Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់មុដដាស់សៀរ   វាក្យខណ្ឌ:

Al-moddassir

يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡمُدَّثِّرُ
Fa ianao ilay manao ankajo lava !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قُمۡ فَأَنذِرۡ
Mitsangana ianao ary mampitandrema.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَرَبَّكَ فَكَبِّرۡ
Ary ankalazao ny halehiben'ny Tomponao.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَثِيَابَكَ فَطَهِّرۡ
Ary diovy ireo fitafinao.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱلرُّجۡزَ فَٱهۡجُرۡ
Ary halaviro ny fahotana rehetra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَا تَمۡنُن تَسۡتَكۡثِرُ
Ary aoka ianao tsy hampatsiahy ny soa vitanao mba hahazoanao misimisy kokoa.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلِرَبِّكَ فَٱصۡبِرۡ
Ary mahareta ianao ho an'ny Tomponao.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَإِذَا نُقِرَ فِي ٱلنَّاقُورِ
Ka rehefa ho tsofina ny anjomara.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَذَٰلِكَ يَوۡمَئِذٖ يَوۡمٌ عَسِيرٌ
Dia ho sarotra tokoa io andro io amin'izany fotoana izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
عَلَى ٱلۡكَٰفِرِينَ غَيۡرُ يَسِيرٖ
Tsy ho mora ho an'ireo tsy mpino izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ذَرۡنِي وَمَنۡ خَلَقۡتُ وَحِيدٗا
Avelao irery Aho hiaraka amin'izay Nohariako.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَجَعَلۡتُ لَهُۥ مَالٗا مَّمۡدُودٗا
Ary nomeko fananana maro.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَبَنِينَ شُهُودٗا
Sy zanaka maro hiaraka aminy hatrany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَمَهَّدتُّ لَهُۥ تَمۡهِيدٗا
Ary izay nomaniko tamin'ny fanomanana feno.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ثُمَّ يَطۡمَعُ أَنۡ أَزِيدَ
Kanefa dia mbola maniry homeko maro kokoa noho izany izy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
كَلَّآۖ إِنَّهُۥ كَانَ لِأٓيَٰتِنَا عَنِيدٗا
Tsia ! Satria mandà mafy ireo andininy avy Aminay izy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
سَأُرۡهِقُهُۥ صَعُودًا
Ho tereko hiaka-piakarana izy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّهُۥ فَكَّرَ وَقَدَّرَ
Nieritreritra izy ary nanapa-kevitra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَقُتِلَ كَيۡفَ قَدَّرَ
Aoka ho faty izy ! Araka izay fanapahan-keviny !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ثُمَّ قُتِلَ كَيۡفَ قَدَّرَ
Eny ! Aoka ho faty izy ! Araka izay fanapaha-keviny !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ثُمَّ نَظَرَ
Avy eo dia nijery izy !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ثُمَّ عَبَسَ وَبَسَرَ
Nikentrona izy no sady nanjombona ny endriny.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ثُمَّ أَدۡبَرَ وَٱسۡتَكۡبَرَ
Ary nanome lamosina izy no sady nanambon'ny tena.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَقَالَ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا سِحۡرٞ يُؤۡثَرُ
ka hoy izy : "Majika nolovaina ity"
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا قَوۡلُ ٱلۡبَشَرِ
Tena marina fa ity dia tenin'olombelona ihany .
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
سَأُصۡلِيهِ سَقَرَ
Hodorako ao anaty afo mahamay izy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَمَآ أَدۡرَىٰكَ مَا سَقَرُ
Fa iza no hilaza aminao ny atao hoe saqar ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لَا تُبۡقِي وَلَا تَذَرُ
Tsy mamela na inona na inona izy ary tsy mitsitsy .
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لَوَّاحَةٞ لِّلۡبَشَرِ
Fa hanamainty ny hoditra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
عَلَيۡهَا تِسۡعَةَ عَشَرَ
Sivy ambin'ny folo izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَمَا جَعَلۡنَآ أَصۡحَٰبَ ٱلنَّارِ إِلَّا مَلَٰٓئِكَةٗۖ وَمَا جَعَلۡنَا عِدَّتَهُمۡ إِلَّا فِتۡنَةٗ لِّلَّذِينَ كَفَرُواْ لِيَسۡتَيۡقِنَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ وَيَزۡدَادَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِيمَٰنٗا وَلَا يَرۡتَابَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ وَٱلۡمُؤۡمِنُونَ وَلِيَقُولَ ٱلَّذِينَ فِي قُلُوبِهِم مَّرَضٞ وَٱلۡكَٰفِرُونَ مَاذَآ أَرَادَ ٱللَّهُ بِهَٰذَا مَثَلٗاۚ كَذَٰلِكَ يُضِلُّ ٱللَّهُ مَن يَشَآءُ وَيَهۡدِي مَن يَشَآءُۚ وَمَا يَعۡلَمُ جُنُودَ رَبِّكَ إِلَّا هُوَۚ وَمَا هِيَ إِلَّا ذِكۡرَىٰ لِلۡبَشَرِ
Ary Anjely ihany no nataonay mpiambina ny afo. Hisedranay ireo tsy mpino no antony namerenanay ny isany, sady hampiaiky ireo nomena ny boky, sy hampitombo ny finoan'ireo efa nino, ary tsy hampisalasala ireo izay nomena ny boky sy ireo mpino ; ka hitenenan'ireo misy aretina ao am-pony, sy ireo tsy mpino hoe : "Inona ary no tian'I Allah ho lazaina amin'izany fanoharana izany ?" Toy izany no amerezan'I Allah lalana izay tiany ho very, sy itariany lalana izay tiany ho tarihina. Tsy misy mahafantatra ny tafiky ny Tomponao afa-tsy Izy irery. Fa fampahatsiarovana ho an'ny olombelona ihany izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
كَلَّا وَٱلۡقَمَرِ
Tsia !Ary mianiana amin'ny volana Aho !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱلَّيۡلِ إِذۡ أَدۡبَرَ
Sy amin'ny alina rehefa ho lasa !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱلصُّبۡحِ إِذَآ أَسۡفَرَ
Ary amin'ny mangiran-dratsy rehefa vao miposaka.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّهَا لَإِحۡدَى ٱلۡكُبَرِ
Fa isan'ny iray amin'ny loza lehibe indrindra izany afo izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
نَذِيرٗا لِّلۡبَشَرِ
Ho fampitandremana ny olombelona.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لِمَن شَآءَ مِنكُمۡ أَن يَتَقَدَّمَ أَوۡ يَتَأَخَّرَ
Ho an'izay te-handroso na te-hihemotra aminareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
كُلُّ نَفۡسِۭ بِمَا كَسَبَتۡ رَهِينَةٌ
Takalon'aina ho an'izay nataony ny fanahy tsirairay.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِلَّآ أَصۡحَٰبَ ٱلۡيَمِينِ
Afa-tsy ireo olon'ny ankavanana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فِي جَنَّٰتٖ يَتَسَآءَلُونَ
Izay ao amin'ny zaridaina ka hifampanontany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
عَنِ ٱلۡمُجۡرِمِينَ
Mikasika ireo mpanao ratsy .
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
مَا سَلَكَكُمۡ فِي سَقَرَ
Iza no nandefa anareo ao amin'ny saqar ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قَالُواْ لَمۡ نَكُ مِنَ ٱلۡمُصَلِّينَ
Hiteny izy ireo hoe : "Tsy isan'ireo nanatanteraka vavaka fanompoana izahay"
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَمۡ نَكُ نُطۡعِمُ ٱلۡمِسۡكِينَ
Sady tsy nanome sakafo ireo mahantra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَكُنَّا نَخُوضُ مَعَ ٱلۡخَآئِضِينَ
Ary niaraka tamin'ireo nanao resaka tsy misy antony izahay.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَكُنَّا نُكَذِّبُ بِيَوۡمِ ٱلدِّينِ
Ary nolazanay ho lainga ny andro famaliana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
حَتَّىٰٓ أَتَىٰنَا ٱلۡيَقِينُ
Hatramin'ny fahatongavan'ny tena fahamarinana taminay .
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَمَا تَنفَعُهُمۡ شَفَٰعَةُ ٱلشَّٰفِعِينَ
Tsy hahazoan'izy ireo tombotsoa intsony ny fanelanelanana hataon'ireo mpanelanelana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَمَا لَهُمۡ عَنِ ٱلتَّذۡكِرَةِ مُعۡرِضِينَ
Inona àry no nahatonga azy ireo tsy niraharaha ny fampahatsiarovana ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
كَأَنَّهُمۡ حُمُرٞ مُّسۡتَنفِرَةٞ
Toy ny apondra-dia matahotra izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَرَّتۡ مِن قَسۡوَرَةِۭ
Mandositra eo anatrehan'ny liona.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
بَلۡ يُرِيدُ كُلُّ ٱمۡرِيٕٖ مِّنۡهُمۡ أَن يُؤۡتَىٰ صُحُفٗا مُّنَشَّرَةٗ
Satrin'ny olona tsirairay amin'izy ireo ny hitondrana ireo taratasy efa mivelatra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
كَلَّاۖ بَل لَّا يَخَافُونَ ٱلۡأٓخِرَةَ
Tsia ! Satria tsy matahotra ny any ankoatra izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
كَلَّآ إِنَّهُۥ تَذۡكِرَةٞ
Tsia ! Tena fampatsiarovana tokoa ity.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَمَن شَآءَ ذَكَرَهُۥ
ka izay maniry izany dia hahatsiaro.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَمَا يَذۡكُرُونَ إِلَّآ أَن يَشَآءَ ٱللَّهُۚ هُوَ أَهۡلُ ٱلتَّقۡوَىٰ وَأَهۡلُ ٱلۡمَغۡفِرَةِ
Ary saingy tsy hahatsiaro izany izy ireo, raha tsy sitrak'I Allah. Izy no mendrika indrindra hatahorana, ary Izy no Tompon'ny famelan-keloka.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់មុដដាស់សៀរ
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ