Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: ক্বাফ   আয়াত:
وَكَمۡ أَهۡلَكۡنَا قَبۡلَهُم مِّن قَرۡنٍ هُمۡ أَشَدُّ مِنۡهُم بَطۡشٗا فَنَقَّبُواْ فِي ٱلۡبِلَٰدِ هَلۡ مِن مَّحِيصٍ
Firifiry no efa naringanay talohan’izy ireo, izay taranaka matanjaka kokoa noho izy. Nitety tany maro izy ireo, kanefa misy vato hialofana ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَذِكۡرَىٰ لِمَن كَانَ لَهُۥ قَلۡبٌ أَوۡ أَلۡقَى ٱلسَّمۡعَ وَهُوَ شَهِيدٞ
Misy fampahatsiarovana tokoa izany ho an’izay manana fo sy manongilan-tsofina, ary mijoro vavolombelona.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَقَدۡ خَلَقۡنَا ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ وَمَا بَيۡنَهُمَا فِي سِتَّةِ أَيَّامٖ وَمَا مَسَّنَا مِن لُّغُوبٖ
Nahary ny lanitra sy ny tany tokoa Izahay, sy izay eo anelanelan’izy ireo, tao anatin’ny enina andro, ary tsy nahatsiaro harerahana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَٱصۡبِرۡ عَلَىٰ مَا يَقُولُونَ وَسَبِّحۡ بِحَمۡدِ رَبِّكَ قَبۡلَ طُلُوعِ ٱلشَّمۡسِ وَقَبۡلَ ٱلۡغُرُوبِ
Hiafio àry izay lazain’izy ireo, ary ankalazao ny fiderana ny Tomponao alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمِنَ ٱلَّيۡلِ فَسَبِّحۡهُ وَأَدۡبَٰرَ ٱلسُّجُودِ
Ary ankalazao ny voninahiny, ampahany amin’ny alina sy aorian’ny fiankohofana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱسۡتَمِعۡ يَوۡمَ يُنَادِ ٱلۡمُنَادِ مِن مَّكَانٖ قَرِيبٖ
Ary aoka hihaino ianao, amin’andro izay hiantsoan’ny mpiantso avy amin’ny toerana akaiky.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَوۡمَ يَسۡمَعُونَ ٱلصَّيۡحَةَ بِٱلۡحَقِّۚ ذَٰلِكَ يَوۡمُ ٱلۡخُرُوجِ
Ilay andro izay handrenesan’izy ireo amim-pahamarinana ny hiaka. Fa Andro fitsanganana amin’ny maty io.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّا نَحۡنُ نُحۡيِۦ وَنُمِيتُ وَإِلَيۡنَا ٱلۡمَصِيرُ
Izahay no manome ny aina sy ny fahafatesana, ary any Aminay no fiafarana,
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَوۡمَ تَشَقَّقُ ٱلۡأَرۡضُ عَنۡهُمۡ سِرَاعٗاۚ ذَٰلِكَ حَشۡرٌ عَلَيۡنَا يَسِيرٞ
Amin’andro izay hampitresaka ny tany dia hivoaka haingana avy ao izy ireo. Fanangonana mora ho Anay tokoa izany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
نَّحۡنُ أَعۡلَمُ بِمَا يَقُولُونَۖ وَمَآ أَنتَ عَلَيۡهِم بِجَبَّارٖۖ فَذَكِّرۡ بِٱلۡقُرۡءَانِ مَن يَخَافُ وَعِيدِ
Fantatray tsara tokoa izay lazain’izy ireo. Tsy ny hanery azy ireo no nanirahana anao. Fa antsoy amin’ny alalan’ny Koroany àry izay matahotra ny fampitandremako.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: ক্বাফ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ