Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: صافات   آیت:
مَا لَكُمۡ كَيۡفَ تَحۡكُمُونَ
Inona no mahazo anareo? Fa ahoana ny fomba fitsaranareo?
عربي تفسیرونه:
أَفَلَا تَذَكَّرُونَ
Moa tsy mieritreritra ve ianareo?
عربي تفسیرونه:
أَمۡ لَكُمۡ سُلۡطَٰنٞ مُّبِينٞ
Sa manana porofo mazava ianareo?
عربي تفسیرونه:
فَأۡتُواْ بِكِتَٰبِكُمۡ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Ento àry ny Bokinareo raha toa ka marina ny anareo.
عربي تفسیرونه:
وَجَعَلُواْ بَيۡنَهُۥ وَبَيۡنَ ٱلۡجِنَّةِ نَسَبٗاۚ وَلَقَدۡ عَلِمَتِ ٱلۡجِنَّةُ إِنَّهُمۡ لَمُحۡضَرُونَ
Ary nataon’izy ireo misy rohim-pihavanana eo Aminy sy ireo Djiny; nefa efa fantatr’ireo Djiny fa izy ireo dia tena ho ao (amin’ny afobe).
عربي تفسیرونه:
سُبۡحَٰنَ ٱللَّهِ عَمَّا يَصِفُونَ
Voninahitra anie ho an’I Allah noho izay hamaritan’izy ireo Azy
عربي تفسیرونه:
إِلَّا عِبَادَ ٱللَّهِ ٱلۡمُخۡلَصِينَ
Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy.
عربي تفسیرونه:
فَإِنَّكُمۡ وَمَا تَعۡبُدُونَ
Marina fa ianareo sy izay tompoinareo
عربي تفسیرونه:
مَآ أَنتُمۡ عَلَيۡهِ بِفَٰتِنِينَ
Dia tsy afaka maka fanahy (na iza na iza) ianareo amin’izany
عربي تفسیرونه:
إِلَّا مَنۡ هُوَ صَالِ ٱلۡجَحِيمِ
Afa-tsy izay hiditra ao anatin’ny afobe (Djahim).
عربي تفسیرونه:
وَمَا مِنَّآ إِلَّا لَهُۥ مَقَامٞ مَّعۡلُومٞ
Tsy misy na dia iray aza aminay ka tsy manana toerana efa fantatra
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّا لَنَحۡنُ ٱلصَّآفُّونَ
Ary izahay (Anjely) dia tena milahatra araka ny laharana
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّا لَنَحۡنُ ٱلۡمُسَبِّحُونَ
Ary izahay no tena mpidera ny voninahitr’I Allah
عربي تفسیرونه:
وَإِن كَانُواْ لَيَقُولُونَ
Ary izy ireo dia tena manana fahazarana miteny hoe :
عربي تفسیرونه:
لَوۡ أَنَّ عِندَنَا ذِكۡرٗا مِّنَ ٱلۡأَوَّلِينَ
Raha nanana fampahatsiahivana avy tamin’ny razambenay izahay
عربي تفسیرونه:
لَكُنَّا عِبَادَ ٱللَّهِ ٱلۡمُخۡلَصِينَ
Dia tena efa lasa mpanompo voafidin’I Allah izahay!
عربي تفسیرونه:
فَكَفَرُواْ بِهِۦۖ فَسَوۡفَ يَعۡلَمُونَ
Tsy nino izany izy ireo ary dia ho fantatr’izy ireo tsy ho ela izany.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ سَبَقَتۡ كَلِمَتُنَا لِعِبَادِنَا ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Ary efa nomenay ireo Iraka Mpanomponay ny Teninay,
عربي تفسیرونه:
إِنَّهُمۡ لَهُمُ ٱلۡمَنصُورُونَ
Fa izy ireo no tena hahazo ny fanavotana
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّ جُندَنَا لَهُمُ ٱلۡغَٰلِبُونَ
Ary ny miaramilanay no tena ho mpandresy.
عربي تفسیرونه:
فَتَوَلَّ عَنۡهُمۡ حَتَّىٰ حِينٖ
Ary miataha azy ireo ianao (ry Mohammad), mandra-pahatongan’ny fotoana vitsivitsy
عربي تفسیرونه:
وَأَبۡصِرۡهُمۡ فَسَوۡفَ يُبۡصِرُونَ
Ary araho maso izy ireo fa tsy ho ela dia hahita izy ireo !
عربي تفسیرونه:
أَفَبِعَذَابِنَا يَسۡتَعۡجِلُونَ
Ny famaizana avy Aminay ve no tadiavin’izy ireo hafainganina?
عربي تفسیرونه:
فَإِذَا نَزَلَ بِسَاحَتِهِمۡ فَسَآءَ صَبَاحُ ٱلۡمُنذَرِينَ
Fa raha ho latsaka amin’ny toeran’izy ireo izany dia ho ratsy tokoa ny marainan’ireo izay nampitandremina!
عربي تفسیرونه:
وَتَوَلَّ عَنۡهُمۡ حَتَّىٰ حِينٖ
Ary miataha azy ireo ianao (ry Mohammad), mandra-pahatongan’ny fotoana vitsivitsy;
عربي تفسیرونه:
وَأَبۡصِرۡ فَسَوۡفَ يُبۡصِرُونَ
Ary araho maso fa tsy ho ela dia hahita izy ireo !
عربي تفسیرونه:
سُبۡحَٰنَ رَبِّكَ رَبِّ ٱلۡعِزَّةِ عَمَّا يَصِفُونَ
Voninahitra anie ho an’ny Tomponao, Ilay Tompon’ny Hery noho izay hamaritan’izy ireo Azy.
عربي تفسیرونه:
وَسَلَٰمٌ عَلَى ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Ka fiadanana anie ho amin’ireo Iraka
عربي تفسیرونه:
وَٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Ary Dera ho an’I Allah, Tompon’izao tontolo izao !
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: صافات
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ شمېره
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

تړل