Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: মাৰয়াম   আয়াত:
أَفَرَءَيۡتَ ٱلَّذِي كَفَرَ بِـَٔايَٰتِنَا وَقَالَ لَأُوتَيَنَّ مَالٗا وَوَلَدًا
Hitanao ve ilay tsy nino ireo andinin’ireo teninay, ka niteny nanao hoe : “ Tena omena harena sy Zanaka tokoa Aho ? ”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَطَّلَعَ ٱلۡغَيۡبَ أَمِ ٱتَّخَذَ عِندَ ٱلرَّحۡمَٰنِ عَهۡدٗا
Moa ve mahafantatra ny zava-miafina Izy,sa nanao fifanekena kosa tamin’ilay be Fiantrana ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
كَلَّاۚ سَنَكۡتُبُ مَا يَقُولُ وَنَمُدُّ لَهُۥ مِنَ ٱلۡعَذَابِ مَدّٗا
Tsia ! Tsy izany mihitsy ! Hosoratanay izay noteneniny, ary hampitomboinay ny halavan’ny famaizana ho Azy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَنَرِثُهُۥ مَا يَقُولُ وَيَأۡتِينَا فَرۡدٗا
Ary Izahay no handova izay teneniny, ary Izy kosa dia hiverina samy irery aty Aminay.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱتَّخَذُواْ مِن دُونِ ٱللَّهِ ءَالِهَةٗ لِّيَكُونُواْ لَهُمۡ عِزّٗا
Ary nandray Zanahary hafa izy ireo ankoatr’i Allah, mba ho tanjaka ho azy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
كَلَّاۚ سَيَكۡفُرُونَ بِعِبَادَتِهِمۡ وَيَكُونُونَ عَلَيۡهِمۡ ضِدًّا
Tsia ! Tsy izany velively ! ireo (zanahariny) dia hitsipaka ny fanompoan’izy ireo, ary hitsangana ho fahavalon’izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَلَمۡ تَرَ أَنَّآ أَرۡسَلۡنَا ٱلشَّيَٰطِينَ عَلَى ٱلۡكَٰفِرِينَ تَؤُزُّهُمۡ أَزّٗا
Moa ve tsy hitanao fa Izahay dia nandefa ireo satana ho amin’ireo tsy mpino, izay mandrisika azy ireo (tsy hankato) ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَلَا تَعۡجَلۡ عَلَيۡهِمۡۖ إِنَّمَا نَعُدُّ لَهُمۡ عَدّٗا
Aza maika hanohitra azy ireo àry Ianao. Marina fa manisa izay rehetra ataon’izy ireo Izahay.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَوۡمَ نَحۡشُرُ ٱلۡمُتَّقِينَ إِلَى ٱلرَّحۡمَٰنِ وَفۡدٗا
(Tsarovinao) ilay Andro izay hamorianay ireo manam-patahorana, eo anatrehan’Ilay be Fiantrana, amin’ny andiany maromaro (am-boninahitra).
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَنَسُوقُ ٱلۡمُجۡرِمِينَ إِلَىٰ جَهَنَّمَ وِرۡدٗا
Ary hatosikay ao amin’ny Afobe ireo mpanao heloka be vava,tahaka ny (andiam-biby) hamonjy fisotroan-drano.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لَّا يَمۡلِكُونَ ٱلشَّفَٰعَةَ إِلَّا مَنِ ٱتَّخَذَ عِندَ ٱلرَّحۡمَٰنِ عَهۡدٗا
Tsy hanana fahefana hanelanelana, afa-tsy izay nanao fifanekena tamin’Ilay be Fiantrana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَالُواْ ٱتَّخَذَ ٱلرَّحۡمَٰنُ وَلَدٗا
Ary niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Nandray Zaza lahy ho Zanaka lahy be Fiantrana !”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لَّقَدۡ جِئۡتُمۡ شَيۡـًٔا إِدّٗا
Ary tena zavatra maharikoriko izany entinareo izany !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
تَكَادُ ٱلسَّمَٰوَٰتُ يَتَفَطَّرۡنَ مِنۡهُ وَتَنشَقُّ ٱلۡأَرۡضُ وَتَخِرُّ ٱلۡجِبَالُ هَدًّا
Kely foana no tsy nahavaky ireo lanitra noho izany (teny izany), sy tsy nampitresaka ny tany, ary tsy nandrava ireo tendrombohitra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَن دَعَوۡاْ لِلرَّحۡمَٰنِ وَلَدٗا
Noho izy ireo niantso fa ilay be Fiantrana dia manan-janaka.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَا يَنۢبَغِي لِلرَّحۡمَٰنِ أَن يَتَّخِذَ وَلَدًا
Kanefa tsy mendrika velively an’Ilay be Fiantrana ny hanan-janaka !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِن كُلُّ مَن فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ إِلَّآ ءَاتِي ٱلرَّحۡمَٰنِ عَبۡدٗا
Tsy inona akory izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ety an-tany, afa-tsy mpanompo, eo anatrehan’Ilay be Fiantrana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لَّقَدۡ أَحۡصَىٰهُمۡ وَعَدَّهُمۡ عَدّٗا
Tena marina fa notanisainy sy voaisany avokoa izy rehetra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَكُلُّهُمۡ ءَاتِيهِ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ فَرۡدًا
Ary amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty), dia hanatona Azy tsirairay amin'izy rehetra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: মাৰয়াম
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ