Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់មូសហ្សាំមិល   វាក្យខណ្ឌ:

Al-mozzammil

يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡمُزَّمِّلُ
Fa ianao, ilay misaron-damba !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قُمِ ٱلَّيۡلَ إِلَّا قَلِيلٗا
Mitsangàna ianao mandritry ny alina afa-tsy amin'ny ampahany kely ihany .
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
نِّصۡفَهُۥٓ أَوِ ٱنقُصۡ مِنۡهُ قَلِيلًا
Ny antsasany na alatsaho kely noho izany .
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَوۡ زِدۡ عَلَيۡهِ وَرَتِّلِ ٱلۡقُرۡءَانَ تَرۡتِيلًا
Na ampitomboy kely ary vakio miadana sady mazava ny koroany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّا سَنُلۡقِي عَلَيۡكَ قَوۡلٗا ثَقِيلًا
Fa hanambara teny manan-danja aminao izahay.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ نَاشِئَةَ ٱلَّيۡلِ هِيَ أَشَدُّ وَطۡـٔٗا وَأَقۡوَمُ قِيلًا
Mety kokoa ny vavaka amin'ny alina sady mifanaraka amin'ny vakiteny.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ لَكَ فِي ٱلنَّهَارِ سَبۡحٗا طَوِيلٗا
Fa manana andraikitra maharitra ianao, mandritra ny andro.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱذۡكُرِ ٱسۡمَ رَبِّكَ وَتَبَتَّلۡ إِلَيۡهِ تَبۡتِيلٗا
Koa tsarovy ny anaran'ny Tomponao, ary manokàna tena tanteraka Aminy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
رَّبُّ ٱلۡمَشۡرِقِ وَٱلۡمَغۡرِبِ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ فَٱتَّخِذۡهُ وَكِيلٗا
Ilay Tompon'ny fiposahana sy ny filentehana. Tsy misy Tompo hafa, afa-tsy Izy. Koa ataovy mpihay anao ary Izy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱصۡبِرۡ عَلَىٰ مَا يَقُولُونَ وَٱهۡجُرۡهُمۡ هَجۡرٗا جَمِيلٗا
Ary hiareto izay tenenin'izy ireo ary miataha aminy amim-pahamendrehana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَذَرۡنِي وَٱلۡمُكَذِّبِينَ أُوْلِي ٱلنَّعۡمَةِ وَمَهِّلۡهُمۡ قَلِيلًا
Ary avelao aho hiaraka amin'ireo mpiampanga lainga, izay mihaina ao anatin'ny fiadanana ; ary omeo fe-potoana fohy izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ لَدَيۡنَآ أَنكَالٗا وَجَحِيمٗا
Ny tena marina dia manana rojo vy mavesatra sy afobe ho azy ireo Izahay.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَطَعَامٗا ذَا غُصَّةٖ وَعَذَابًا أَلِيمٗا
Ary sakafo mahasempotra sy famaizana mamirifiry.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَوۡمَ تَرۡجُفُ ٱلۡأَرۡضُ وَٱلۡجِبَالُ وَكَانَتِ ٱلۡجِبَالُ كَثِيبٗا مَّهِيلًا
Amin'ny andro hampihorohoro ny tany sy ny tendrombohitra, ka hiparitahan'ny tendrombohitra ho toy ny vondro-pasika.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّآ أَرۡسَلۡنَآ إِلَيۡكُمۡ رَسُولٗا شَٰهِدًا عَلَيۡكُمۡ كَمَآ أَرۡسَلۡنَآ إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ رَسُولٗا
Nandefa Iraka taminareo tokoa Izahay mba ho vavolombelona hanohitra anareo, tahaky ny nandefasanay Iraka tamin'i Faraona.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَعَصَىٰ فِرۡعَوۡنُ ٱلرَّسُولَ فَأَخَذۡنَٰهُ أَخۡذٗا وَبِيلٗا
Nefa tsy nankato ny Iraka i Faraona ka nosazinay mafy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَكَيۡفَ تَتَّقُونَ إِن كَفَرۡتُمۡ يَوۡمٗا يَجۡعَلُ ٱلۡوِلۡدَٰنَ شِيبًا
Ahoana no hiarovanareo tena raha tsy mino ianareo amin'ilay andro hahatonga ny zaza ho tahaky ny lahy antitra fotsy volo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ٱلسَّمَآءُ مُنفَطِرُۢ بِهِۦۚ كَانَ وَعۡدُهُۥ مَفۡعُولًا
Hampitresaka ny lanitra.Tsy hisalasalana fa ho tanteraka ny fampanantenany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ هَٰذِهِۦ تَذۡكِرَةٞۖ فَمَن شَآءَ ٱتَّخَذَ إِلَىٰ رَبِّهِۦ سَبِيلًا
Tena fampatsiahivana marina ity. Koa aoka handeha amin'ny lalana mankany amin'ny Tompony izay tia izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
۞ إِنَّ رَبَّكَ يَعۡلَمُ أَنَّكَ تَقُومُ أَدۡنَىٰ مِن ثُلُثَيِ ٱلَّيۡلِ وَنِصۡفَهُۥ وَثُلُثَهُۥ وَطَآئِفَةٞ مِّنَ ٱلَّذِينَ مَعَكَۚ وَٱللَّهُ يُقَدِّرُ ٱلَّيۡلَ وَٱلنَّهَارَۚ عَلِمَ أَن لَّن تُحۡصُوهُ فَتَابَ عَلَيۡكُمۡۖ فَٱقۡرَءُواْ مَا تَيَسَّرَ مِنَ ٱلۡقُرۡءَانِۚ عَلِمَ أَن سَيَكُونُ مِنكُم مَّرۡضَىٰ وَءَاخَرُونَ يَضۡرِبُونَ فِي ٱلۡأَرۡضِ يَبۡتَغُونَ مِن فَضۡلِ ٱللَّهِ وَءَاخَرُونَ يُقَٰتِلُونَ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِۖ فَٱقۡرَءُواْ مَا تَيَسَّرَ مِنۡهُۚ وَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتُواْ ٱلزَّكَوٰةَ وَأَقۡرِضُواْ ٱللَّهَ قَرۡضًا حَسَنٗاۚ وَمَا تُقَدِّمُواْ لِأَنفُسِكُم مِّنۡ خَيۡرٖ تَجِدُوهُ عِندَ ٱللَّهِ هُوَ خَيۡرٗا وَأَعۡظَمَ أَجۡرٗاۚ وَٱسۡتَغۡفِرُواْ ٱللَّهَۖ إِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمُۢ
Fantatry ny Tomponao tokoa, fa mitsangana mandritra ny roa ampahatelon'ny alina ianao, na ny antsasany, na ny ampahatelony. Toy izany koa ny ampahany amin'ireo izay miaraka aminao. Allah no mametra ny andro sy ny alina, fantany fa tsy afaka handany ny alina manontolo amin'ny fivavahana ianareo. Namela anareo Izy. Vakio ary izay vitanareo amin'ny koroany. Fantany, fa misy harary aminareo, misy handeha hivahiny hitady ny fahasoavan'I Allah, ary ny sasany koa handeha hiady amin'ny lalan'I Allah. Vakio ary izay azonareo vakiana. Tanterao ny vavaka fanompoana, omeo ny harena fiantrana, ary mampindrama amin-kitsim-po amin'I Allah ianareo. Fa izay tsara rehetra nomaninareo ho an'ny tenanareo, dia ho hitanareo any amin'I Allah, izany no tsara sy lehibe indrindra ho valisoanareo. Ary mangataha famelan-keloka amin'I Allah ianareo, fa mpamela heloka sy be indrafo tokoa I Allah.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់មូសហ្សាំមិល
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ