Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: Yūnus   Ayah:
۞ لِّلَّذِينَ أَحۡسَنُواْ ٱلۡحُسۡنَىٰ وَزِيَادَةٞۖ وَلَا يَرۡهَقُ وُجُوهَهُمۡ قَتَرٞ وَلَا ذِلَّةٌۚ أُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلۡجَنَّةِۖ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ
Ho an’ireo izay manao soa dia ho azy ireo ny valisoa mendrika indrindra ary mihoatra izany aza.Tsy handrakotra ny tarehin’izy ireo na ny vovoka na ny fahafaham-baraka. Izy ireny no Olon’ny Paradisa, hitoetra ao mandrakizay izy ireo.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَٱلَّذِينَ كَسَبُواْ ٱلسَّيِّـَٔاتِ جَزَآءُ سَيِّئَةِۭ بِمِثۡلِهَا وَتَرۡهَقُهُمۡ ذِلَّةٞۖ مَّا لَهُم مِّنَ ٱللَّهِ مِنۡ عَاصِمٖۖ كَأَنَّمَآ أُغۡشِيَتۡ وُجُوهُهُمۡ قِطَعٗا مِّنَ ٱلَّيۡلِ مُظۡلِمًاۚ أُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلنَّارِۖ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ
Ary ireo izay nanao asa ratsy kosa dia ho azy ireo ny valiny mitovy amin’izany. Ary handrakotra azy ireo ny fahafam-baraka. Tsy manana mpiaro izy ireo hiatrika i Allah toy ny voarakotry ny sombin’ny haizin’ny alina ny tarehin’izy ireo. Izy ireny no Olon’ny Afobe ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَيَوۡمَ نَحۡشُرُهُمۡ جَمِيعٗا ثُمَّ نَقُولُ لِلَّذِينَ أَشۡرَكُواْ مَكَانَكُمۡ أَنتُمۡ وَشُرَكَآؤُكُمۡۚ فَزَيَّلۡنَا بَيۡنَهُمۡۖ وَقَالَ شُرَكَآؤُهُم مَّا كُنتُمۡ إِيَّانَا تَعۡبُدُونَ
Ary amin’ny Andro hanangonanay azy rehetra, avy eo dia hiteny Izahay amin’ireo izay nanakambana Allah amin’ny hafa hoe : " Raiso ny toeranareo, Ianareo sy ireo mpiombon’antoka taminareo.” Hampisarahanay izy ireo ary hiteny ireo mpiombon’antoka amin’izy ireo hanao hoe : " Tsy Izahay velively no notompoinareo.”
Arabic explanations of the Qur’an:
فَكَفَىٰ بِٱللَّهِ شَهِيدَۢا بَيۡنَنَا وَبَيۡنَكُمۡ إِن كُنَّا عَنۡ عِبَادَتِكُمۡ لَغَٰفِلِينَ
Ary ampy ho vavolombelona Aminay sy Anareo i Allah. Izahay dia tsy mahalala tanteraka mahakasika ny fanompoanareo.
Arabic explanations of the Qur’an:
هُنَالِكَ تَبۡلُواْ كُلُّ نَفۡسٖ مَّآ أَسۡلَفَتۡۚ وَرُدُّوٓاْ إِلَى ٱللَّهِ مَوۡلَىٰهُمُ ٱلۡحَقِّۖ وَضَلَّ عَنۡهُم مَّا كَانُواْ يَفۡتَرُونَ
Amin’izany dia hatsapa izay nataony teo aloha ny tsirairay. Haverina izy ireo any amin’i Allah Tompon’izy ireo ilay marina ary very, nandao azy ireo izay noforonin'izy ireo.
Arabic explanations of the Qur’an:
قُلۡ مَن يَرۡزُقُكُم مِّنَ ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِ أَمَّن يَمۡلِكُ ٱلسَّمۡعَ وَٱلۡأَبۡصَٰرَ وَمَن يُخۡرِجُ ٱلۡحَيَّ مِنَ ٱلۡمَيِّتِ وَيُخۡرِجُ ٱلۡمَيِّتَ مِنَ ٱلۡحَيِّ وَمَن يُدَبِّرُ ٱلۡأَمۡرَۚ فَسَيَقُولُونَ ٱللَّهُۚ فَقُلۡ أَفَلَا تَتَّقُونَ
Teneno hoe : " iza no manome anjara ho Anareo avy any an-danitra sy ety an-tany, na koa iza no mitantana ny fandrenesana sy ny fahitana ary iza no mamoaka ny velona amin’ny maty sy mamoaka ny maty amin’ny velona ary iza no mandrindra ny raharaha rehetra ? ” dia hiteny izy ireo ka hanao hoe : " Allah ”, ka teneno hoe : " ka moa tsy matahotra Azy va ianareo ? ”
Arabic explanations of the Qur’an:
فَذَٰلِكُمُ ٱللَّهُ رَبُّكُمُ ٱلۡحَقُّۖ فَمَاذَا بَعۡدَ ٱلۡحَقِّ إِلَّا ٱلضَّلَٰلُۖ فَأَنَّىٰ تُصۡرَفُونَ
Izany i Allah Tomponareo, ilay Marina, ka inona no aorian’ny fahamarinana raha tsy ny fahaverezana ? Ary inona indray no mampivily làlana Anareo ?
Arabic explanations of the Qur’an:
كَذَٰلِكَ حَقَّتۡ كَلِمَتُ رَبِّكَ عَلَى ٱلَّذِينَ فَسَقُوٓاْ أَنَّهُمۡ لَا يُؤۡمِنُونَ
Tahak’izany no nahatanteraka ny tenin’ny tomponao tamin’ireo izay nanao asa ratsy : “ Fa izy ireo dia tena tsy nino mihitsy ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: Yūnus
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close