Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: یس   آیت:
وَءَايَةٞ لَّهُمۡ أَنَّا حَمَلۡنَا ذُرِّيَّتَهُمۡ فِي ٱلۡفُلۡكِ ٱلۡمَشۡحُونِ
Ary ny famantarana iray ho azy ireo ihany koa, dia ny nitondranay ny taranak’izy ireo tamin’ny sambofiara feno,
عربي تفسیرونه:
وَخَلَقۡنَا لَهُم مِّن مِّثۡلِهِۦ مَا يَرۡكَبُونَ
Ary dia noharianay mitovy amin’izany izy ireo ka niakatra tao aminy [ tao anatin’ilay sambofiara ].
عربي تفسیرونه:
وَإِن نَّشَأۡ نُغۡرِقۡهُمۡ فَلَا صَرِيخَ لَهُمۡ وَلَا هُمۡ يُنقَذُونَ
Ary raha sitrakay, dia narendrikay izy ireo, ka tsy hisy mpamonjy intsony, ary tsy ho voavonjy mihitsy izy ireo.
عربي تفسیرونه:
إِلَّا رَحۡمَةٗ مِّنَّا وَمَتَٰعًا إِلَىٰ حِينٖ
Raha tsy nohon'ny famindram-po avy Aminay, sy ho fahafinaretana mandritra ny fotoana voafetra.
عربي تفسیرونه:
وَإِذَا قِيلَ لَهُمُ ٱتَّقُواْ مَا بَيۡنَ أَيۡدِيكُمۡ وَمَا خَلۡفَكُمۡ لَعَلَّكُمۡ تُرۡحَمُونَ
Ary raha ilazana izy ireo hoe : “Aoka ianareo hatahotra izay eo anoloanareo, sy izay ao aorianareo, mba hahazoanareo famindram-po. ”.
عربي تفسیرونه:
وَمَا تَأۡتِيهِم مِّنۡ ءَايَةٖ مِّنۡ ءَايَٰتِ رَبِّهِمۡ إِلَّا كَانُواْ عَنۡهَا مُعۡرِضِينَ
Ary tsy misy famantarana tonga teo amin’izy ireo, amin’ireo famantarana avy amin’ny Tompon’izy ireo, afa-tsy hoe: tsy noraharahin’izy ireo izany.
عربي تفسیرونه:
وَإِذَا قِيلَ لَهُمۡ أَنفِقُواْ مِمَّا رَزَقَكُمُ ٱللَّهُ قَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لِلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ أَنُطۡعِمُ مَن لَّوۡ يَشَآءُ ٱللَّهُ أَطۡعَمَهُۥٓ إِنۡ أَنتُمۡ إِلَّا فِي ضَلَٰلٖ مُّبِينٖ
Ary raha tenenina izy ireo hoe : “Manaova fandaniana ianareo amin’ny anjara izay nomen’I Allah anareo”. Dia hilaza amin’ny mpino ireo izay tsy mpino hoe: “Moa ve izahay no hampihinana olona izay azon’I Allah hampihinanina, raha sitrany izany? Tena anatin’ny fahaverezana miharihary tokoa ianareo”.
عربي تفسیرونه:
وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هَٰذَا ٱلۡوَعۡدُ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Ary miteny izy ireo hoe : “ Rahoviana no ho tanteraka izany fampanantenana izany, raha marina tokoa ianareo ? ”.
عربي تفسیرونه:
مَا يَنظُرُونَ إِلَّا صَيۡحَةٗ وَٰحِدَةٗ تَأۡخُذُهُمۡ وَهُمۡ يَخِصِّمُونَ
Tsy miandry raha tsy hiaka tokana ihany izy ireo, izay ho tonga amin’izy ireo, kanefa izy ireo dia mbola ao anatin’ny fifandirana tanteraka.
عربي تفسیرونه:
فَلَا يَسۡتَطِيعُونَ تَوۡصِيَةٗ وَلَآ إِلَىٰٓ أَهۡلِهِمۡ يَرۡجِعُونَ
Tsy afaka hanao didim-pananana intsony izy ireo, na koa hiverina any amin'ny fianakaviany.
عربي تفسیرونه:
وَنُفِخَ فِي ٱلصُّورِ فَإِذَا هُم مِّنَ ٱلۡأَجۡدَاثِ إِلَىٰ رَبِّهِمۡ يَنسِلُونَ
Ary ho tsofina ny trompetra, ka indro fa hivoaka avy ao am-pasana izy ireo, ka ho any amin’ny Tompony,
عربي تفسیرونه:
قَالُواْ يَٰوَيۡلَنَا مَنۢ بَعَثَنَا مِن مَّرۡقَدِنَاۜۗ هَٰذَا مَا وَعَدَ ٱلرَّحۡمَٰنُ وَصَدَقَ ٱلۡمُرۡسَلُونَ
Sady hiteny izy ireo hoe : “ Loza ho anay ! Iza no nampitsangana anay avy tao amin’ny toerana fatorianay ? ”. Izany dia fampanantenan’Ilay be fiantrana, ary marina izay voalazan’ireo Iraka.
عربي تفسیرونه:
إِن كَانَتۡ إِلَّا صَيۡحَةٗ وَٰحِدَةٗ فَإِذَا هُمۡ جَمِيعٞ لَّدَيۡنَا مُحۡضَرُونَ
Tsy hisy raha tsy ny hiaka tokana ihany, dia indro fa hiseho eo anatrehanay izy rehetra.
عربي تفسیرونه:
فَٱلۡيَوۡمَ لَا تُظۡلَمُ نَفۡسٞ شَيۡـٔٗا وَلَا تُجۡزَوۡنَ إِلَّا مَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Amin’izany andro izany, dia tsy hisy ho voambaka mihitsy. Ary tsy hisy valin-kasasarana ho anareo raha tsy araka ny asa izay nataonareo ihany.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: یس
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول