Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഫുർഖാൻ   ആയത്ത്:
۞ وَقَالَ ٱلَّذِينَ لَا يَرۡجُونَ لِقَآءَنَا لَوۡلَآ أُنزِلَ عَلَيۡنَا ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ أَوۡ نَرَىٰ رَبَّنَاۗ لَقَدِ ٱسۡتَكۡبَرُواْ فِيٓ أَنفُسِهِمۡ وَعَتَوۡ عُتُوّٗا كَبِيرٗا
Ary niteny ireo izay tsy manantena ny fihaonana Aminay hoe: “Raha mba nampidinina taminay ireo Anjely, na mba nahita ny Tomponay izahay!”. Tena efa nanambony ny tenany izy ireo, ary nihoa-pefy mihitsy tamin’ny fiavonana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يَوۡمَ يَرَوۡنَ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةَ لَا بُشۡرَىٰ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُجۡرِمِينَ وَيَقُولُونَ حِجۡرٗا مَّحۡجُورٗا
Ny Andro izay hahitan’izy ireo, ireo Anjely, dia tsy hisy vaovao mahafaly amin’izany andro izany, ho an’ireo mpanao heloka be vava, ary hiteny izy ireo (Anjely) hoe : “ Voasakana, tena tsy azonareo hidirana tanteraka ! ”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَقَدِمۡنَآ إِلَىٰ مَا عَمِلُواْ مِنۡ عَمَلٖ فَجَعَلۡنَٰهُ هَبَآءٗ مَّنثُورًا
Ary tonga nijery ny asa izay nataon’izy ireo Izahay, ka nataonay ho vovoka miparitaka izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَصۡحَٰبُ ٱلۡجَنَّةِ يَوۡمَئِذٍ خَيۡرٞ مُّسۡتَقَرّٗا وَأَحۡسَنُ مَقِيلٗا
Ireo olon’ny paradisa, amin’izany andro izany, dia eo amin’ny toerana mendrika indrindra, sy amin’ny toeram-pialan-tsasatra tsara indrindra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَيَوۡمَ تَشَقَّقُ ٱلسَّمَآءُ بِٱلۡغَمَٰمِ وَنُزِّلَ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ تَنزِيلًا
Ary ny Andro izay hampitresaka ny lanitra amin’ny alalan’ireo rahona, sy hampidinana tokoa ireo Anjely.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ٱلۡمُلۡكُ يَوۡمَئِذٍ ٱلۡحَقُّ لِلرَّحۡمَٰنِۚ وَكَانَ يَوۡمًا عَلَى ٱلۡكَٰفِرِينَ عَسِيرٗا
Amin’izany andro izany, ny tena fanjakana marina dia an’Ilay be Fiantrana, ary tena ho andro sarotra ho an’ireo tsy mpino.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَيَوۡمَ يَعَضُّ ٱلظَّالِمُ عَلَىٰ يَدَيۡهِ يَقُولُ يَٰلَيۡتَنِي ٱتَّخَذۡتُ مَعَ ٱلرَّسُولِ سَبِيلٗا
Ny andro izay hanaikeran’ny mpanao ny tsy rariny ny tanany roa, ka hiteny izy hoe : “Indrisy ! Raha mba niara-dalana tamin’ilay Iraka mantsy aho !”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يَٰوَيۡلَتَىٰ لَيۡتَنِي لَمۡ أَتَّخِذۡ فُلَانًا خَلِيلٗا
Loza ho ahy ! Indrisy ! Raha tsy mba naka olona ho sakaiza mantsy aho !
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَّقَدۡ أَضَلَّنِي عَنِ ٱلذِّكۡرِ بَعۡدَ إِذۡ جَآءَنِيۗ وَكَانَ ٱلشَّيۡطَٰنُ لِلۡإِنسَٰنِ خَذُولٗا
Tena marina fa nanary ahy lavitry ny fampatsiahivana izy, taorian’ny nahatongavan’izany (fampatsiahivana) tamiko. Ary satana dia mpamadika ny olombelona.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَقَالَ ٱلرَّسُولُ يَٰرَبِّ إِنَّ قَوۡمِي ٱتَّخَذُواْ هَٰذَا ٱلۡقُرۡءَانَ مَهۡجُورٗا
Ary niteny ilay Iraka hoe : “Tompo ô ! Marina fa ny vahoakako dia nandray ity Kor’any ity ho zavatra tsinontsinona.”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَكَذَٰلِكَ جَعَلۡنَا لِكُلِّ نَبِيٍّ عَدُوّٗا مِّنَ ٱلۡمُجۡرِمِينَۗ وَكَفَىٰ بِرَبِّكَ هَادِيٗا وَنَصِيرٗا
Ary tahaka izany no nanaovanay ireo mpaminany tsirairay avy, fahavalo avy amin’ireo mpanao heloka bevava. Ary ampy ho Mpanitsy sy Mpanavotra ny Tomponao.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَوۡلَا نُزِّلَ عَلَيۡهِ ٱلۡقُرۡءَانُ جُمۡلَةٗ وَٰحِدَةٗۚ كَذَٰلِكَ لِنُثَبِّتَ بِهِۦ فُؤَادَكَۖ وَرَتَّلۡنَٰهُ تَرۡتِيلٗا
Ary niteny ireo izay tsy nino hoe : “Nahoana no tsy nampidinina taminy indray mandeha monja ny Kor’any ?” Tahaka izany (no nampidinanay tsikelikely ny Kor’any) mba hanamafisanay amin’ny alalan’ izany, ny fonao, ary novakinay amim-pikaliana izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഫുർഖാൻ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക