Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: قصص   آیت:
قَالَ إِنَّمَآ أُوتِيتُهُۥ عَلَىٰ عِلۡمٍ عِندِيٓۚ أَوَلَمۡ يَعۡلَمۡ أَنَّ ٱللَّهَ قَدۡ أَهۡلَكَ مِن قَبۡلِهِۦ مِنَ ٱلۡقُرُونِ مَنۡ هُوَ أَشَدُّ مِنۡهُ قُوَّةٗ وَأَكۡثَرُ جَمۡعٗاۚ وَلَا يُسۡـَٔلُ عَن ذُنُوبِهِمُ ٱلۡمُجۡرِمُونَ
Nilaza izy nanao hoe : “Tena marina fa nomena ahy izao, nohon'ny fahalalana izay ananako”. Moa ve tsy fantany fa Allah dia efa nandringana taranaka maro teo alohany, izay matanjaka mihoatra azy amin’ny herim-batana sy manana harena mihoatra ny azy ? Ary tsy hanontaniana ireo mpanao heloka be vava momba ny fahotan’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
فَخَرَجَ عَلَىٰ قَوۡمِهِۦ فِي زِينَتِهِۦۖ قَالَ ٱلَّذِينَ يُرِيدُونَ ٱلۡحَيَوٰةَ ٱلدُّنۡيَا يَٰلَيۡتَ لَنَا مِثۡلَ مَآ أُوتِيَ قَٰرُونُ إِنَّهُۥ لَذُو حَظٍّ عَظِيمٖ
Ka nivoaka teo anatrehan’ny vahoakany izy miaraka amin’ny haingony rehetra. Nilaza ireo izay tia ny fiainana eto an-tany nanao hoe : “Indrisy ! Raha mba nanana mitovy amin’izay nomena an’i Karona izahay. Izy dia tena nanana harena nampitolagaga”.
عربي تفسیرونه:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡعِلۡمَ وَيۡلَكُمۡ ثَوَابُ ٱللَّهِ خَيۡرٞ لِّمَنۡ ءَامَنَ وَعَمِلَ صَٰلِحٗاۚ وَلَا يُلَقَّىٰهَآ إِلَّا ٱلصَّٰبِرُونَ
Ary nilaza ireo izay nomena fahalalana nanao hoe : “Loza ho anareo ! Ny valisoan’I Allah no tena mendrika ho an’izay mino sy manao ny asa soa” Nefa tsy ahazo izany afa-tsy ireo manam-paharetana.
عربي تفسیرونه:
فَخَسَفۡنَا بِهِۦ وَبِدَارِهِ ٱلۡأَرۡضَ فَمَا كَانَ لَهُۥ مِن فِئَةٖ يَنصُرُونَهُۥ مِن دُونِ ٱللَّهِ وَمَا كَانَ مِنَ ٱلۡمُنتَصِرِينَ
Ka nataonay nitelina azy àry ny tany, izy sy ny tranony. Ary tsy nisy vondron’olona na dia iray aza, ankoatr’I Allah, no afaka nanavotra azy, ary tsy anisan’ireo afaka nanavotra ny tenany izy.
عربي تفسیرونه:
وَأَصۡبَحَ ٱلَّذِينَ تَمَنَّوۡاْ مَكَانَهُۥ بِٱلۡأَمۡسِ يَقُولُونَ وَيۡكَأَنَّ ٱللَّهَ يَبۡسُطُ ٱلرِّزۡقَ لِمَن يَشَآءُ مِنۡ عِبَادِهِۦ وَيَقۡدِرُۖ لَوۡلَآ أَن مَّنَّ ٱللَّهُ عَلَيۡنَا لَخَسَفَ بِنَاۖ وَيۡكَأَنَّهُۥ لَا يُفۡلِحُ ٱلۡكَٰفِرُونَ
Ka ireo izay naniry ny toerany (Karona) omaly dia nilaza hoe : “Ha ! Tena marina fa Allah dia nanome an-kalalahana ny anjara amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony, sy mametra (izany). Raha tsy Allah no efa nanao soa anay, dia ho nalentiny tokoa izahay. Ha ! Marina tokoa fa tsy mba mahazo fahombiazana ireo tsy mpino.
عربي تفسیرونه:
تِلۡكَ ٱلدَّارُ ٱلۡأٓخِرَةُ نَجۡعَلُهَا لِلَّذِينَ لَا يُرِيدُونَ عُلُوّٗا فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَا فَسَادٗاۚ وَٱلۡعَٰقِبَةُ لِلۡمُتَّقِينَ
Ny fiainana any ankoatra, dia nataonay ho an’ireo izay tsy mitady fahamboniana eto an-tany, sy tsy manao asa fanimbana. Ary ny fiafarana sambatra dia ho an’ireo izay manam-patahorana.
عربي تفسیرونه:
مَن جَآءَ بِٱلۡحَسَنَةِ فَلَهُۥ خَيۡرٞ مِّنۡهَاۖ وَمَن جَآءَ بِٱلسَّيِّئَةِ فَلَا يُجۡزَى ٱلَّذِينَ عَمِلُواْ ٱلسَّيِّـَٔاتِ إِلَّا مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
N'iza n'iza tonga miaraka amin’ny asa soa, dia ahazo tsara kokoa mihoatra izany izy; ary n'iza n'iza kosa tonga miaraka amin’ny asa ratsy, dia tsy ahazo valiny afa-tsy araka izay nataon’izy ireo ihany.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: قصص
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول