Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഫുർഖാൻ   ആയത്ത്:
إِذَا رَأَتۡهُم مِّن مَّكَانِۭ بَعِيدٖ سَمِعُواْ لَهَا تَغَيُّظٗا وَزَفِيرٗا
Rehefa mahatazana azy ireo avy amin’ny toerana lavitra izy (afo), dia maheno ny fahatezerany sy ny firefodrefony izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَإِذَآ أُلۡقُواْ مِنۡهَا مَكَانٗا ضَيِّقٗا مُّقَرَّنِينَ دَعَوۡاْ هُنَالِكَ ثُبُورٗا
Ary raha atoraka ao aminy izy ireo, amin’ny toerana tery, ary ny tanany roa mifatotra aorian’ny vozony, dia mangataka ny fanapotehana tanteraka ny tenany izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَّا تَدۡعُواْ ٱلۡيَوۡمَ ثُبُورٗا وَٰحِدٗا وَٱدۡعُواْ ثُبُورٗا كَثِيرٗا
Aoka tsy hangataka fanapotehana indray mandeha fotsiny ianareo androany, fa mangataha kosa fanapotehana im-betsaka.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قُلۡ أَذَٰلِكَ خَيۡرٌ أَمۡ جَنَّةُ ٱلۡخُلۡدِ ٱلَّتِي وُعِدَ ٱلۡمُتَّقُونَۚ كَانَتۡ لَهُمۡ جَزَآءٗ وَمَصِيرٗا
Teneno hoe : “Moa ve izao no tsara, sa ny Paradisa mandrakizay izay nampanantenaina ireo izay manam-patahorana ho valisoa sy toeram-piafarana ?”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَّهُمۡ فِيهَا مَا يَشَآءُونَ خَٰلِدِينَۚ كَانَ عَلَىٰ رَبِّكَ وَعۡدٗا مَّسۡـُٔولٗا
Hahazo izay rehetra iriny ao izy ireo, sy hitoetra ao mandrakizay. Izany no fampanantenana izay andraikitry ny Tomponao ny manatanteraka azy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَيَوۡمَ يَحۡشُرُهُمۡ وَمَا يَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ فَيَقُولُ ءَأَنتُمۡ أَضۡلَلۡتُمۡ عِبَادِي هَٰٓؤُلَآءِ أَمۡ هُمۡ ضَلُّواْ ٱلسَّبِيلَ
Ary ny Andro izay hanangonany azy ireo, sy izay tompoin’izy ireo ankoatr’I Allah dia hiteny Izy hoe : “Moa ve ianareo no nanary ireo mpanompoko ireo, sa izy ireo ihany no very lalana ?”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قَالُواْ سُبۡحَٰنَكَ مَا كَانَ يَنۢبَغِي لَنَآ أَن نَّتَّخِذَ مِن دُونِكَ مِنۡ أَوۡلِيَآءَ وَلَٰكِن مَّتَّعۡتَهُمۡ وَءَابَآءَهُمۡ حَتَّىٰ نَسُواْ ٱلذِّكۡرَ وَكَانُواْ قَوۡمَۢا بُورٗا
Hiteny izy ireo hoe : “Voninahitra anie ho Anao ! Tsy mendrika ho anay ny haka mpiahy hafa ankoatra Anao, nefa nomenao fahafinaretana kosa izy ireo sy ireo razambeny, ka nahatonga azy ireo nanadino ny Fampahatsiarovana. Ary izy ireo dia vahoaka very”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَقَدۡ كَذَّبُوكُم بِمَا تَقُولُونَ فَمَا تَسۡتَطِيعُونَ صَرۡفٗا وَلَا نَصۡرٗاۚ وَمَن يَظۡلِم مِّنكُمۡ نُذِقۡهُ عَذَابٗا كَبِيرٗا
Ary efa nilaza anareo ho mpandainga izy ireo amin’izay noteneninareo. Ka tsy afaka hahita fandosirana na fanavotana ianareo. Ary na iza na iza aminareo manao ny tsy rariny, dia hapanandramanay azy ny famaizana lehibe.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمَآ أَرۡسَلۡنَا قَبۡلَكَ مِنَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ إِلَّآ إِنَّهُمۡ لَيَأۡكُلُونَ ٱلطَّعَامَ وَيَمۡشُونَ فِي ٱلۡأَسۡوَاقِۗ وَجَعَلۡنَا بَعۡضَكُمۡ لِبَعۡضٖ فِتۡنَةً أَتَصۡبِرُونَۗ وَكَانَ رَبُّكَ بَصِيرٗا
Ary tsy nandefa Iraka Izahay talohanao ka tsy nihinana sakafo sy tsy nandeha teny an-tsena. Ary ny sasany aminareo dia nataonay fitsapana ho an'ny sasany, Moa manam-paharetana va ianareo? Fa ny Tomponao dia mahita ny zava-drehetra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഫുർഖാൻ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക