Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഫുർഖാൻ   ആയത്ത്:
وَٱتَّخَذُواْ مِن دُونِهِۦٓ ءَالِهَةٗ لَّا يَخۡلُقُونَ شَيۡـٔٗا وَهُمۡ يُخۡلَقُونَ وَلَا يَمۡلِكُونَ لِأَنفُسِهِمۡ ضَرّٗا وَلَا نَفۡعٗا وَلَا يَمۡلِكُونَ مَوۡتٗا وَلَا حَيَوٰةٗ وَلَا نُشُورٗا
Ary nandray tompo hafa ankoatra Azy izy ireo, izay tsy mahary na inona na inona, fa noharian'izy ireo, sy tsy manana fahefana hanao na ny ratsy na ny tsara ho an’ny tenany izy ireo; ary tsy tompon’ny fahafatesana, na ny fahavelomana na ny fitsanganana amin’ny maty ihany koa izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّآ إِفۡكٌ ٱفۡتَرَىٰهُ وَأَعَانَهُۥ عَلَيۡهِ قَوۡمٌ ءَاخَرُونَۖ فَقَدۡ جَآءُو ظُلۡمٗا وَزُورٗا
Ary niteny ireo izay tsy nino hoe : “Tsy inona akory ity afa-tsy lainga noforonon'i (Mohammad) ary nanampy azy tamin’izany ireo vahoaka hafa”. Nefa izy ireo no nahavita ny tsy rariny sy ny lainga.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَقَالُوٓاْ أَسَٰطِيرُ ٱلۡأَوَّلِينَ ٱكۡتَتَبَهَا فَهِيَ تُمۡلَىٰ عَلَيۡهِ بُكۡرَةٗ وَأَصِيلٗا
Ary niteny izy ireo hoe : "Anganon’ireo Ntaolo fahiny izay nampanoratiny izany ! Ka tononina aminy maraina sy hariva”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
قُلۡ أَنزَلَهُ ٱلَّذِي يَعۡلَمُ ٱلسِّرَّ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ إِنَّهُۥ كَانَ غَفُورٗا رَّحِيمٗا
Teneno hoe : “Nampidina izany Ilay Mahalala ireo zava-miafina ao amin’ireo lanitra sy ny tany. Ary Izy dia be Famelan-keloka sy be Indrafo”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَقَالُواْ مَالِ هَٰذَا ٱلرَّسُولِ يَأۡكُلُ ٱلطَّعَامَ وَيَمۡشِي فِي ٱلۡأَسۡوَاقِ لَوۡلَآ أُنزِلَ إِلَيۡهِ مَلَكٞ فَيَكُونَ مَعَهُۥ نَذِيرًا
Ary niteny izy ireo hoe : “Fa inona àry ity iraka ity izay mihinana sakafo, sy mandehandeha eny amin’ireo tsena ? Nahoana àry no tsy mba nisy Anjely iray nampidinina taminy mba ho mpampitandrina miaraka aminy ?”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَوۡ يُلۡقَىٰٓ إِلَيۡهِ كَنزٌ أَوۡ تَكُونُ لَهُۥ جَنَّةٞ يَأۡكُلُ مِنۡهَاۚ وَقَالَ ٱلظَّٰلِمُونَ إِن تَتَّبِعُونَ إِلَّا رَجُلٗا مَّسۡحُورًا
Na koa nisy harena sarobidy natoraka teo aminy na manana zaridaina ho azy izy, ka amin’izany no hihinanany ? Ary niteny ireo mpanao ny tsy rariny hoe : “Ianareo dia tsy manaraka afa-tsy lehilahy voan’ny mosavy !”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ٱنظُرۡ كَيۡفَ ضَرَبُواْ لَكَ ٱلۡأَمۡثَٰلَ فَضَلُّواْ فَلَا يَسۡتَطِيعُونَ سَبِيلٗا
Jereo ! Tahaka ny ahoana ireo fanoharana ataon’izy ireo momba anao, very izy ireo.Tsy afa-mahita lalana mihintsy izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
تَبَارَكَ ٱلَّذِيٓ إِن شَآءَ جَعَلَ لَكَ خَيۡرٗا مِّن ذَٰلِكَ جَنَّٰتٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ وَيَجۡعَل لَّكَ قُصُورَۢا
Ankalazaina anie ny halehibeny, Ilay Tompo Allah, raha sitrany, mbola hanome anao tsara kokoa noho izany dia: Ireo zaridaina, misy ireo renirano mikoriana eo ambaniny ary hanome lapa maro ho anao Izy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
بَلۡ كَذَّبُواْ بِٱلسَّاعَةِۖ وَأَعۡتَدۡنَا لِمَن كَذَّبَ بِٱلسَّاعَةِ سَعِيرًا
Nefa nolazain’izy ireo ho lainga ilay Ora, ary Izahay dia efa nanomana afo mandoro ho an’izay nilaza ilay Ora ho lainga.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഫുർഖാൻ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക