Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាន់នីសាក   វាក្យខណ្ឌ:
فَبِمَا نَقۡضِهِم مِّيثَٰقَهُمۡ وَكُفۡرِهِم بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ وَقَتۡلِهِمُ ٱلۡأَنۢبِيَآءَ بِغَيۡرِ حَقّٖ وَقَوۡلِهِمۡ قُلُوبُنَا غُلۡفُۢۚ بَلۡ طَبَعَ ٱللَّهُ عَلَيۡهَا بِكُفۡرِهِمۡ فَلَا يُؤۡمِنُونَ إِلَّا قَلِيلٗا
Noho ny fivadihan’izy ireo tamin’ny fanekena nataony sy ny tsy finoany ireo fanambaran’I Allah, sy ny famonoany ireo mpaminany tsy amin’ny rariny, ary ny fitenenan’izy ireo hoe: “Ny fonay dia voarakotra (ka tsy andairan-teny)”. Ny tena marina dia I Allah mihitsy no nanidy ny fon’izy ireo noho ny tsy finoany; ka tsy nisy nino afa tsy ny vitsy tamin’izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَبِكُفۡرِهِمۡ وَقَوۡلِهِمۡ عَلَىٰ مَرۡيَمَ بُهۡتَٰنًا عَظِيمٗا
Ary noho ny tsy finoan’izy ireo sy ny teny feno endrikendrika lehibe nataon’izy ireo tamin’i Maria.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَقَوۡلِهِمۡ إِنَّا قَتَلۡنَا ٱلۡمَسِيحَ عِيسَى ٱبۡنَ مَرۡيَمَ رَسُولَ ٱللَّهِ وَمَا قَتَلُوهُ وَمَا صَلَبُوهُ وَلَٰكِن شُبِّهَ لَهُمۡۚ وَإِنَّ ٱلَّذِينَ ٱخۡتَلَفُواْ فِيهِ لَفِي شَكّٖ مِّنۡهُۚ مَا لَهُم بِهِۦ مِنۡ عِلۡمٍ إِلَّا ٱتِّبَاعَ ٱلظَّنِّۚ وَمَا قَتَلُوهُ يَقِينَۢا
Ary noho ny tenin’izy ireo hoe: “Tena izahay tokoa no namono an’i Jesoa zanak’i Maria, irak’I Allah. Nefa tsy nahafaty Azy izy ireo, ary tsy nahafantsika Azy, fa endrika mitovy aminy fotsiny no naseho tamin’izy ireo.Ary tena marina fa ireo izay miady hevitra momba izany, dia tena ao anatin’ny fisalasalana mafy, tsy manam-pahalalana ny amin’izany izy ireo.Tsy misy afa-tsy ny fanarahana ny vinavinan’ny eritreritra fotsiny. Ary azo antoka fa tsy novonoin’izy ireo velively Izy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
بَل رَّفَعَهُ ٱللَّهُ إِلَيۡهِۚ وَكَانَ ٱللَّهُ عَزِيزًا حَكِيمٗا
Fa nampiakarin’I Allah any Aminy Izy. Ary tena marina fa I Allah dia Ilay Tsitoha sy be Fahendrena.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِن مِّنۡ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِ إِلَّا لَيُؤۡمِنَنَّ بِهِۦ قَبۡلَ مَوۡتِهِۦۖ وَيَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ يَكُونُ عَلَيۡهِمۡ شَهِيدٗا
Ary tena marina fa tsy misy na dia iray amin’ireo olon’ny boky, afa-tsy hoe tena hino Azy alohan’ny fahafatesany. Ary hitsangana vavolombelona manohitra azy ireo Izy amin’ny andro farany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَبِظُلۡمٖ مِّنَ ٱلَّذِينَ هَادُواْ حَرَّمۡنَا عَلَيۡهِمۡ طَيِّبَٰتٍ أُحِلَّتۡ لَهُمۡ وَبِصَدِّهِمۡ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ كَثِيرٗا
Ka noho ny tsy fanarahana ny rariny sy ny hitsiny nisy teo amin’ny Jiosy dia nampifadianay azy ireo, ireo zavatra tsara izay azon’izy ireo nohanina teo aloha, ary noho ny fanakanana maro samihafa nataon’izy ireo tamin’ny lalan’I Allah.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَأَخۡذِهِمُ ٱلرِّبَوٰاْ وَقَدۡ نُهُواْ عَنۡهُ وَأَكۡلِهِمۡ أَمۡوَٰلَ ٱلنَّاسِ بِٱلۡبَٰطِلِۚ وَأَعۡتَدۡنَا لِلۡكَٰفِرِينَ مِنۡهُمۡ عَذَابًا أَلِيمٗا
Ary noho ny fakan'izy ireo ny zana-bola, na dia efa voarara tamin'izany izy ireo, sy ny fihinanan'izy ireo ny fananan'olona amin'ny tsy rariny.Izahay dia efa nanomana ho an'ireo tsy mpino amin'izy ireny ny sazy mangirifiry.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لَّٰكِنِ ٱلرَّٰسِخُونَ فِي ٱلۡعِلۡمِ مِنۡهُمۡ وَٱلۡمُؤۡمِنُونَ يُؤۡمِنُونَ بِمَآ أُنزِلَ إِلَيۡكَ وَمَآ أُنزِلَ مِن قَبۡلِكَۚ وَٱلۡمُقِيمِينَ ٱلصَّلَوٰةَۚ وَٱلۡمُؤۡتُونَ ٱلزَّكَوٰةَ وَٱلۡمُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِ أُوْلَٰٓئِكَ سَنُؤۡتِيهِمۡ أَجۡرًا عَظِيمًا
Kanefa ireo miorim-paka amin'ny fahalalana amin'izy ireo, sy ireo mpino, dia mino izay nampidinina taminao sy izay nampidinina teo alohanao. Ary ireo mpanatanteraka ny vavaka fanompoana, sy mpanatanteraka ny fanomezana ny harena fiantrana, sy ireo mpino an’I Allah sy ny andro farany, dia izy ireny no omenay valin-kasasarana lehibe.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាន់នីសាក
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ