Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: کهف   آیت:
وَدَخَلَ جَنَّتَهُۥ وَهُوَ ظَالِمٞ لِّنَفۡسِهِۦ قَالَ مَآ أَظُنُّ أَن تَبِيدَ هَٰذِهِۦٓ أَبَدٗا
Ary niditra tao amin’ny zaridainy izy ary nanao fahadisoana tamin’ny tenany no sady niteny hoe : “Tsy mieritreritra aho fa ho rava mihitsy ity”.
عربي تفسیرونه:
وَمَآ أَظُنُّ ٱلسَّاعَةَ قَآئِمَةٗ وَلَئِن رُّدِدتُّ إِلَىٰ رَبِّي لَأَجِدَنَّ خَيۡرٗا مِّنۡهَا مُنقَلَبٗا
Ary tsy mieritreritra mihitsy aho fa ho avy ny Ora, ary raha miverina any amin’ny Tompoko aza aho dia tena hahita tsara kokoa noho izao (zaridaina izao) ho takalony.
عربي تفسیرونه:
قَالَ لَهُۥ صَاحِبُهُۥ وَهُوَ يُحَاوِرُهُۥٓ أَكَفَرۡتَ بِٱلَّذِي خَلَقَكَ مِن تُرَابٖ ثُمَّ مِن نُّطۡفَةٖ ثُمَّ سَوَّىٰكَ رَجُلٗا
Niteny azy ilay namany (mpino) teo am-piresahana aminy nanao hoe : “Moa tsy mino Ilay Nahary anao avy amin’ny tany sy (nohariany) amin’ny alalan’ny ranon'aina ary nanao anao ho olombelona ve ianao ?
عربي تفسیرونه:
لَّٰكِنَّا۠ هُوَ ٱللَّهُ رَبِّي وَلَآ أُشۡرِكُ بِرَبِّيٓ أَحَدٗا
Fa kosa, Izy Allah no Tompoko ary tsy hanambatra ny Tompoko na amin’iza na amin’iza aho.
عربي تفسیرونه:
وَلَوۡلَآ إِذۡ دَخَلۡتَ جَنَّتَكَ قُلۡتَ مَا شَآءَ ٱللَّهُ لَا قُوَّةَ إِلَّا بِٱللَّهِۚ إِن تَرَنِ أَنَا۠ أَقَلَّ مِنكَ مَالٗا وَوَلَدٗا
Tamin’ny fotoana nidiranao ny zaridainao, naninona ianao no tsy mba niteny hoe : "Izaho no sitrak’I Allah ! Ary tsy misy hery ka tsy avy amin’I Allah”, rehefa hitanao fa tsy manan-karena sy kely anaka kokoa noho ianao aho.
عربي تفسیرونه:
فَعَسَىٰ رَبِّيٓ أَن يُؤۡتِيَنِ خَيۡرٗا مِّن جَنَّتِكَ وَيُرۡسِلَ عَلَيۡهَا حُسۡبَانٗا مِّنَ ٱلسَّمَآءِ فَتُصۡبِحَ صَعِيدٗا زَلَقًا
Angamba ny Tompoko hanome ahy ny tsara kokoa noho ny zaridainao ary handefa loza (amin’ilay zaridaina) avy eny an-danitra Izy, ka ho lasa tany malama (tsy hamokatra intsony) izy.
عربي تفسیرونه:
أَوۡ يُصۡبِحَ مَآؤُهَا غَوۡرٗا فَلَن تَسۡتَطِيعَ لَهُۥ طَلَبٗا
Na ho lasa ritra ny ranony ka tsy afaka hahatratra izany (rano) intsony ianao.
عربي تفسیرونه:
وَأُحِيطَ بِثَمَرِهِۦ فَأَصۡبَحَ يُقَلِّبُ كَفَّيۡهِ عَلَىٰ مَآ أَنفَقَ فِيهَا وَهِيَ خَاوِيَةٌ عَلَىٰ عُرُوشِهَا وَيَقُولُ يَٰلَيۡتَنِي لَمۡ أُشۡرِكۡ بِرَبِّيٓ أَحَدٗا
Ary potika tokoa ny vokatra nantenainy, ka lasa namadibadika ny tànany izy (nanenina) noho izay efa nisasarany tao, ka indro rava tanteraka hatramin’ny talantalany izany (tanim-boly) ary niteny izy nanao hoe : “Eh ! Tahaka izay aho tsy nanakambana ny Tompoko tamin’iza na iza !"
عربي تفسیرونه:
وَلَمۡ تَكُن لَّهُۥ فِئَةٞ يَنصُرُونَهُۥ مِن دُونِ ٱللَّهِ وَمَا كَانَ مُنتَصِرًا
Ary tsy nisy vondron’olona afaka nanavotra azy ankoatr'I Allah ary tsy afaka nanavotra ny tenany koa izy.
عربي تفسیرونه:
هُنَالِكَ ٱلۡوَلَٰيَةُ لِلَّهِ ٱلۡحَقِّۚ هُوَ خَيۡرٞ ثَوَابٗا وَخَيۡرٌ عُقۡبٗا
Ho setrin’izany, dia an’Allah, Ilay Marina ny fiarovana ambony indrindra. Izy no manome ny valisoa, sy ny vokatra tsara indrindra.
عربي تفسیرونه:
وَٱضۡرِبۡ لَهُم مَّثَلَ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا كَمَآءٍ أَنزَلۡنَٰهُ مِنَ ٱلسَّمَآءِ فَٱخۡتَلَطَ بِهِۦ نَبَاتُ ٱلۡأَرۡضِ فَأَصۡبَحَ هَشِيمٗا تَذۡرُوهُ ٱلرِّيَٰحُۗ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ مُّقۡتَدِرًا
Ary anaovy fanoharana izy ireo (ry Mohamady) amin’ny fiainana eto an-tany : tahaka ny rano izay nampidininay avy any an-danitra; ka mifangaro aminy (rano) ny zava-manirin’ny tany, avy eo dia lasa ahitra maina izay aparitaky ny rivotra. Ary Allah dia mahery amin’ny zava-drehetra.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: کهف
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول