Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-হুজুৰাত   আয়াত:

Al-hojorat

يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تُقَدِّمُواْ بَيۡنَ يَدَيِ ٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦۖ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَۚ إِنَّ ٱللَّهَ سَمِيعٌ عَلِيمٞ
Ianareo mpino ! Aza mialoha lalana an’I Allah sy ny Irany ianareo. Ary aoka ianareo hatahotra an’I Allah. Fa mandre sy mahalala ny zava-drehetra Allah.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَرۡفَعُوٓاْ أَصۡوَٰتَكُمۡ فَوۡقَ صَوۡتِ ٱلنَّبِيِّ وَلَا تَجۡهَرُواْ لَهُۥ بِٱلۡقَوۡلِ كَجَهۡرِ بَعۡضِكُمۡ لِبَعۡضٍ أَن تَحۡبَطَ أَعۡمَٰلُكُمۡ وَأَنتُمۡ لَا تَشۡعُرُونَ
Ianareo mpino ! Aza atao avo nohon'ny feon’ny mpaminany ny feonareo, ary aza mampiaka-peo ianareo rehefa miteny aminy, tahaka ny fifampiresahanareo samy ianareo, raha tsy izany dia ho very maina ny asanareo izay tsy ho tsapanareo akory.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ ٱلَّذِينَ يَغُضُّونَ أَصۡوَٰتَهُمۡ عِندَ رَسُولِ ٱللَّهِ أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ ٱمۡتَحَنَ ٱللَّهُ قُلُوبَهُمۡ لِلتَّقۡوَىٰۚ لَهُم مَّغۡفِرَةٞ وَأَجۡرٌ عَظِيمٌ
Fa izay manalefaka ny feony rehefa eo akaikin'ny Irak’i Allah, dia izy ireny no efa nosedran’I Allah ny fony mba hanam-patahorana. Hahazo famelan-keloka sy valisoa lehibe izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ ٱلَّذِينَ يُنَادُونَكَ مِن وَرَآءِ ٱلۡحُجُرَٰتِ أَكۡثَرُهُمۡ لَا يَعۡقِلُونَ
Hamafisina fa ireo miantso mafy anao avy ao ambadiky ny efitrano dia tsy mandinika ny ankamaroan’izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَوۡ أَنَّهُمۡ صَبَرُواْ حَتَّىٰ تَخۡرُجَ إِلَيۡهِمۡ لَكَانَ خَيۡرٗا لَّهُمۡۚ وَٱللَّهُ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Ary raha maharitra izy ireo mandra-pivoahanao eo aminy, dia izany no tsara kokoa ho azy ireo, fa mpamela heloka sy be indrafo Allah.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِن جَآءَكُمۡ فَاسِقُۢ بِنَبَإٖ فَتَبَيَّنُوٓاْ أَن تُصِيبُواْ قَوۡمَۢا بِجَهَٰلَةٖ فَتُصۡبِحُواْ عَلَىٰ مَا فَعَلۡتُمۡ نَٰدِمِينَ
Ianareo mpino ! Raha misy olona ratsy tonga mitondra vaovao ho anareo, hamarino tsara izany mba tsy hanaovanareo ratsy amin’ny olona nohon'ny tsy fahafantaranareo, sao dia hanenina amin’izay ataonareo ianareo avy eo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّ فِيكُمۡ رَسُولَ ٱللَّهِۚ لَوۡ يُطِيعُكُمۡ فِي كَثِيرٖ مِّنَ ٱلۡأَمۡرِ لَعَنِتُّمۡ وَلَٰكِنَّ ٱللَّهَ حَبَّبَ إِلَيۡكُمُ ٱلۡإِيمَٰنَ وَزَيَّنَهُۥ فِي قُلُوبِكُمۡ وَكَرَّهَ إِلَيۡكُمُ ٱلۡكُفۡرَ وَٱلۡفُسُوقَ وَٱلۡعِصۡيَانَۚ أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلرَّٰشِدُونَ
Ary fantaro fa miaraka aminareo ny Irak'I Allah. Raha nankatoa anareo tamin’ny zavatra maro izy, dia ho tao anatin’ny fahasahiranana tokoa ianareo. Saingy nataon’I Allah nitia ny finoana ianareo, sady nohatsarainy tao am-ponareo izany, ary nataony nankahala ny tsy finoana ianareo, ny faharatsiana sy ny tsy fankatoavana. Izy ireo no voatari-dalana tsara.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَضۡلٗا مِّنَ ٱللَّهِ وَنِعۡمَةٗۚ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٞ
Fitahiana sy fahasoavana avy amin’I Allah tokoa izany. Fa mahalala ny zava-drehetra sy be fahendrena I Allah.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِن طَآئِفَتَانِ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ ٱقۡتَتَلُواْ فَأَصۡلِحُواْ بَيۡنَهُمَاۖ فَإِنۢ بَغَتۡ إِحۡدَىٰهُمَا عَلَى ٱلۡأُخۡرَىٰ فَقَٰتِلُواْ ٱلَّتِي تَبۡغِي حَتَّىٰ تَفِيٓءَ إِلَىٰٓ أَمۡرِ ٱللَّهِۚ فَإِن فَآءَتۡ فَأَصۡلِحُواْ بَيۡنَهُمَا بِٱلۡعَدۡلِ وَأَقۡسِطُوٓاْۖ إِنَّ ٱللَّهَ يُحِبُّ ٱلۡمُقۡسِطِينَ
Fa raha miady ny andiany roa amin’ireo mpino, dia aoka ianareo ampihavana azy ireo. Raha mikomy ny anankiray amin’izy ireo hanohitra ny anankiray hafa, dia aoka ianareo hiady amin’ilay mpikomy mba hanarahany ny didin’I Allah. Fa raha manaraka izany izy, dia ampihavano amim-pahamarinana, ary aoka ianareo hanao ny rariny, fa tia ireo mpanao ny rariny Allah.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّمَا ٱلۡمُؤۡمِنُونَ إِخۡوَةٞ فَأَصۡلِحُواْ بَيۡنَ أَخَوَيۡكُمۡۚ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ لَعَلَّكُمۡ تُرۡحَمُونَ
Mpirahalahy tokoa ireo mpino. Koa aoka ianareo hanatsara ny fifandraisana misy eo amin’ireo rahalahinareo, ary matahora Allah mba hahazoanareo ny famindram-po.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا يَسۡخَرۡ قَوۡمٞ مِّن قَوۡمٍ عَسَىٰٓ أَن يَكُونُواْ خَيۡرٗا مِّنۡهُمۡ وَلَا نِسَآءٞ مِّن نِّسَآءٍ عَسَىٰٓ أَن يَكُنَّ خَيۡرٗا مِّنۡهُنَّۖ وَلَا تَلۡمِزُوٓاْ أَنفُسَكُمۡ وَلَا تَنَابَزُواْ بِٱلۡأَلۡقَٰبِۖ بِئۡسَ ٱلِٱسۡمُ ٱلۡفُسُوقُ بَعۡدَ ٱلۡإِيمَٰنِۚ وَمَن لَّمۡ يَتُبۡ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلظَّٰلِمُونَ
Ianareo mpino ! Aoka tsy haneso ny andian’olona iray ny andiany hafa, fa mety ho mendrika izy ireny noho ianareo. Ary aoka tsy haneso ireo vehivavy hafa, fa mety ho mendrika izy ireny noho ianareo. Aza mifanambany ianareo, ary aza mifanome anaram-bositra. Tena ratsy tokoa ny anarana maloto rehefa manam-pinoana ianareo. Ary na iza na iza tsy mibebaka dia izy ireny no olona mpanao ny tsy rariny.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱجۡتَنِبُواْ كَثِيرٗا مِّنَ ٱلظَّنِّ إِنَّ بَعۡضَ ٱلظَّنِّ إِثۡمٞۖ وَلَا تَجَسَّسُواْ وَلَا يَغۡتَب بَّعۡضُكُم بَعۡضًاۚ أَيُحِبُّ أَحَدُكُمۡ أَن يَأۡكُلَ لَحۡمَ أَخِيهِ مَيۡتٗا فَكَرِهۡتُمُوهُۚ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَۚ إِنَّ ٱللَّهَ تَوَّابٞ رَّحِيمٞ
Ianareo mpino ! Alaviro ny ahiahy tafahoatra, satria fahotana ny am-pahany amin’ny ahiahy atao amin’ny olona. Ary aoka tsy hitsikilo olona ianareo, na hifampifosa ianareo samy ianareo. Misy mitia mihinana ny nofon’ny rahalahiny maty va ianareo? Harikoriko amin’izany ianareo. Koa aoka ianareo hatahotra an'I Allah. Fa fatra-pandray fibebahana Allah, ary be indrafo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ إِنَّا خَلَقۡنَٰكُم مِّن ذَكَرٖ وَأُنثَىٰ وَجَعَلۡنَٰكُمۡ شُعُوبٗا وَقَبَآئِلَ لِتَعَارَفُوٓاْۚ إِنَّ أَكۡرَمَكُمۡ عِندَ ٱللَّهِ أَتۡقَىٰكُمۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلِيمٌ خَبِيرٞ
Ry olombelona ! Noharianay avy amin’ny lahy sy vavy ianareo, ary nataonay ho vahoaka sy foko, mba hifankahalalanareo. Fa ny mendrika indrindra aminareo eo anatrehan’I Allah, dia izay vonto-pinoana indrindra. Fa mahalala sy mahafantatra tsara ny zava-drehetra Allah.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
۞ قَالَتِ ٱلۡأَعۡرَابُ ءَامَنَّاۖ قُل لَّمۡ تُؤۡمِنُواْ وَلَٰكِن قُولُوٓاْ أَسۡلَمۡنَا وَلَمَّا يَدۡخُلِ ٱلۡإِيمَٰنُ فِي قُلُوبِكُمۡۖ وَإِن تُطِيعُواْ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ لَا يَلِتۡكُم مِّنۡ أَعۡمَٰلِكُمۡ شَيۡـًٔاۚ إِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمٌ
Hoy ireo mpifindrafindra fonenana arabo : “Mino izahay”. Lazao hoe : “Tsy mbola manam-pinoana ianareo. Fa lazao kosa hoe : Mankato izahay, satria tsy mbola tafiditra am-ponareo ny finoana. Fa raha mankato an'I Allah sy ny Irany ianareo, dia hataony tsy misy very ny asanareo”. Mpamela heloka sy be indrafo Allah.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّمَا ٱلۡمُؤۡمِنُونَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ بِٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ ثُمَّ لَمۡ يَرۡتَابُواْ وَجَٰهَدُواْ بِأَمۡوَٰلِهِمۡ وَأَنفُسِهِمۡ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِۚ أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلصَّٰدِقُونَ
Ny tena mpino, dia ireo mino an'I Allah sy ny Irany, sy tsy misalasala mihitsy aty aoriana, ary miezaka amin’ny lalan’I Allah amin’alalan’ireo fananany sy ny tenany. Izy ireny no tena olona marina.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلۡ أَتُعَلِّمُونَ ٱللَّهَ بِدِينِكُمۡ وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۚ وَٱللَّهُ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمٞ
Lazao hoe : “Ianareo va no hampianatra an'I Allah ny finoanareo, kanefa Allah no mahalala izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany ? Ary Allah no mahalala ny zava-drehetra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَمُنُّونَ عَلَيۡكَ أَنۡ أَسۡلَمُواْۖ قُل لَّا تَمُنُّواْ عَلَيَّ إِسۡلَٰمَكُمۖ بَلِ ٱللَّهُ يَمُنُّ عَلَيۡكُمۡ أَنۡ هَدَىٰكُمۡ لِلۡإِيمَٰنِ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Mampahatsiaro anao ny fidiran’izy ireo amin’ny finoanan'I Allah tokoa izy, tahaka ny tombontsoa manokana (ho anao) avy amin’izy ireo izany. Lazao hoe : “Aoka ianareo tsy hampahatsiaro ahy ny fidiranareo amin’ny finoana Allah tokana ho toy ny tombotsoa manokana. Na ny mifanohitra amin’izany tombotsoa manokana ho anareo izany aza dia avy amin’I Allah no nitarihany anareo amin’ny finoana raha tena olo- marina ianareo”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ غَيۡبَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ وَٱللَّهُ بَصِيرُۢ بِمَا تَعۡمَلُونَ
Fantatr’I Allah ny zava-miafiana any an-danitra sy ety an-tany, ary mahita izay ataonareo Allah.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-হুজুৰাত
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ