Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាន់នីសាក   វាក្យខណ្ឌ:
۞ إِنَّآ أَوۡحَيۡنَآ إِلَيۡكَ كَمَآ أَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰ نُوحٖ وَٱلنَّبِيِّـۧنَ مِنۢ بَعۡدِهِۦۚ وَأَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰٓ إِبۡرَٰهِيمَ وَإِسۡمَٰعِيلَ وَإِسۡحَٰقَ وَيَعۡقُوبَ وَٱلۡأَسۡبَاطِ وَعِيسَىٰ وَأَيُّوبَ وَيُونُسَ وَهَٰرُونَ وَسُلَيۡمَٰنَۚ وَءَاتَيۡنَا دَاوُۥدَ زَبُورٗا
Tena marina fa Izahay dia tena nandefa fanambarana taminao, tahaka ny nandefasanay fanambarana tamin’i Noa sy ireo Mpaminany taoriany. Ary nandefasanay fanambarana koa i Abrahama, Isamel, Isaka, Jakoba, ireo foko, Jesoa, Joba, Jonasy, i Arona, Salomona, ary nomenay an’i Davida ny Zabora.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَرُسُلٗا قَدۡ قَصَصۡنَٰهُمۡ عَلَيۡكَ مِن قَبۡلُ وَرُسُلٗا لَّمۡ نَقۡصُصۡهُمۡ عَلَيۡكَۚ وَكَلَّمَ ٱللَّهُ مُوسَىٰ تَكۡلِيمٗا
Ary misy amin’ireo Iraka izay efa notantarainay taminao tany aloha, ary misy koa ireo Iraka izay tsy notantarainay taminao ny tantaran’izy ireo. Ary Allah dia niresaka nivantana tamin’i Mosesy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
رُّسُلٗا مُّبَشِّرِينَ وَمُنذِرِينَ لِئَلَّا يَكُونَ لِلنَّاسِ عَلَى ٱللَّهِ حُجَّةُۢ بَعۡدَ ٱلرُّسُلِۚ وَكَانَ ٱللَّهُ عَزِيزًا حَكِيمٗا
Ka izy ireny dia Iraka mpilaza ny vaovao mahafaly sy mpampitandrina, mba tsy hananan’olombelona porofo entina manohitra an’I Allah taorianan’ireo Iraka. Ary I Allah dia Ilay Tsitoha be Fahendrena.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لَّٰكِنِ ٱللَّهُ يَشۡهَدُ بِمَآ أَنزَلَ إِلَيۡكَۖ أَنزَلَهُۥ بِعِلۡمِهِۦۖ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ يَشۡهَدُونَۚ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ شَهِيدًا
Kanefa I Allah dia vavolombelona amin’izay nampidininy taminao, nampidina izany tamin’ny fahalalany Izy. Ary ireo Anjely koa dia mijoro vavolombelona. Ary ampy ho vavolombelona I Allah.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَصَدُّواْ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ قَدۡ ضَلُّواْ ضَلَٰلَۢا بَعِيدًا
Tena marina fa ireo izay tsy nino sy nanakana ny lalan’I Allah dia efa tena very ao anatin’ny fahaverezana lavitra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَظَلَمُواْ لَمۡ يَكُنِ ٱللَّهُ لِيَغۡفِرَ لَهُمۡ وَلَا لِيَهۡدِيَهُمۡ طَرِيقًا
Tena marina fa ireo izay tsy nino sy nanao ny tsy rariny, dia tsy hamela heloka azy ireo I Allah ary tsy hanoro lalana azy ireo velively.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِلَّا طَرِيقَ جَهَنَّمَ خَٰلِدِينَ فِيهَآ أَبَدٗاۚ وَكَانَ ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ يَسِيرٗا
Afa-tsy ny lalana mankany amin’ny Afobe, hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Ary tena mora amin’I Allah ny manao izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ قَدۡ جَآءَكُمُ ٱلرَّسُولُ بِٱلۡحَقِّ مِن رَّبِّكُمۡ فَـَٔامِنُواْ خَيۡرٗا لَّكُمۡۚ وَإِن تَكۡفُرُواْ فَإِنَّ لِلَّهِ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلِيمًا حَكِيمٗا
O! ianareo olombelona! Efa tonga aminareo ilay Iraka nitondra ny fahamarinana avy amin’ny Tomponareo, ka aoka hino ianareo, fa izany no tsara ho anareo. Ary raha tsy mino ianareo dia marina fa an’I Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany, ary I Allah dia Mahalala ny zavatra rehetra sy be Fahendrena.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាន់នីសាក
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ