Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: قصص   آیت:
۞ وَلَقَدۡ وَصَّلۡنَا لَهُمُ ٱلۡقَوۡلَ لَعَلَّهُمۡ يَتَذَكَّرُونَ
Ary efa novelabelarinay tamin’izy ireo ny teny (Kor’àny), angamba izy ireo hahatsiaro.
عربي تفسیرونه:
ٱلَّذِينَ ءَاتَيۡنَٰهُمُ ٱلۡكِتَٰبَ مِن قَبۡلِهِۦ هُم بِهِۦ يُؤۡمِنُونَ
Ireo izay nomenay ny Boky, talohan’ny (Kor’àny), izy ireo dia mino azy.
عربي تفسیرونه:
وَإِذَا يُتۡلَىٰ عَلَيۡهِمۡ قَالُوٓاْ ءَامَنَّا بِهِۦٓ إِنَّهُ ٱلۡحَقُّ مِن رَّبِّنَآ إِنَّا كُنَّا مِن قَبۡلِهِۦ مُسۡلِمِينَ
Ary raha vakiana amin’izy ireo ny (Kor’àny), dia miteny izy ireo manao hoe : “Mino izany tanteraka izahay, tena marina fa izy io dia avy amin’ny Tomponay, ary izahay talohan’ny nahatongavany dia efa nankato (an’I Allah)”.
عربي تفسیرونه:
أُوْلَٰٓئِكَ يُؤۡتَوۡنَ أَجۡرَهُم مَّرَّتَيۡنِ بِمَا صَبَرُواْ وَيَدۡرَءُونَ بِٱلۡحَسَنَةِ ٱلسَّيِّئَةَ وَمِمَّا رَزَقۡنَٰهُمۡ يُنفِقُونَ
Izy ireny dia ho tolorana ny valisoany in-droa miantoana nohon'ny faharetan’izy ireo, sy mamaly ny ratsy amin’ny alalan’ny tsara izy ireo, ary manao ny asa fandaniana amin’izay nomenay azy izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَإِذَا سَمِعُواْ ٱللَّغۡوَ أَعۡرَضُواْ عَنۡهُ وَقَالُواْ لَنَآ أَعۡمَٰلُنَا وَلَكُمۡ أَعۡمَٰلُكُمۡ سَلَٰمٌ عَلَيۡكُمۡ لَا نَبۡتَغِي ٱلۡجَٰهِلِينَ
Ary rehefa maheno ny zava-tsinontsinoavina izy ireo, dia mitodi-damosina, ka miteny manao hoe : “Ho anay ny asanay, ary ho anareo ny asanareo. Fiadanana anie ho anareo ! Ary tsy mitady ireo bado izahay”.
عربي تفسیرونه:
إِنَّكَ لَا تَهۡدِي مَنۡ أَحۡبَبۡتَ وَلَٰكِنَّ ٱللَّهَ يَهۡدِي مَن يَشَآءُۚ وَهُوَ أَعۡلَمُ بِٱلۡمُهۡتَدِينَ
Tena marina fa ianao (ry Mohammady) dia tsy afaka hitari-dalana izay tianao, fa I Allah kosa no mitari-dalana izay sitrany, ary Izy no tena mahafantatra ireo izay (ho) voatari-dalana.
عربي تفسیرونه:
وَقَالُوٓاْ إِن نَّتَّبِعِ ٱلۡهُدَىٰ مَعَكَ نُتَخَطَّفۡ مِنۡ أَرۡضِنَآۚ أَوَلَمۡ نُمَكِّن لَّهُمۡ حَرَمًا ءَامِنٗا يُجۡبَىٰٓ إِلَيۡهِ ثَمَرَٰتُ كُلِّ شَيۡءٖ رِّزۡقٗا مِّن لَّدُنَّا وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ
Ary nilaza izy ireo nanao hoe : “Raha manaraka ny tari-dalana tsara miaraka aminao izahay, dia ho esorina amin’ny taninay”. Moa tsy napetrakay tamin’ny tany masina, azo antoka ve izy ireo, izay hitondràna ny vokatra isan-karazany ho anjara fanomezana avy aty Aminay ? Fa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra.
عربي تفسیرونه:
وَكَمۡ أَهۡلَكۡنَا مِن قَرۡيَةِۭ بَطِرَتۡ مَعِيشَتَهَاۖ فَتِلۡكَ مَسَٰكِنُهُمۡ لَمۡ تُسۡكَن مِّنۢ بَعۡدِهِمۡ إِلَّا قَلِيلٗاۖ وَكُنَّا نَحۡنُ ٱلۡوَٰرِثِينَ
Ary firifiry moa ny tanàna narendrikay izay tsy nahalala nankasitraka tamin’ny fiainany (nefa ny mponina tao aminy dia niaina tamin’ny fahampiana), fa indro ny toeram-ponenan’izy ireo, tsy nisy nipetraka afa-tsy vitsy an'isa ihany taorian’izy ireo, ary Izahay tokoa no tena Mpandova.
عربي تفسیرونه:
وَمَا كَانَ رَبُّكَ مُهۡلِكَ ٱلۡقُرَىٰ حَتَّىٰ يَبۡعَثَ فِيٓ أُمِّهَا رَسُولٗا يَتۡلُواْ عَلَيۡهِمۡ ءَايَٰتِنَاۚ وَمَا كُنَّا مُهۡلِكِي ٱلۡقُرَىٰٓ إِلَّا وَأَهۡلُهَا ظَٰلِمُونَ
Ary ny Tomponao dia tsy mandringana ireo tanàna mandra-pandefasany Iraka ao amin’ny renivohiny, mba hitory ireo fanambaranay amin’izy ireo. Ary Izahay dia tsy mandringana ireo tanàna raha tsy ny vahoaka ao aminy no mpanao ny tsy rariny.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: قصص
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول