Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: کهف   آیت:
إِنَّا مَكَّنَّا لَهُۥ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَءَاتَيۡنَٰهُ مِن كُلِّ شَيۡءٖ سَبَبٗا
Marina fa nohamafisinay ny fahefany teto an-tany, ary nomenay falalahana amin’ny zava-drehetra Izy.
عربي تفسیرونه:
فَأَتۡبَعَ سَبَبًا
Ary dia nanaraka làlana iray Izy.
عربي تفسیرونه:
حَتَّىٰٓ إِذَا بَلَغَ مَغۡرِبَ ٱلشَّمۡسِ وَجَدَهَا تَغۡرُبُ فِي عَيۡنٍ حَمِئَةٖ وَوَجَدَ عِندَهَا قَوۡمٗاۖ قُلۡنَا يَٰذَا ٱلۡقَرۡنَيۡنِ إِمَّآ أَن تُعَذِّبَ وَإِمَّآ أَن تَتَّخِذَ فِيهِمۡ حُسۡنٗا
Ary nony tany amin’ny filentehan’ny masoandro (andrefana) Izy, dia tazany fa milentika amin’ny loharano feno fotaka izany, ary nahita vahoaka teo akaikiny (loharano) Izy. Niteny Izahay ka nanao hoe: “ O ! Żol-Karnainy, Na ianao hanasazy azy ireo na hanao soa azy ireo”.
عربي تفسیرونه:
قَالَ أَمَّا مَن ظَلَمَ فَسَوۡفَ نُعَذِّبُهُۥ ثُمَّ يُرَدُّ إِلَىٰ رَبِّهِۦ فَيُعَذِّبُهُۥ عَذَابٗا نُّكۡرٗا
Niteny izy (Zol-Karnainy) hoe : ” Fa izay manao ny tsy rariny dia ho sazinay izy, avy eo dia haverina any amin’ny Tompony dia ho faizinay amin’ny famaizana mahatsiravina.
عربي تفسیرونه:
وَأَمَّا مَنۡ ءَامَنَ وَعَمِلَ صَٰلِحٗا فَلَهُۥ جَزَآءً ٱلۡحُسۡنَىٰۖ وَسَنَقُولُ لَهُۥ مِنۡ أَمۡرِنَا يُسۡرٗا
Fa izay mino sy manao asa soa kosa, dia ho Azy ny valisoa tsara indrindra. Ary ho teneninay Aminy ireo didy mora tanterahina.
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ أَتۡبَعَ سَبَبًا
Avy eo dia nanaraka làlana iray hafa Izy.
عربي تفسیرونه:
حَتَّىٰٓ إِذَا بَلَغَ مَطۡلِعَ ٱلشَّمۡسِ وَجَدَهَا تَطۡلُعُ عَلَىٰ قَوۡمٖ لَّمۡ نَجۡعَل لَّهُم مِّن دُونِهَا سِتۡرٗا
Ary nony tany amin’ny fiposahan’ny masoandro (antsinanana) Izy, dia tazany fa miposaka izany teo ambonin’ny vahoaka, izay tsy nasianay voaly (sarondoa) ho fiarovana azy ireo amin’ny masoandro.
عربي تفسیرونه:
كَذَٰلِكَۖ وَقَدۡ أَحَطۡنَا بِمَا لَدَيۡهِ خُبۡرٗا
Tahaka izany no niseho ary nofehezinay tamin’ny fahalalana izay nananany.
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ أَتۡبَعَ سَبَبًا
Avy eo dia nanaraka làlana iray hafa Izy.
عربي تفسیرونه:
حَتَّىٰٓ إِذَا بَلَغَ بَيۡنَ ٱلسَّدَّيۡنِ وَجَدَ مِن دُونِهِمَا قَوۡمٗا لَّا يَكَادُونَ يَفۡقَهُونَ قَوۡلٗا
Ary nony tany amin’ny toerana iray, izay eo anelanelan’ny sakana roa (tendrombohitra roa) Izy, dia nahita vahoaka tao ambadik’izany, izay saika tsy mahazo fiteny hafa.
عربي تفسیرونه:
قَالُواْ يَٰذَا ٱلۡقَرۡنَيۡنِ إِنَّ يَأۡجُوجَ وَمَأۡجُوجَ مُفۡسِدُونَ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَهَلۡ نَجۡعَلُ لَكَ خَرۡجًا عَلَىٰٓ أَن تَجۡعَلَ بَيۡنَنَا وَبَيۡنَهُمۡ سَدّٗا
Niteny izy ireo ka nanao hoe: “ O ! Ry Zol-karnainy, marina fa Yajojo (yagoga) sy Majojo (magoga) dia mpanao asa fanimbana eto an-tany, Moa ve azonay atao ny manome ampahan-karena mba hanangananao fefy mampisarakanay sy izy ireo ”.
عربي تفسیرونه:
قَالَ مَا مَكَّنِّي فِيهِ رَبِّي خَيۡرٞ فَأَعِينُونِي بِقُوَّةٍ أَجۡعَلۡ بَيۡنَكُمۡ وَبَيۡنَهُمۡ رَدۡمًا
Niteny izy (Zol-karnainy) ka nanao hoe :” Izay nomen’ny Tompoko Ahy dia tsara lavitra (noho) izay omenareo. Ampionareo àry Aho amin’ny alalan’ny herinareo, hananganana fefy eo anelanelanareo sy izy ireo.
عربي تفسیرونه:
ءَاتُونِي زُبَرَ ٱلۡحَدِيدِۖ حَتَّىٰٓ إِذَا سَاوَىٰ بَيۡنَ ٱلصَّدَفَيۡنِ قَالَ ٱنفُخُواْۖ حَتَّىٰٓ إِذَا جَعَلَهُۥ نَارٗا قَالَ ءَاتُونِيٓ أُفۡرِغۡ عَلَيۡهِ قِطۡرٗا
Hitondranareo fonjam-by aho ”. Ary avy eo rehefa feno ny toerana manelanelana ny tendrombohitra roa dia niteny izy hoe : “Tsofinareo ! ” ka rehefa lasa hainafo izany, dia niteny izy hoe : “Itondranareo varahina voa empo aho, izay ararako eo amboniny.
عربي تفسیرونه:
فَمَا ٱسۡطَٰعُوٓاْ أَن يَظۡهَرُوهُ وَمَا ٱسۡتَطَٰعُواْ لَهُۥ نَقۡبٗا
Noho izany dia tsy afaka hianika izany mihitsy izy ireo ary tsy afaka hanimba izany.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: کهف
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول