Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: کهف   آیت:
قَالَ هَٰذَا رَحۡمَةٞ مِّن رَّبِّيۖ فَإِذَا جَآءَ وَعۡدُ رَبِّي جَعَلَهُۥ دَكَّآءَۖ وَكَانَ وَعۡدُ رَبِّي حَقّٗا
Niteny izy ka nanao hoe :“ Indrafo avy amin’ny Tompoko izao ”. Nefa rehefa ho tonga ilay fampanantenan’ny Tompoko, dia ataony ho tany lemaka izany. Ary marina ny fampanantenan’ny Tompoko ”.
عربي تفسیرونه:
۞ وَتَرَكۡنَا بَعۡضَهُمۡ يَوۡمَئِذٖ يَمُوجُ فِي بَعۡضٖۖ وَنُفِخَ فِي ٱلصُّورِ فَجَمَعۡنَٰهُمۡ جَمۡعٗا
Amin’izany Andro izany dia havelanay hifandona tahaka ireo onja izy ireo, dia hotsofinay ny Trompetra (Anjomara) ary havorinay izy rehetra (zavaboary)
عربي تفسیرونه:
وَعَرَضۡنَا جَهَنَّمَ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡكَٰفِرِينَ عَرۡضًا
Ary amin’izany Andro izany dia asehonay akaikin’ireo tsy mpino ny Afobe (Djahanam).
عربي تفسیرونه:
ٱلَّذِينَ كَانَتۡ أَعۡيُنُهُمۡ فِي غِطَآءٍ عَن ذِكۡرِي وَكَانُواْ لَا يَسۡتَطِيعُونَ سَمۡعًا
Dia ireo izay voasarona ny mason’izy ireo ka voasakana tsy hieritreritra Ahy, ary tsy afaka mandre na inona na inona izy ireo.
عربي تفسیرونه:
أَفَحَسِبَ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ أَن يَتَّخِذُواْ عِبَادِي مِن دُونِيٓ أَوۡلِيَآءَۚ إِنَّآ أَعۡتَدۡنَا جَهَنَّمَ لِلۡكَٰفِرِينَ نُزُلٗا
Moa ve mihevitra ireo izay tsy mino, fa afaka handray ireo mpanompoko ho Mpiahy ankoatra Ahy ? Tena marina fa nomaninay ny Afobe ho fonenan’ireo tsy mpino.
عربي تفسیرونه:
قُلۡ هَلۡ نُنَبِّئُكُم بِٱلۡأَخۡسَرِينَ أَعۡمَٰلًا
Teneno hoe : “ Moa ve hampahafantarinay Anareo izay tena maty antoka indrindra amin’ireo asany ?
عربي تفسیرونه:
ٱلَّذِينَ ضَلَّ سَعۡيُهُمۡ فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا وَهُمۡ يَحۡسَبُونَ أَنَّهُمۡ يُحۡسِنُونَ صُنۡعًا
Ireo izay nandany ny fihezahany tamin’ny fiainana teto an-tany, dia very làlana, nefa mihevitra izy ireo fa manao asa tsara !
عربي تفسیرونه:
أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِـَٔايَٰتِ رَبِّهِمۡ وَلِقَآئِهِۦ فَحَبِطَتۡ أَعۡمَٰلُهُمۡ فَلَا نُقِيمُ لَهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ وَزۡنٗا
Izy ireny izay mitsipaka ireo famatarana avy amin’ny Tompony, sy ny fihaonana Amin'i Allah. Ka dia ho foana ny asan’izy ireo ”. Tsy omenay lanja na dia kely aza amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty) izy ireo.
عربي تفسیرونه:
ذَٰلِكَ جَزَآؤُهُمۡ جَهَنَّمُ بِمَا كَفَرُواْ وَٱتَّخَذُوٓاْ ءَايَٰتِي وَرُسُلِي هُزُوًا
Noho izany dia ny Afobe no valin’ny asan’izy ireo, satria tsy nino sy nanao vazivazy ireo famantarako sy ireo Irako (mpaminany).
عربي تفسیرونه:
إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ كَانَتۡ لَهُمۡ جَنَّٰتُ ٱلۡفِرۡدَوۡسِ نُزُلًا
Marina fa ireo izay mino sy manao asa soa dia ny Paradisa ny “Firdaosy” no fonenan’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
خَٰلِدِينَ فِيهَا لَا يَبۡغُونَ عَنۡهَا حِوَلٗا
Ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo, ka tsy haniry fanovana na dia kely aza.
عربي تفسیرونه:
قُل لَّوۡ كَانَ ٱلۡبَحۡرُ مِدَادٗا لِّكَلِمَٰتِ رَبِّي لَنَفِدَ ٱلۡبَحۡرُ قَبۡلَ أَن تَنفَدَ كَلِمَٰتُ رَبِّي وَلَوۡ جِئۡنَا بِمِثۡلِهِۦ مَدَدٗا
Teneno hoe: “ Raha ny ranomasina no ranomainty hanoratana ireo tenin’ny Tompoko, dia ho ritra izany mialoha ny hahataperan’ireo tenin’ny Tompoko, na dia ampinay mitovy amin’izany koa aza ”.
عربي تفسیرونه:
قُلۡ إِنَّمَآ أَنَا۠ بَشَرٞ مِّثۡلُكُمۡ يُوحَىٰٓ إِلَيَّ أَنَّمَآ إِلَٰهُكُمۡ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞۖ فَمَن كَانَ يَرۡجُواْ لِقَآءَ رَبِّهِۦ فَلۡيَعۡمَلۡ عَمَلٗا صَٰلِحٗا وَلَا يُشۡرِكۡ بِعِبَادَةِ رَبِّهِۦٓ أَحَدَۢا
Teneno hoe : “ Izaho dia tena Olombelona tahaka Anareo ihany koa. Nanambara tamiko Izy, fa ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana ! Koa na iza na iza manantena ny hihaona amin’ny Tompony, dia aoka Izy hanao asa soa; ary aoka tsy hampikambana zavatra hafa amin’ny Tompony, amin’ny fanompoana Azy.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: کهف
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول