Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: Yūnus   Ayah:

Younous

الٓرۚ تِلۡكَ ءَايَٰتُ ٱلۡكِتَٰبِ ٱلۡحَكِيمِ
ALIF, LAM, RA, indro ireo andinin’ilay Boky feno Fahendrena.
Arabic explanations of the Qur’an:
أَكَانَ لِلنَّاسِ عَجَبًا أَنۡ أَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰ رَجُلٖ مِّنۡهُمۡ أَنۡ أَنذِرِ ٱلنَّاسَ وَبَشِّرِ ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ أَنَّ لَهُمۡ قَدَمَ صِدۡقٍ عِندَ رَبِّهِمۡۗ قَالَ ٱلۡكَٰفِرُونَ إِنَّ هَٰذَا لَسَٰحِرٞ مُّبِينٌ
Moa ve mahagaga ireo Olona fa Izahay dia nandefa fanambarana tamin’ny lehilahy iray avy tamin’izy ireo : “ Ampitandremo ireo Olona ary lazao vaovao mahafaly ireo mpino fa manana toerana mendrika izy ireo eo anatrehan’ny Tompony." Niteny ireo tsy mpino ka nanao hoe : " Marina tokoa fa io Olona io dia tena mpanao majika miharihary.”
Arabic explanations of the Qur’an:
إِنَّ رَبَّكُمُ ٱللَّهُ ٱلَّذِي خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ فِي سِتَّةِ أَيَّامٖ ثُمَّ ٱسۡتَوَىٰ عَلَى ٱلۡعَرۡشِۖ يُدَبِّرُ ٱلۡأَمۡرَۖ مَا مِن شَفِيعٍ إِلَّا مِنۢ بَعۡدِ إِذۡنِهِۦۚ ذَٰلِكُمُ ٱللَّهُ رَبُّكُمۡ فَٱعۡبُدُوهُۚ أَفَلَا تَذَكَّرُونَ
Marina fa ny Tomponareo dia i Allah, izay nahary ireo lanitra sy ny tany nandritry ny enin’andro, avy eo dia nitoetra “ Istaoa ” teo amin’ny seza fiandrianany Izy, mandrindra ny zava-drehetra. Tsy misy ho mpanelanelana raha tsy mahazo alalana avy Aminy. izany ilay Allah Tomponareo. Tompoinareo àry Izy ! Moa ve tsy mahatsapa izany Ianareo ?
Arabic explanations of the Qur’an:
إِلَيۡهِ مَرۡجِعُكُمۡ جَمِيعٗاۖ وَعۡدَ ٱللَّهِ حَقًّاۚ إِنَّهُۥ يَبۡدَؤُاْ ٱلۡخَلۡقَ ثُمَّ يُعِيدُهُۥ لِيَجۡزِيَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ بِٱلۡقِسۡطِۚ وَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَهُمۡ شَرَابٞ مِّنۡ حَمِيمٖ وَعَذَابٌ أَلِيمُۢ بِمَا كَانُواْ يَكۡفُرُونَ
Any Aminy no hiverenananareo rehetra, izany no fampanantenan’i Allah amim-pahamarinana ! Izy no nanao ny fahariana voalohany, avy eo dia hamerina izany Izy mba hanomezany ireo izay nino sy nanao asa soa ny valisoa ara-drariny. Ary ho an’ireo izay tsy nino kosa dia ny zava-pisotro mangotrakotraka sy ny sazy mamirifiry, noho izy ireo tsy nino !
Arabic explanations of the Qur’an:
هُوَ ٱلَّذِي جَعَلَ ٱلشَّمۡسَ ضِيَآءٗ وَٱلۡقَمَرَ نُورٗا وَقَدَّرَهُۥ مَنَازِلَ لِتَعۡلَمُواْ عَدَدَ ٱلسِّنِينَ وَٱلۡحِسَابَۚ مَا خَلَقَ ٱللَّهُ ذَٰلِكَ إِلَّا بِٱلۡحَقِّۚ يُفَصِّلُ ٱلۡأٓيَٰتِ لِقَوۡمٖ يَعۡلَمُونَ
Izy no nanao ny masoandro ho famirapiratana sy ny volana ho fahazavana ary nalahany ho manana ambaratongam-piovaovana izany, mba hafantaranareo ny isan’ny taona sy ny fikajiana ny fotoana. Tsy nahary izany Allah raha tsy amim-pahamarinana. Hazavainy antsipiriany ireo famantarana ho an’ireo vahoaka manam-pahalalana.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِنَّ فِي ٱخۡتِلَٰفِ ٱلَّيۡلِ وَٱلنَّهَارِ وَمَا خَلَقَ ٱللَّهُ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ لَأٓيَٰتٖ لِّقَوۡمٖ يَتَّقُونَ
Marina fa eo amin’ny fifadimbiasan’ny alina sy ny andro ary koa eo amin’izay rehetra noharian’i Allah any amin’ireo lanitra sy ny tany dia tena misy famantarana maro ho an’ireo vahoaka manam-patahorana (an’i Allah).
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: Yūnus
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close