Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាន់នីសាក   វាក្យខណ្ឌ:
وَٱللَّهُ يُرِيدُ أَن يَتُوبَ عَلَيۡكُمۡ وَيُرِيدُ ٱلَّذِينَ يَتَّبِعُونَ ٱلشَّهَوَٰتِ أَن تَمِيلُواْ مَيۡلًا عَظِيمٗا
Ary I Allah dia mila handray ny fibebahanareo. Fa ireo izay manaraka ny hetahetam-pony kosa, dia mila anareo hirona tanteraka any amin’izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يُرِيدُ ٱللَّهُ أَن يُخَفِّفَ عَنكُمۡۚ وَخُلِقَ ٱلۡإِنسَٰنُ ضَعِيفٗا
Allah dia mila hanamaivana anareo, satria ny olombelona dia nohariana ho manam-pahalemena.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَأۡكُلُوٓاْ أَمۡوَٰلَكُم بَيۡنَكُم بِٱلۡبَٰطِلِ إِلَّآ أَن تَكُونَ تِجَٰرَةً عَن تَرَاضٖ مِّنكُمۡۚ وَلَا تَقۡتُلُوٓاْ أَنفُسَكُمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ بِكُمۡ رَحِيمٗا
Ô ianareo izay nino! Aza mihinana ny harenareo samy anareo amin’ny tsy rariny ianareo, raha tsy misy fifampiraharahana ara-barotra iarahanareo mifanaiky. Ary aza mamono tena ianareo. Tena marina fa I Allah dia be Indrafo aminareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَمَن يَفۡعَلۡ ذَٰلِكَ عُدۡوَٰنٗا وَظُلۡمٗا فَسَوۡفَ نُصۡلِيهِ نَارٗاۚ وَكَانَ ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ يَسِيرًا
Ary n’iza n’iza manao izany, amim-pihoaram-pefy sy amin’ny tsy rariny, dia hatsipinay ao anatin'ny afobe izy. Ary izany dia mora amin’I Allah.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِن تَجۡتَنِبُواْ كَبَآئِرَ مَا تُنۡهَوۡنَ عَنۡهُ نُكَفِّرۡ عَنكُمۡ سَيِّـَٔاتِكُمۡ وَنُدۡخِلۡكُم مُّدۡخَلٗا كَرِيمٗا
Raha manalavitra ireo fahotana lehibe izay norarana taminareo ianareo, dia ho fafanay ireo asa ratsy vitanareo, ary hampidirinay ao amin’ny toera-manan-kaja (Paradisa) ianareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَا تَتَمَنَّوۡاْ مَا فَضَّلَ ٱللَّهُ بِهِۦ بَعۡضَكُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖۚ لِّلرِّجَالِ نَصِيبٞ مِّمَّا ٱكۡتَسَبُواْۖ وَلِلنِّسَآءِ نَصِيبٞ مِّمَّا ٱكۡتَسَبۡنَۚ وَسۡـَٔلُواْ ٱللَّهَ مِن فَضۡلِهِۦٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمٗا
Ary aza mitsiriritra ianareo amin’izay nomen’I Allah tombony aminareo; ho an’ny lehilahy ny anjara amin’izay vokatry ny asany, ary ho an’ny vehivavy koa ny anjara amin’izay vokatry ny asany. Ary mangataha amin’I Allah ny amin’ny fahasoavany ianareo. Tena marina fa Allah dia tena Mahalala ny zava-drehetra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلِكُلّٖ جَعَلۡنَا مَوَٰلِيَ مِمَّا تَرَكَ ٱلۡوَٰلِدَانِ وَٱلۡأَقۡرَبُونَۚ وَٱلَّذِينَ عَقَدَتۡ أَيۡمَٰنُكُمۡ فَـَٔاتُوهُمۡ نَصِيبَهُمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ شَهِيدًا
Ary ny tsirairay dia nataonay manana mpandova amin’izay navelan’ny ray aman-dreniny sy ireo havana akaiky. Ary izay nanaovanareo fanekena, dia omeo azy ireo ny anjarany. Tena marina fa I Allah dia vavolombelona amin’ny zava-drehetra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាន់នីសាក
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ