Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: صافات   آیت:

As-swaffat

وَٱلصَّٰٓفَّٰتِ صَفّٗا
Mianiana amin’ireo izay nalahatra amin’ny laharana Aho,
عربي تفسیرونه:
فَٱلزَّٰجِرَٰتِ زَجۡرٗا
Sy amin’ireo izay manosika mafy (ireo rahona),
عربي تفسیرونه:
فَٱلتَّٰلِيَٰتِ ذِكۡرًا
Ary amin’ireo izay mamaky ho fampahatsiahivana (Koroany) :
عربي تفسیرونه:
إِنَّ إِلَٰهَكُمۡ لَوَٰحِدٞ
Hamafisina, fa tokana ny Zanaharinareo,
عربي تفسیرونه:
رَّبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَا وَرَبُّ ٱلۡمَشَٰرِقِ
Ilay Tompon’ny lanitra sy ny tany, sy izay eo anelanelany, ary Tompon’ireo fiposahan’ny masoandro ”.
عربي تفسیرونه:
إِنَّا زَيَّنَّا ٱلسَّمَآءَ ٱلدُّنۡيَا بِزِينَةٍ ٱلۡكَوَاكِبِ
Hamafisina, fa Izahay no nampihaingo ny lanitra akaiky indrindra amin’ny ravak’ireo kintana,
عربي تفسیرونه:
وَحِفۡظٗا مِّن كُلِّ شَيۡطَٰنٖ مَّارِدٖ
Mba ho fiarovana amin’ny satana mpikomy rehetra,
عربي تفسیرونه:
لَّا يَسَّمَّعُونَ إِلَى ٱلۡمَلَإِ ٱلۡأَعۡلَىٰ وَيُقۡذَفُونَ مِن كُلِّ جَانِبٖ
Tsy afaka hihaino ireo manan-kaja ambony intsony izy ireo, satria ho torahana izy ireo avy amin’ny fitodihana rehetra,
عربي تفسیرونه:
دُحُورٗاۖ وَلَهُمۡ عَذَابٞ وَاصِبٌ
Sady ho voatosika. Ary hahazo famaizana tsy manam-pahataperana izy ireo.
عربي تفسیرونه:
إِلَّا مَنۡ خَطِفَ ٱلۡخَطۡفَةَ فَأَتۡبَعَهُۥ شِهَابٞ ثَاقِبٞ
Afa-tsy izay mihaino an-tsokosoko, dia hanenjika azy ny poti-kintana mandoaka.
عربي تفسیرونه:
فَٱسۡتَفۡتِهِمۡ أَهُمۡ أَشَدُّ خَلۡقًا أَم مَّنۡ خَلَقۡنَآۚ إِنَّا خَلَقۡنَٰهُم مِّن طِينٖ لَّازِبِۭ
Anontanio àry izy ireo, moa ve izy ireo no tena sarotra amboarina indrindra noho izay noharianay ? Fa fotaka madity no noharianay azy ireo.
عربي تفسیرونه:
بَلۡ عَجِبۡتَ وَيَسۡخَرُونَ
Nefa gaga ianao, ary maneso izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَإِذَا ذُكِّرُواْ لَا يَذۡكُرُونَ
Ary rehefa ampahatsiahivina (ny Kor’ány) izy ireo, dia tsy mandray izany.
عربي تفسیرونه:
وَإِذَا رَأَوۡاْ ءَايَةٗ يَسۡتَسۡخِرُونَ
Ary rehefa mahita famantarana izy ireo, dia manao izay hanesoana izany.
عربي تفسیرونه:
وَقَالُوٓاْ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا سِحۡرٞ مُّبِينٌ
Ary miteny izy ireo hoe: “Majika miharihary ihany izany ”.
عربي تفسیرونه:
أَءِذَا مِتۡنَا وَكُنَّا تُرَابٗا وَعِظَٰمًا أَءِنَّا لَمَبۡعُوثُونَ
Rehefa maty izahay, ary lasa vovoka sy taolana, dia mbola ho velomina indray ve ?
عربي تفسیرونه:
أَوَءَابَآؤُنَا ٱلۡأَوَّلُونَ
Na koa ireo razambenay taloha ? ”
عربي تفسیرونه:
قُلۡ نَعَمۡ وَأَنتُمۡ دَٰخِرُونَ
Dia lazao hoe : “Eny ! Ary ho ambany tokoa ianareo”.
عربي تفسیرونه:
فَإِنَّمَا هِيَ زَجۡرَةٞ وَٰحِدَةٞ فَإِذَا هُمۡ يَنظُرُونَ
Tsy hisy afa-tsy hiaka tokana ihany, dia indro izy ireo fa hijery.
عربي تفسیرونه:
وَقَالُواْ يَٰوَيۡلَنَا هَٰذَا يَوۡمُ ٱلدِّينِ
Ka hiteny izy ireo hoe : “Loza ho anay ! Tonga ny andro hanomezana ny valin-kasasarana”.
عربي تفسیرونه:
هَٰذَا يَوۡمُ ٱلۡفَصۡلِ ٱلَّذِي كُنتُم بِهِۦ تُكَذِّبُونَ
“Izany no andro fitsarana, izay nolazainareo fa lainga”.
عربي تفسیرونه:
۞ ٱحۡشُرُواْ ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ وَأَزۡوَٰجَهُمۡ وَمَا كَانُواْ يَعۡبُدُونَ
“Angoninareo ireo izay nanao ny tsy rariny sy ny vadin’izy ireo, ary izay rehetra notompoiny,
عربي تفسیرونه:
مِن دُونِ ٱللَّهِ فَٱهۡدُوهُمۡ إِلَىٰ صِرَٰطِ ٱلۡجَحِيمِ
Ankoatran'I Allah dia tarihinareo makany amin’ny làlan’ny afobe izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَقِفُوهُمۡۖ إِنَّهُم مَّسۡـُٔولُونَ
Ary ajanony izy ireo fa tsy maintsy hanontaniana.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: صافات
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول