Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: قصص   آیت:
فَلَمَّا جَآءَهُم مُّوسَىٰ بِـَٔايَٰتِنَا بَيِّنَٰتٖ قَالُواْ مَا هَٰذَآ إِلَّا سِحۡرٞ مُّفۡتَرٗى وَمَا سَمِعۡنَا بِهَٰذَا فِيٓ ءَابَآئِنَا ٱلۡأَوَّلِينَ
Rehefa tonga tamin’izy ireo i Mosesy niaraka tamin’ireo famantaranay mazava, dia niteny izy ireo hoe : “Tsy inona ity afa-tsy majika noforonina. Ary tsy mbola naheno izao izahay tamin’ireo razambenay teo aloha”.
عربي تفسیرونه:
وَقَالَ مُوسَىٰ رَبِّيٓ أَعۡلَمُ بِمَن جَآءَ بِٱلۡهُدَىٰ مِنۡ عِندِهِۦ وَمَن تَكُونُ لَهُۥ عَٰقِبَةُ ٱلدَّارِۚ إِنَّهُۥ لَا يُفۡلِحُ ٱلظَّٰلِمُونَ
Ary niteny i Mosesy hoe : “Ny Tompoko no tena mahalala izay tonga miaraka amin’ny tari-dalana avy Aminy, ary ho an’iza ny fonenana farany. Marina fa tsy ahita fahombiazana ireo mpanao ny tsy rariny”.
عربي تفسیرونه:
وَقَالَ فِرۡعَوۡنُ يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡمَلَأُ مَا عَلِمۡتُ لَكُم مِّنۡ إِلَٰهٍ غَيۡرِي فَأَوۡقِدۡ لِي يَٰهَٰمَٰنُ عَلَى ٱلطِّينِ فَٱجۡعَل لِّي صَرۡحٗا لَّعَلِّيٓ أَطَّلِعُ إِلَىٰٓ إِلَٰهِ مُوسَىٰ وَإِنِّي لَأَظُنُّهُۥ مِنَ ٱلۡكَٰذِبِينَ
Ary niteny i Faraona hoe : “Ô ry loholona ! Tsy mahafantatra zanahary hafa ho anareo ankoatra ny tenako aho. Ô ry Hamana ! Hamelomy afo ambonin’ny tany manga aho, avy eo dia hanoreno tilikambo aho, angamba hiakatra aho hatrany amin’ny Zanaharin’i Mosesy, ary tena mihevitra aho fa izy dia anisan’ireo mpandainga”.
عربي تفسیرونه:
وَٱسۡتَكۡبَرَ هُوَ وَجُنُودُهُۥ فِي ٱلۡأَرۡضِ بِغَيۡرِ ٱلۡحَقِّ وَظَنُّوٓاْ أَنَّهُمۡ إِلَيۡنَا لَا يُرۡجَعُونَ
Ary nanambony tena izy sy ny miaramilany teto ambonin’ny tany, tsy amim-pahamarinana. Ary nihevitra tokoa izy ireo fa tsy haverina aty Aminay.
عربي تفسیرونه:
فَأَخَذۡنَٰهُ وَجُنُودَهُۥ فَنَبَذۡنَٰهُمۡ فِي ٱلۡيَمِّۖ فَٱنظُرۡ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلظَّٰلِمِينَ
Ka noraisinay izy sy ny miaramilany, ary natsipinay tao anaty ranomasina. Jereo àry ahoana no fiafaran’ireo mpanao ny tsy rariny.
عربي تفسیرونه:
وَجَعَلۡنَٰهُمۡ أَئِمَّةٗ يَدۡعُونَ إِلَى ٱلنَّارِۖ وَيَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ لَا يُنصَرُونَ
Ary nataonay ho mpitarika miantso mankany amin’ny Afobe izy ireo. Ary amin’ny andron’ny fitsanganana (amin’ny maty) dia tsy avotana izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَأَتۡبَعۡنَٰهُمۡ فِي هَٰذِهِ ٱلدُّنۡيَا لَعۡنَةٗۖ وَيَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ هُم مِّنَ ٱلۡمَقۡبُوحِينَ
Ary nampanarahanay azy ireo, ny ozona eto an-tany. Ary amin’ny andron’ny fitsanganana (amin’ny maty), izy ireo dia ho anisan’ny ratsy indrindra.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَا مُوسَى ٱلۡكِتَٰبَ مِنۢ بَعۡدِ مَآ أَهۡلَكۡنَا ٱلۡقُرُونَ ٱلۡأُولَىٰ بَصَآئِرَ لِلنَّاسِ وَهُدٗى وَرَحۡمَةٗ لَّعَلَّهُمۡ يَتَذَكَّرُونَ
Ary efa nomenay an’i Mosesy ny boky, taorian’ny nandringananay ireo taranaka taloha, ho porofo hita maso ho an’ireo olona, sy ho tari-dàlana ary ho famindram-pò. Angamba ahatsiaro izy ireo.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: قصص
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول