Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: یس   آیت:
۞ وَمَآ أَنزَلۡنَا عَلَىٰ قَوۡمِهِۦ مِنۢ بَعۡدِهِۦ مِن جُندٖ مِّنَ ٱلسَّمَآءِ وَمَا كُنَّا مُنزِلِينَ
Ary tao aoriany, dia tsy nampidina miaramila avy tany an-danitra mihitsy Izahay, ary tsy nampidina na inona na inona tamin’ny vahoakany intsony.
عربي تفسیرونه:
إِن كَانَتۡ إِلَّا صَيۡحَةٗ وَٰحِدَةٗ فَإِذَا هُمۡ خَٰمِدُونَ
Hiaka tokana fotsiny, dia indro fa maty daholo izy ireo.
عربي تفسیرونه:
يَٰحَسۡرَةً عَلَى ٱلۡعِبَادِۚ مَا يَأۡتِيهِم مِّن رَّسُولٍ إِلَّا كَانُواْ بِهِۦ يَسۡتَهۡزِءُونَ
Indrisy ho an’ireo mpanompo ! Tsy nisy Iraka tonga tamin’izy ireo ka tsy novazivaziany.
عربي تفسیرونه:
أَلَمۡ يَرَوۡاْ كَمۡ أَهۡلَكۡنَا قَبۡلَهُم مِّنَ ٱلۡقُرُونِ أَنَّهُمۡ إِلَيۡهِمۡ لَا يَرۡجِعُونَ
Moa tsy hitan’izy ireo ve, fa firifiry ny taranaka teo alohan’izy ireo no naringanay, izay tsy hiverina intsony eo amin’izy ireo mandrakizay ?
عربي تفسیرونه:
وَإِن كُلّٞ لَّمَّا جَمِيعٞ لَّدَيۡنَا مُحۡضَرُونَ
Ary ny rehetra, dia tsy maintsy hiseho avokoa eo anatrehanay, tsy misy ankanavaka.
عربي تفسیرونه:
وَءَايَةٞ لَّهُمُ ٱلۡأَرۡضُ ٱلۡمَيۡتَةُ أَحۡيَيۡنَٰهَا وَأَخۡرَجۡنَا مِنۡهَا حَبّٗا فَمِنۡهُ يَأۡكُلُونَ
Ary porofo iray ho azy ireo dia ny tany izay efa maty omenay aina indray, ka hampitsirinay ny voa izay hohanin’izy ireo
عربي تفسیرونه:
وَجَعَلۡنَا فِيهَا جَنَّٰتٖ مِّن نَّخِيلٖ وَأَعۡنَٰبٖ وَفَجَّرۡنَا فِيهَا مِنَ ٱلۡعُيُونِ
Nasinay zaridaina avy amin’ny hazon'atrendry sy voaloboka ao, ary nasianay loharano miboiboika,
عربي تفسیرونه:
لِيَأۡكُلُواْ مِن ثَمَرِهِۦ وَمَا عَمِلَتۡهُ أَيۡدِيهِمۡۚ أَفَلَا يَشۡكُرُونَ
Mba hihinanan’izy ireo ny voankazony, sy izay vokatry ny asan-tánany. Moa tsy halala hankasitraka ve izy ireo ?
عربي تفسیرونه:
سُبۡحَٰنَ ٱلَّذِي خَلَقَ ٱلۡأَزۡوَٰجَ كُلَّهَا مِمَّا تُنۢبِتُ ٱلۡأَرۡضُ وَمِنۡ أَنفُسِهِمۡ وَمِمَّا لَا يَعۡلَمُونَ
Voninahitra ho an’Ilay nahary ny zavaboary rehetra tsiroaroa avy, izay nampanirian’ny tany, sy avy amin’ny tenan’izy ireo koa, ary avy amin’izay tsy fantatr’izy ireo !
عربي تفسیرونه:
وَءَايَةٞ لَّهُمُ ٱلَّيۡلُ نَسۡلَخُ مِنۡهُ ٱلنَّهَارَ فَإِذَا هُم مُّظۡلِمُونَ
Ary porofo iray ho azy ireo ny alina, esorinay avy aminy ny andro, ka indro izy ireo ao anatin’ny haizina tanteraka,
عربي تفسیرونه:
وَٱلشَّمۡسُ تَجۡرِي لِمُسۡتَقَرّٖ لَّهَاۚ ذَٰلِكَ تَقۡدِيرُ ٱلۡعَزِيزِ ٱلۡعَلِيمِ
Ary ny masoandro dia misosa mankany amin’ny toerana izay natokana ho azy, toy izany no fandaharana nataon’Ilay Tsitoha, Ilay mahalala tanteraka ny zava-drehetra.
عربي تفسیرونه:
وَٱلۡقَمَرَ قَدَّرۡنَٰهُ مَنَازِلَ حَتَّىٰ عَادَ كَٱلۡعُرۡجُونِ ٱلۡقَدِيمِ
Ary ny volana, dia noferanay ny fiovaovany, mandra-piverenany tahaka ny rantsan-kazon'atrendry antitra.
عربي تفسیرونه:
لَا ٱلشَّمۡسُ يَنۢبَغِي لَهَآ أَن تُدۡرِكَ ٱلۡقَمَرَ وَلَا ٱلَّيۡلُ سَابِقُ ٱلنَّهَارِۚ وَكُلّٞ فِي فَلَكٖ يَسۡبَحُونَ
Tsy afaka hahatratra ny volana ny masoandro, na handeha hialoha ny andro ny alina, fa samy misosa amin’ny zotra misy azy avy ny tsirairay.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: یس
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول