا مِّن كُلِّ شَيۡطَٰنٖ مَّارِدٖ
Mba ho fiarovana amin’ny satana mpikomy rehetra,
عربي تفسیرونه:
لَّا يَسَّمَّعُونَ إِلَى ٱلۡمَلَإِ ٱلۡأَعۡلَىٰ وَيُقۡذَفُونَ مِن كُلِّ جَانِبٖ
Tsy afaka hihaino ireo manan-kaja ambony intsony izy ireo, satria ho torahana izy ireo avy amin’ny fitodihana rehetra,
عربي تفسیرونه:
دُحُورٗاۖ وَلَهُمۡ عَذَابٞ وَاصِبٌ
Sady ho voatosika. Ary hahazo famaizana tsy manam-pahataperana izy ireo.
عربي تفسیرونه:
إِلَّا مَنۡ خَطِفَ ٱلۡخَطۡفَةَ فَأَتۡبَعَهُۥ شِهَابٞ ثَاقِبٞ
Afa-tsy izay mihaino an-tsokosoko, dia hanenjika azy ny poti-kintana mandoaka.
عربي تفسیرونه:
فَٱسۡتَفۡتِهِمۡ أَهُمۡ أَشَدُّ خَلۡقًا أَم مَّنۡ خَلَقۡنَآۚ إِنَّا خَلَقۡنَٰهُم مِّن طِينٖ لَّازِبِۭ
Anontanio àry izy ireo, moa ve izy ireo no tena sarotra amboarina indrindra noho izay noharianay ? Fa fotaka madity no noharianay azy ireo.
عربي تفسیرونه:
بَلۡ عَجِبۡتَ وَيَسۡخَرُونَ
Nefa gaga ianao, ary maneso izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَإِذَا ذُكِّرُواْ لَا يَذۡكُرُونَ
Ary rehefa ampahatsiahivina (ny Kor’ány) izy ireo, dia tsy mandray izany.
عربي تفسیرونه:
وَإِذَا رَأَوۡاْ ءَايَةٗ يَسۡتَسۡخِرُونَ
Ary rehefa mahita famantarana izy ireo, dia manao izay hanesoana izany.
عربي تفسیرونه:
وَقَالُوٓاْ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا سِحۡرٞ مُّبِينٌ
Ary miteny izy ireo hoe: “Majika miharihary ihany izany ”.
عربي تفسیرونه:
أَءِذَا مِتۡنَا وَكُنَّا تُرَابٗا وَعِظَٰمًا أَءِنَّا لَمَبۡعُوثُونَ
Rehefa maty izahay, ary lasa vovoka sy taolana, dia mbola ho velomina indray ve ?
عربي تفسیرونه:
أَوَءَابَآؤُنَا ٱلۡأَوَّلُونَ
Na koa ireo razambenay taloha ? ”
عربي تفسیرونه:
قُلۡ نَعَمۡ وَأَنتُمۡ دَٰخِرُونَ
Dia lazao hoe : “Eny ! Ary ho ambany tokoa ianareo”.
عربي تفسیرونه:
فَإِنَّمَا هِيَ زَجۡرَةٞ وَٰحِدَةٞ فَإِذَا هُمۡ يَنظُرُونَ
Tsy hisy afa-tsy hiaka tokana ihany, dia indro izy ireo fa hijery.
عربي تفسیرونه:
وَقَالُواْ يَٰوَيۡلَنَا هَٰذَا يَوۡمُ ٱلدِّينِ
Ka hiteny izy ireo hoe : “Loza ho anay ! Tonga ny andro hanomezana ny valin-kasasarana”.
عربي تفسیرونه:
هَٰذَا يَوۡمُ ٱلۡفَصۡلِ ٱلَّذِي كُنتُم بِهِۦ تُكَذِّبُونَ
“Izany no andro fitsarana, izay nolazainareo fa lainga”.
عربي تفسیرونه:
۞ ٱحۡشُرُواْ ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ وَأَزۡوَٰجَهُمۡ وَمَا كَانُواْ يَعۡبُدُونَ
“Angoninareo ireo izay nanao ny tsy rariny sy ny vadin’izy ireo, ary izay rehetra notompoiny,
عربي تفسیرونه:
مِن دُونِ ٱللَّهِ فَٱهۡدُوهُمۡ إِلَىٰ صِرَٰطِ ٱلۡجَحِيمِ
Ankoatran'I Allah dia tarihinareo makany amin’ny làlan’ny afobe izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَقِفُوهُمۡۖ إِنَّهُم مَّسۡـُٔولُونَ
Ary ajanony izy ireo fa tsy maintsy hanontaniana.
عربي تفسیرونه:
مَا لَكُمۡ لَا تَنَاصَرُونَ
“Nahoana àry ianareo no tsy mifamonjy ? ”
عربي تفسیرونه:
بَلۡ هُمُ ٱلۡيَوۡمَ مُسۡتَسۡلِمُونَ
Nefa amin’izany andro izany dia hankato tanteraka izy ireo
عربي تفسیرونه:
وَأَقۡبَلَ بَعۡضُهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖ يَتَسَآءَلُونَ
Ary hifampitodika izy ireo hifanontany
عربي تفسیرونه:
قَالُوٓاْ إِنَّكُمۡ كُنتُمۡ تَأۡتُونَنَا عَنِ ٱلۡيَمِينِ
Hiteny izy ireo hoe : “Tonga taminay tamin’ny fanehoana ny tsara ianareo”.
عربي تفسیرونه:
قَالُواْ بَل لَّمۡ تَكُونُواْ مُؤۡمِنِينَ
Dia hoy izy ireo hoe : “ Ianareo koa aza tsy nino ”.
عربي تفسیرونه:
وَمَا كَانَ لَنَا عَلَيۡكُم مِّن سُلۡطَٰنِۭۖ بَلۡ كُنتُمۡ قَوۡمٗا طَٰغِينَ
Ary izahay dia tsy nanana fahefana taminareo. Fa ianareo kosa dia efa vahoaka mpihoa-pefy.
عربي تفسیرونه:
فَحَقَّ عَلَيۡنَا قَوۡلُ رَبِّنَآۖ إِنَّا لَذَآئِقُونَ
Ary dia tanteraka aminay àry izao ny tenin’ny Tomponay, ka hanandrana (famaizana) tokoa izahay
عربي تفسیرونه:
فَأَغۡوَيۡنَٰكُمۡ إِنَّا كُنَّا غَٰوِينَ
Nofitahinay tokoa ianareo fa raha ny marina dia izahay mihitsy no efa very lalana.
عربي تفسیرونه:
فَإِنَّهُمۡ يَوۡمَئِذٖ فِي ٱلۡعَذَابِ مُشۡتَرِكُونَ
Ary amin’izany andro izany dia hitambatra ao anatin’ny famaizana izy rehetra.
عربي تفسیرونه:
إِنَّا كَذَٰلِكَ نَفۡعَلُ بِٱلۡمُجۡرِمِينَ
Tahaka izany tokoa no hanaovanay ireo mpanao heloka bevava.
عربي تفسیرونه:
إِنَّهُمۡ كَانُوٓاْ إِذَا قِيلَ لَهُمۡ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا ٱللَّهُ يَسۡتَكۡبِرُونَ
Rehefa nilazana izy ireo hoe : “Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Allah” dia nanambony tena izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَيَقُولُونَ أَئِنَّا لَتَارِكُوٓاْ ءَالِهَتِنَا لِشَاعِرٖ مَّجۡنُونِۭ
Ary niteny hoe : “Moa ve izahay no hamela ireo zanaharinay nohon'ny mpanao tononkalo adala ?”
عربي تفسیرونه:
بَلۡ جَآءَ بِٱلۡحَقِّ وَصَدَّقَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Kanefa tonga niaraka tamin’ny fahamarinana izy ary nanamarina ireo Iraka (teo aloha).
عربي تفسیرونه:
إِنَّكُمۡ لَذَآئِقُواْ ٱلۡعَذَابِ ٱلۡأَلِيمِ
Marina tokoa fa ianareo dia tena hanandrana ny famaizana mangirifiry.
عربي تفسیرونه:
وَمَا تُجۡزَوۡنَ إِلَّا مَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Ary tsy omena valin’asa ianareo raha tsy araka ny asa nataonareo ihany
عربي تفسیرونه:
إِلَّا عِبَادَ ٱللَّهِ ٱلۡمُخۡلَصِينَ
Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy
عربي تفسیرونه:
أُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ رِزۡقٞ مَّعۡلُومٞ
Ho azy ireny ny valin-kasasarana efa fantatra
عربي تفسیرونه:
فَوَٰكِهُ وَهُم مُّكۡرَمُونَ
Voankazo maro ary omen-kaja izy ireo
عربي تفسیرونه:
فِي جَنَّٰتِ ٱلنَّعِيمِ
.Ao amin’ny zaridainam-pahasambarana
عربي تفسیرونه:
عَلَىٰ سُرُرٖ مُّتَقَٰبِلِينَ
Eo ambonin’ireo farafara mifanatrika.
عربي تفسیرونه:
يُطَافُ عَلَيۡهِم بِكَأۡسٖ مِّن مَّعِينِۭ
Ho entina mitety azy ireo ny kaopy feno rano avy amin’ny loharano.
عربي تفسیرونه:
بَيۡضَآءَ لَذَّةٖ لِّلشَّٰرِبِينَ
Fotsy, ankafizin’ireo mpisotro azy.
عربي تفسیرونه:
لَا فِيهَا غَوۡلٞ وَلَا هُمۡ عَنۡهَا يُنزَفُونَ
Tsy misy hahavery (ny sain’izy ireo) ao, ary tsy hahamamo azy ireo izany.
عربي تفسیرونه:
وَعِندَهُمۡ قَٰصِرَٰتُ ٱلطَّرۡفِ عِينٞ
Ary izy ireo dia hanana vehivavy tsara, manana fijery maontina, baribary maso.
عربي تفسیرونه:
كَأَنَّهُنَّ بَيۡضٞ مَّكۡنُونٞ
Izy ireo dia tahaka ny atody voatahiry tsara.
عربي تفسیرونه:
فَأَقۡبَلَ بَعۡضُهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖ يَتَسَآءَلُونَ
Ary ny sasany amin'izy ireo dia hitodika amin'ny ankilany hifanontany.
عربي تفسیرونه:
قَالَ قَآئِلٞ مِّنۡهُمۡ إِنِّي كَانَ لِي قَرِينٞ
Hiteny ny iray amin’izy ireo hoe : “Izaho dia nana-namana"
عربي تفسیرونه:
يَقُولُ أَءِنَّكَ لَمِنَ ٱلۡمُصَدِّقِينَ
Izay niteny hoe : “moa ve ianao tena anisan’ireo mpino ?”
عربي تفسیرونه:
أَءِذَا مِتۡنَا وَكُنَّا تُرَابٗا وَعِظَٰمًا أَءِنَّا لَمَدِينُونَ
“Moa ve raha maty isika ary lasa vovoka sy taolana, dia mbola ho tsaraina ?”
عربي تفسیرونه:
قَالَ هَلۡ أَنتُم مُّطَّلِعُونَ
Hiteny izy hoe : “ Moa ve ianareo mba te-hitazana avy aty ambony ?”
عربي تفسیرونه:
فَٱطَّلَعَ فَرَءَاهُ فِي سَوَآءِ ٱلۡجَحِيمِ
Dia nijery avy eny ambony izy ka nahatazana azy teo afovoan’ny afobe
عربي تفسیرونه:
قَالَ تَٱللَّهِ إِن كِدتَّ لَتُرۡدِينِ
Ary hiteny izy hoe : “Mianiana amin’I Allah aho fa saika noverezinao aho !”
عربي تفسیرونه:
وَلَوۡلَا نِعۡمَةُ رَبِّي لَكُنتُ مِنَ ٱلۡمُحۡضَرِينَ
Ary raha tsy noho ny fahasoavan’ny Tompoko dia tena anisan’ireo tao (anatin’ny afobe) koa aho.
عربي تفسیرونه:
أَفَمَا نَحۡنُ بِمَيِّتِينَ
Moa ve marina fa tsy ho faty isika,
عربي تفسیرونه:
إِلَّا مَوۡتَتَنَا ٱلۡأُولَىٰ وَمَا نَحۡنُ بِمُعَذَّبِينَ
Afa-tsy ny fahafatesantsika tamin’ny voalohany ary tsy ho faizina isika”
عربي تفسیرونه:
إِنَّ هَٰذَا لَهُوَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡعَظِيمُ
Marina fa izany tokoa ilay fahombiazana lehibe.
عربي تفسیرونه:
لِمِثۡلِ هَٰذَا فَلۡيَعۡمَلِ ٱلۡعَٰمِلُونَ
Ho an’ny zavatra toy izany no tokony hiasan’ireo izay miasa.
عربي تفسیرونه:
أَذَٰلِكَ خَيۡرٞ نُّزُلًا أَمۡ شَجَرَةُ ٱلزَّقُّومِ
Moa ve tsy izany no mendrika kokoa ho fonenana sa ny hazon’ny Zakkom[105]
عربي تفسیرونه:
إِنَّا جَعَلۡنَٰهَا فِتۡنَةٗ لِّلظَّٰلِمِينَ
Marina fa Izahay dia nanao izany ho fitsapana ho an’ireo mpanao ny tsy rariny.
عربي تفسیرونه:
إِنَّهَا شَجَرَةٞ تَخۡرُجُ فِيٓ أَصۡلِ ٱلۡجَحِيمِ
Izany dia hazo izay mivoaka avy any amin’ny farany ambany amin’ny afobe.
عربي تفسیرونه:
طَلۡعُهَا كَأَنَّهُۥ رُءُوسُ ٱلشَّيَٰطِينِ
Ireo voany dia tahaka ny lohan’ireo satana.
عربي تفسیرونه:
فَإِنَّهُمۡ لَأٓكِلُونَ مِنۡهَا فَمَالِـُٔونَ مِنۡهَا ٱلۡبُطُونَ
Tsy maintsy mihinana amin'izany izy ireo ary hameno ny kibony
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ إِنَّ لَهُمۡ عَلَيۡهَا لَشَوۡبٗا مِّنۡ حَمِيمٖ
Manaraka izany dia hisy avy eny ambony ny fifangaroan-drano ratsy, mangotraka ho an’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ إِنَّ مَرۡجِعَهُمۡ لَإِلَى ٱلۡجَحِيمِ
Ary ny fiverenan’izy ireo dia mankany amin’ny afobe (Djahim)
عربي تفسیرونه:
إِنَّهُمۡ أَلۡفَوۡاْ ءَابَآءَهُمۡ ضَآلِّينَ
Izy ireo dia nahita ireo razambeny tao anatin’ny fahaverezana
عربي تفسیرونه:
فَهُمۡ عَلَىٰٓ ءَاثَٰرِهِمۡ يُهۡرَعُونَ
Koa indro izy ireo mihazakazaka manaraka ny dian’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ ضَلَّ قَبۡلَهُمۡ أَكۡثَرُ ٱلۡأَوَّلِينَ
Ary izany no tena nahavery ny ankamaroan’ireo efa talohan’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا فِيهِم مُّنذِرِينَ
Ary efa nalefanay tokoa tamin’izy ireo ny mpampitandrina maro.
عربي تفسیرونه:
فَٱنظُرۡ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلۡمُنذَرِينَ
Jereo àry, mba nanao ahoana ny fiafaran’ireo izay nahazo fampitandremana !
عربي تفسیرونه:
إِلَّا عِبَادَ ٱللَّهِ ٱلۡمُخۡلَصِينَ
Afa-tsy ireo mpanompon’i Allah izay voafidy.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ نَادَىٰنَا نُوحٞ فَلَنِعۡمَ ٱلۡمُجِيبُونَ
Ary efa niantso anay tokoa i Noa fa izahay no mpamaly ny antso tsara indrindra.
عربي تفسیرونه:
وَنَجَّيۡنَٰهُ وَأَهۡلَهُۥ مِنَ ٱلۡكَرۡبِ ٱلۡعَظِيمِ
Ary navotanay izy sy ny fianakaviany tamin’ny tebiteby lehibe.
عربي تفسیرونه:
وَجَعَلۡنَا ذُرِّيَّتَهُۥ هُمُ ٱلۡبَاقِينَ
Ary nataonay ny taranany no hany sisa tavela.
عربي تفسیرونه:
وَتَرَكۡنَا عَلَيۡهِ فِي ٱلۡأٓخِرِينَ
Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy.
عربي تفسیرونه:
سَلَٰمٌ عَلَىٰ نُوحٖ فِي ٱلۡعَٰلَمِينَ
Fiadanana ho an’i Noa eo amin’izao tontolo izao
عربي تفسیرونه:
إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa.
عربي تفسیرونه:
إِنَّهُۥ مِنۡ عِبَادِنَا ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Tena marina fa izy dia isan’ireo mpanomponay mpino.
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ أَغۡرَقۡنَا ٱلۡأٓخَرِينَ
Ary dia narendrikay ireo vahoaka sasany.
عربي تفسیرونه:
۞ وَإِنَّ مِن شِيعَتِهِۦ لَإِبۡرَٰهِيمَ
Ary anisany mpiray finoana aminy tokoa i Ibrahim (Abrahama)
عربي تفسیرونه:
إِذۡ جَآءَ رَبَّهُۥ بِقَلۡبٖ سَلِيمٍ
Raha tonga tamin’ny Tompony izy amin’ny fo madio.
عربي تفسیرونه:
إِذۡ قَالَ لِأَبِيهِ وَقَوۡمِهِۦ مَاذَا تَعۡبُدُونَ
Rehefa niteny izy tamin’ny Rainy sy ny vahoakany hoe : “Inona no tompoinareo ?"
عربي تفسیرونه:
أَئِفۡكًا ءَالِهَةٗ دُونَ ٱللَّهِ تُرِيدُونَ
Mitady Tompo maro hafa ivelan’I Allah ve ianareo ?
عربي تفسیرونه:
فَمَا ظَنُّكُم بِرَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Inona ary ny hevitrareo mahakasika ny Tompon'izao tontolo izao ?
عربي تفسیرونه:
فَنَظَرَ نَظۡرَةٗ فِي ٱلنُّجُومِ
Avy eo dia nanopy maso izy ka nijery ireo kintana
عربي تفسیرونه:
فَقَالَ إِنِّي سَقِيمٞ
Sady niteny izy hoe : “Marina tokoa fa marary aho”
عربي تفسیرونه:
فَتَوَلَّوۡاْ عَنۡهُ مُدۡبِرِينَ
Nimboho azy izy ireo dia nandeha.
عربي تفسیرونه:
فَرَاغَ إِلَىٰٓ ءَالِهَتِهِمۡ فَقَالَ أَلَا تَأۡكُلُونَ
Dia nizotra moramora nankany amin’ny sampin’izy ireo izy, ary niteny hoe : “Moa ve tsy mihinana ianareo ?"
عربي تفسیرونه:
مَا لَكُمۡ لَا تَنطِقُونَ
Fa inona no tsy mampiteny anareo?
عربي تفسیرونه:
فَرَاغَ عَلَيۡهِمۡ ضَرۡبَۢا بِٱلۡيَمِينِ
Avy eo nokapohiny antsokosoko izy ireo tamin’ny tanany havanana.
عربي تفسیرونه:
فَأَقۡبَلُوٓاْ إِلَيۡهِ يَزِفُّونَ
Tamin’izany dia nanantona azy am-pihazakazahana ireo olona.
عربي تفسیرونه:
قَالَ أَتَعۡبُدُونَ مَا تَنۡحِتُونَ
Niteny (tamin’izy ireo) izy hoe : “Moa ve ianareo dia manompo izay (sary) nataonareo ihany".
عربي تفسیرونه:
وَٱللَّهُ خَلَقَكُمۡ وَمَا تَعۡمَلُونَ
Nefa I Allah no nahary anareo sy izay ataonareo
عربي تفسیرونه:
قَالُواْ ٱبۡنُواْ لَهُۥ بُنۡيَٰنٗا فَأَلۡقُوهُ فِي ٱلۡجَحِيمِ
Niteny izy ireo hoe : “Hanamboary fata-mihiboka (lafaoro) ho azy ka atsipio ao anatin’ny afo mamaivay izy.
عربي تفسیرونه:
فَأَرَادُواْ بِهِۦ كَيۡدٗا فَجَعَلۡنَٰهُمُ ٱلۡأَسۡفَلِينَ
Nitady hanao teti-dratsy taminy izy ireo ; ka nataonay latsaka ambany indrindra izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَقَالَ إِنِّي ذَاهِبٌ إِلَىٰ رَبِّي سَيَهۡدِينِ
Ary niteny izy hoe : Izaho dia handeha any amin’ny Tompoko ary hitari-dalana ahy Izy.
عربي تفسیرونه:
رَبِّ هَبۡ لِي مِنَ ٱلصَّٰلِحِينَ
Tompo ô ! Omeo taranaka mba ho anisan’ireo mpanao soa aho.
عربي تفسیرونه:
فَبَشَّرۡنَٰهُ بِغُلَٰمٍ حَلِيمٖ
Nolazainay vaovao mahafaly izy fa hahazo zazalahy be fangoraham-po.
عربي تفسیرونه:
فَلَمَّا بَلَغَ مَعَهُ ٱلسَّعۡيَ قَالَ يَٰبُنَيَّ إِنِّيٓ أَرَىٰ فِي ٱلۡمَنَامِ أَنِّيٓ أَذۡبَحُكَ فَٱنظُرۡ مَاذَا تَرَىٰۚ قَالَ يَٰٓأَبَتِ ٱفۡعَلۡ مَا تُؤۡمَرُۖ سَتَجِدُنِيٓ إِن شَآءَ ٱللَّهُ مِنَ ٱلصَّٰبِرِينَ
Ary rehefa nahatratra ny taona ahafahany miaraka aminy izy dia niteny (Ibrahimo) hoe: “Anaka, izaho dia nahita tamin’ny nofy fa nanao sorona anao. Ka ahoana àry ny fahitanao izany”. Niteny (Ismaely) hoe: “Ry dada ô! Ataovy izay nandidiana anao fa ho hitanao aho, raha sitrak’i Allah, fa anisan’ireo manam-paharetana.
عربي تفسیرونه:
فَلَمَّآ أَسۡلَمَا وَتَلَّهُۥ لِلۡجَبِينِ
Avy eo rehefa nanaiky (ny didin’i Allah) izy roa dia nojereny,
عربي تفسیرونه:
وَنَٰدَيۡنَٰهُ أَن يَٰٓإِبۡرَٰهِيمُ
Ka indro Izahay niantso azy hoe: “ Ô ry Ibrahimo !
عربي تفسیرونه:
قَدۡ صَدَّقۡتَ ٱلرُّءۡيَآۚ إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Tena notanterahinao tokoa ny nofy. Tahaka izany no hanomezanay valisoa ireo mpanao asa soa.
عربي تفسیرونه:
إِنَّ هَٰذَا لَهُوَ ٱلۡبَلَٰٓؤُاْ ٱلۡمُبِينُ
Izany tokoa no fitsapana tena miharihary.
عربي تفسیرونه:
وَفَدَيۡنَٰهُ بِذِبۡحٍ عَظِيمٖ
Ary nosolonay izy (Ismaely) tamin’ny alalan’ny fanatitra lehibe.
عربي تفسیرونه:
وَتَرَكۡنَا عَلَيۡهِ فِي ٱلۡأٓخِرِينَ
Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy.
عربي تفسیرونه:
سَلَٰمٌ عَلَىٰٓ إِبۡرَٰهِيمَ
“Fiadanana anie ho amin’i Ibrahimo”.
عربي تفسیرونه:
كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Tahaka izany no hanomezanay valisoa ireo mpanao asa soa
عربي تفسیرونه:
إِنَّهُۥ مِنۡ عِبَادِنَا ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Tena marina fa izy dia isan’ireo mpanomponay mpino.
عربي تفسیرونه:
وَبَشَّرۡنَٰهُ بِإِسۡحَٰقَ نَبِيّٗا مِّنَ ٱلصَّٰلِحِينَ
Ary nolazanay azy ny vaovao mahafaly momban'i Isaka (Ishaka), izay ho mpaminany anisan’ireo olo-mendrika.
عربي تفسیرونه:
وَبَٰرَكۡنَا عَلَيۡهِ وَعَلَىٰٓ إِسۡحَٰقَۚ وَمِن ذُرِّيَّتِهِمَا مُحۡسِنٞ وَظَالِمٞ لِّنَفۡسِهِۦ مُبِينٞ
Ary nohasoavinay izy sy Isaka ary misy amin’ny taranak’izy ireo ny mpanao asa tsara sy ny mpanao ny tsy rariny miharihary amin’ny tenany.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ مَنَنَّا عَلَىٰ مُوسَىٰ وَهَٰرُونَ
Ary efa nomenay tombotsoa i Mosesy sy Harona,
عربي تفسیرونه:
وَنَجَّيۡنَٰهُمَا وَقَوۡمَهُمَا مِنَ ٱلۡكَرۡبِ ٱلۡعَظِيمِ
Ary navotanay izy roa sy ny vahoakany tamin’ny tebiteby lehibe.
عربي تفسیرونه:
وَنَصَرۡنَٰهُمۡ فَكَانُواْ هُمُ ٱلۡغَٰلِبِينَ
Ary novonjenay izy ireo ary dia izy ireo no mpandresy.
عربي تفسیرونه:
وَءَاتَيۡنَٰهُمَا ٱلۡكِتَٰبَ ٱلۡمُسۡتَبِينَ
Ary nomenay azy roa ny Boky mazava.
عربي تفسیرونه:
وَهَدَيۡنَٰهُمَا ٱلصِّرَٰطَ ٱلۡمُسۡتَقِيمَ
Ary notarihinay amin’ny lalana mahitsy izy roa
عربي تفسیرونه:
وَتَرَكۡنَا عَلَيۡهِمَا فِي ٱلۡأٓخِرِينَ
Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy roa.
عربي تفسیرونه:
سَلَٰمٌ عَلَىٰ مُوسَىٰ وَهَٰرُونَ
“ Fiadanana anie ho amin’i Mosesy sy Harona ”.
عربي تفسیرونه:
إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa.
عربي تفسیرونه:
إِنَّهُمَا مِنۡ عِبَادِنَا ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Tena marina fa izy roa dia anisan’ireo mpanomponay mpino.
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّ إِلۡيَاسَ لَمِنَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Ary marina fa i Ilyasa (Elia) dia anisan’ireo Iraka.
عربي تفسیرونه:
إِذۡ قَالَ لِقَوۡمِهِۦٓ أَلَا تَتَّقُونَ
Rehefa niteny tamin’ny vahoakany izy hoe : " Moa ve tsy matahotra ianareo ?"
عربي تفسیرونه:
أَتَدۡعُونَ بَعۡلٗا وَتَذَرُونَ أَحۡسَنَ ٱلۡخَٰلِقِينَ
Mitalaho amin’i Baal ve ianareo? Ary avelanareo Ilay Tsara indrindra amin’ireo mpahary
عربي تفسیرونه:
ٱللَّهَ رَبَّكُمۡ وَرَبَّ ءَابَآئِكُمُ ٱلۡأَوَّلِينَ
I Allah no Tomponareo sy Tompon’ireo razambenareo taloha.
عربي تفسیرونه:
فَكَذَّبُوهُ فَإِنَّهُمۡ لَمُحۡضَرُونَ
Ka nolazain’izy ireo ho mpandainga Izy, tena marina fa izy ireo dia ho ao (anatin’ny afobe).
عربي تفسیرونه:
إِلَّا عِبَادَ ٱللَّهِ ٱلۡمُخۡلَصِينَ
Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy.
عربي تفسیرونه:
وَتَرَكۡنَا عَلَيۡهِ فِي ٱلۡأٓخِرِينَ
Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy.
عربي تفسیرونه:
سَلَٰمٌ عَلَىٰٓ إِلۡ يَاسِينَ
“ Fiadanana anie ho amin’I Iliyasa sy ireo mpanaraka azy ”.
عربي تفسیرونه:
إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa.
عربي تفسیرونه:
إِنَّهُۥ مِنۡ عِبَادِنَا ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Tena marina fa izy dia anisan'ireo mpanomponay mpino.
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّ لُوطٗا لَّمِنَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Ary tena marina fa i Lota dia anisan’ireo iraka.
عربي تفسیرونه:
إِذۡ نَجَّيۡنَٰهُ وَأَهۡلَهُۥٓ أَجۡمَعِينَ
Rehefa navotanay izy sy ny fianakaviany manontolo
عربي تفسیرونه:
إِلَّا عَجُوزٗا فِي ٱلۡغَٰبِرِينَ
Afa-tsy vehivavy antitra iray anisan’ireo naringana.
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ دَمَّرۡنَا ٱلۡأٓخَرِينَ
Avy eo dia nopotehinay koa ny sasany.
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّكُمۡ لَتَمُرُّونَ عَلَيۡهِم مُّصۡبِحِينَ
Ary marina fa ianareo dia tena mandalo eo amin’izy ireo amin’ny maraina
عربي تفسیرونه:
وَبِٱلَّيۡلِۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ
Sy amin’ny alina. Moa ve tsy mba misaina ianareo?
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّ يُونُسَ لَمِنَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Ary marina fa i Younouss (Jonasy) dia anisan’ireo iraka.
عربي تفسیرونه:
إِذۡ أَبَقَ إِلَى ٱلۡفُلۡكِ ٱلۡمَشۡحُونِ
Rehefa nandositra tamin’ilay sambo feno izy
عربي تفسیرونه:
فَسَاهَمَ فَكَانَ مِنَ ٱلۡمُدۡحَضِينَ
Dia nandray anjara tamin’ny ankitsapaka ka voatendry ho anisan’ny atsipy (anatin’ny ranomasina) izy.
عربي تفسیرونه:
فَٱلۡتَقَمَهُ ٱلۡحُوتُ وَهُوَ مُلِيمٞ
Ka natelin’ny trondro izy fa mendrika omena tsiny.
عربي تفسیرونه:
فَلَوۡلَآ أَنَّهُۥ كَانَ مِنَ ٱلۡمُسَبِّحِينَ
Raha tsy anisan’ireo mpidera ny voninahitr’i Allah izy
عربي تفسیرونه:
لَلَبِثَ فِي بَطۡنِهِۦٓ إِلَىٰ يَوۡمِ يُبۡعَثُونَ
Dia tokony ho tavela tao anatin’ny kibony (trondro) mandra-pahatonga ny andro hananganana azy amin’ny maty.
عربي تفسیرونه:
۞ فَنَبَذۡنَٰهُ بِٱلۡعَرَآءِ وَهُوَ سَقِيمٞ
Natsipinay teny an-tanety izy ary izy dia tsy salama.
عربي تفسیرونه:
وَأَنۢبَتۡنَا عَلَيۡهِ شَجَرَةٗ مِّن يَقۡطِينٖ
Ary dia nampanirianay voatavo ny teo amboniny.
عربي تفسیرونه:
وَأَرۡسَلۡنَٰهُ إِلَىٰ مِاْئَةِ أَلۡفٍ أَوۡ يَزِيدُونَ
Ary nalefanay izy (ho mpaminany) tany amin’ny vahoaka iray hetsy na mihoatra.
عربي تفسیرونه:
فَـَٔامَنُواْ فَمَتَّعۡنَٰهُمۡ إِلَىٰ حِينٖ
Koa nino izy ireo ary nomenay azy ireo ny fahafinaretana mandritra ny fotoana voafetra.
عربي تفسیرونه:
فَٱسۡتَفۡتِهِمۡ أَلِرَبِّكَ ٱلۡبَنَاتُ وَلَهُمُ ٱلۡبَنُونَ
Hametrao fanontaniana àry izy ireo: “ Moa ve ho an’ny Tomponao ireo zazavavy ary ho azy ireo ny zazalahy?
عربي تفسیرونه:
أَمۡ خَلَقۡنَا ٱلۡمَلَٰٓئِكَةَ إِنَٰثٗا وَهُمۡ شَٰهِدُونَ
Na noharianay ho vavy ireo anjely ary izy ireo no vavolombelona?
عربي تفسیرونه:
أَلَآ إِنَّهُم مِّنۡ إِفۡكِهِمۡ لَيَقُولُونَ
Marina fa izy ireo dia niteny tamin’ny lainga nataon’izy ireo hoe
عربي تفسیرونه:
وَلَدَ ٱللَّهُ وَإِنَّهُمۡ لَكَٰذِبُونَ
“Nanan-janaka I Allah” ary marina fa izy ireo dia tena mpandainga
عربي تفسیرونه:
أَصۡطَفَى ٱلۡبَنَاتِ عَلَى ٱلۡبَنِينَ
Moa ve tsy nisafidy ireo zaza vavy Izy noho ireo zaza lahy ?
عربي تفسیرونه:
مَا لَكُمۡ كَيۡفَ تَحۡكُمُونَ
Inona no mahazo anareo? Fa ahoana ny fomba fitsaranareo?
عربي تفسیرونه:
أَفَلَا تَذَكَّرُونَ
Moa tsy mieritreritra ve ianareo?
عربي تفسیرونه:
أَمۡ لَكُمۡ سُلۡطَٰنٞ مُّبِينٞ
Sa manana porofo mazava ianareo?
عربي تفسیرونه:
فَأۡتُواْ بِكِتَٰبِكُمۡ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Ento àry ny Bokinareo raha toa ka marina ny anareo.
عربي تفسیرونه:
وَجَعَلُواْ بَيۡنَهُۥ وَبَيۡنَ ٱلۡجِنَّةِ نَسَبٗاۚ وَلَقَدۡ عَلِمَتِ ٱلۡجِنَّةُ إِنَّهُمۡ لَمُحۡضَرُونَ
Ary nataon’izy ireo misy rohim-pihavanana eo Aminy sy ireo Djiny; nefa efa fantatr’ireo Djiny fa izy ireo dia tena ho ao (amin’ny afobe).
عربي تفسیرونه:
سُبۡحَٰنَ ٱللَّهِ عَمَّا يَصِفُونَ
Voninahitra anie ho an’I Allah noho izay hamaritan’izy ireo Azy
عربي تفسیرونه:
إِلَّا عِبَادَ ٱللَّهِ ٱلۡمُخۡلَصِينَ
Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy.
عربي تفسیرونه:
فَإِنَّكُمۡ وَمَا تَعۡبُدُونَ
Marina fa ianareo sy izay tompoinareo
عربي تفسیرونه:
مَآ أَنتُمۡ عَلَيۡهِ بِفَٰتِنِينَ
Dia tsy afaka maka fanahy (na iza na iza) ianareo amin’izany
عربي تفسیرونه:
إِلَّا مَنۡ هُوَ صَالِ ٱلۡجَحِيمِ
Afa-tsy izay hiditra ao anatin’ny afobe (Djahim).
عربي تفسیرونه:
وَمَا مِنَّآ إِلَّا لَهُۥ مَقَامٞ مَّعۡلُومٞ
Tsy misy na dia iray aza aminay ka tsy manana toerana efa fantatra
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّا لَنَحۡنُ ٱلصَّآفُّونَ
Ary izahay (Anjely) dia tena milahatra araka ny laharana
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّا لَنَحۡنُ ٱلۡمُسَبِّحُونَ
Ary izahay no tena mpidera ny voninahitr’I Allah
عربي تفسیرونه:
وَإِن كَانُواْ لَيَقُولُونَ
Ary izy ireo dia tena manana fahazarana miteny hoe :
عربي تفسیرونه:
لَوۡ أَنَّ عِندَنَا ذِكۡرٗا مِّنَ ٱلۡأَوَّلِينَ
Raha nanana fampahatsiahivana avy tamin’ny razambenay izahay
عربي تفسیرونه:
لَكُنَّا عِبَادَ ٱللَّهِ ٱلۡمُخۡلَصِينَ
Dia tena efa lasa mpanompo voafidin’I Allah izahay!
عربي تفسیرونه:
فَكَفَرُواْ بِهِۦۖ فَسَوۡفَ يَعۡلَمُونَ
Tsy nino izany izy ireo ary dia ho fantatr’izy ireo tsy ho ela izany.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ سَبَقَتۡ كَلِمَتُنَا لِعِبَادِنَا ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Ary efa nomenay ireo Iraka Mpanomponay ny Teninay,
عربي تفسیرونه:
إِنَّهُمۡ لَهُمُ ٱلۡمَنصُورُونَ
Fa izy ireo no tena hahazo ny fanavotana
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّ جُندَنَا لَهُمُ ٱلۡغَٰلِبُونَ
Ary ny miaramilanay no tena ho mpandresy.
عربي تفسیرونه:
فَتَوَلَّ عَنۡهُمۡ حَتَّىٰ حِينٖ
Ary miataha azy ireo ianao (ry Mohammad), mandra-pahatongan’ny fotoana vitsivitsy
عربي تفسیرونه:
وَأَبۡصِرۡهُمۡ فَسَوۡفَ يُبۡصِرُونَ
Ary araho maso izy ireo fa tsy ho ela dia hahita izy ireo !
عربي تفسیرونه:
أَفَبِعَذَابِنَا يَسۡتَعۡجِلُونَ
Ny famaizana avy Aminay ve no tadiavin’izy ireo hafainganina?
عربي تفسیرونه:
فَإِذَا نَزَلَ بِسَاحَتِهِمۡ فَسَآءَ صَبَاحُ ٱلۡمُنذَرِينَ
Fa raha ho latsaka amin’ny toeran’izy ireo izany dia ho ratsy tokoa ny marainan’ireo izay nampitandremina!
عربي تفسیرونه:
وَتَوَلَّ عَنۡهُمۡ حَتَّىٰ حِينٖ
Ary miataha azy ireo ianao (ry Mohammad), mandra-pahatongan’ny fotoana vitsivitsy;
عربي تفسیرونه:
وَأَبۡصِرۡ فَسَوۡفَ يُبۡصِرُونَ
Ary araho maso fa tsy ho ela dia hahita izy ireo !
عربي تفسیرونه:
سُبۡحَٰنَ رَبِّكَ رَبِّ ٱلۡعِزَّةِ عَمَّا يَصِفُونَ
Voninahitra anie ho an’ny Tomponao, Ilay Tompon’ny Hery noho izay hamaritan’izy ireo Azy.
عربي تفسیرونه:
وَسَلَٰمٌ عَلَى ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Ka fiadanana anie ho amin’ireo Iraka
عربي تفسیرونه:
وَٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Ary Dera ho an’I Allah, Tompon’izao tontolo izao !
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: صافات
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول