Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: মাৰয়াম   আয়াত:
وَنَٰدَيۡنَٰهُ مِن جَانِبِ ٱلطُّورِ ٱلۡأَيۡمَنِ وَقَرَّبۡنَٰهُ نَجِيّٗا
Ary nantsoinay Izy teo akaikin’ny tendrombohitra Sinaï, tamin’ny ilany havanana, ary nampanatoninay akaiky dia akaiky Izy sady nitenenanay.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَوَهَبۡنَا لَهُۥ مِن رَّحۡمَتِنَآ أَخَاهُ هَٰرُونَ نَبِيّٗا
Ary nohon'ny indrafonay dia nomenay Azy i Harona rahalahiny, ho Mpaminany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱذۡكُرۡ فِي ٱلۡكِتَٰبِ إِسۡمَٰعِيلَۚ إِنَّهُۥ كَانَ صَادِقَ ٱلۡوَعۡدِ وَكَانَ رَسُولٗا نَّبِيّٗا
Ary tsiahivo ao amin’ny Boky (Koo’any) i Ismael, mitana ny teny nomena izy, sady iraka no Mpaminany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَكَانَ يَأۡمُرُ أَهۡلَهُۥ بِٱلصَّلَوٰةِ وَٱلزَّكَوٰةِ وَكَانَ عِندَ رَبِّهِۦ مَرۡضِيّٗا
Ary nandidy ny fianakaviany Izy mba hanatanteraka ny Soalat (vavaka) sy ny Zakat (harena fiantrana), ary nahazo fankasitrahana tamin’ny Tompony Izy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱذۡكُرۡ فِي ٱلۡكِتَٰبِ إِدۡرِيسَۚ إِنَّهُۥ كَانَ صِدِّيقٗا نَّبِيّٗا
Ary tsiahivo ao amin’ny Boky (Koroany) i Idris, Olo-marina no sady Mpaminany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَرَفَعۡنَٰهُ مَكَانًا عَلِيًّا
Ary nasondrotray amin’ny toerana ambony Izy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ أَنۡعَمَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِم مِّنَ ٱلنَّبِيِّـۧنَ مِن ذُرِّيَّةِ ءَادَمَ وَمِمَّنۡ حَمَلۡنَا مَعَ نُوحٖ وَمِن ذُرِّيَّةِ إِبۡرَٰهِيمَ وَإِسۡرَٰٓءِيلَ وَمِمَّنۡ هَدَيۡنَا وَٱجۡتَبَيۡنَآۚ إِذَا تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِمۡ ءَايَٰتُ ٱلرَّحۡمَٰنِ خَرُّواْۤ سُجَّدٗاۤ وَبُكِيّٗا۩
Izy ireny no nomen’i Allah fahasoavana, tamin’ireo Mpaminany, tamin’ireo taranakan’i Adama, sy tamin’ireo nen-tinay niaraka tamin’i Noa, sy tamin’ireo taranakan’i Ibrahimo sy Israely, ary koa tamin’ireo izay notarihanay sy nosafidinay. Rehefa vakiana amin’izy ireo, ireo andininy avy amin’Ilay be Fiantrana dia miantoraka sy miara-miankohoka sady mitomany izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
۞ فَخَلَفَ مِنۢ بَعۡدِهِمۡ خَلۡفٌ أَضَاعُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَٱتَّبَعُواْ ٱلشَّهَوَٰتِۖ فَسَوۡفَ يَلۡقَوۡنَ غَيًّا
Avy eo dia nandimby azy ireo (taranaka) izay nanao tsirambina ny Soalat (vavaka) sy nanaraka ny sitrapony. Tsy ho ela dia hihatra amin’izy ireo ny fahaverezana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِلَّا مَن تَابَ وَءَامَنَ وَعَمِلَ صَٰلِحٗا فَأُوْلَٰٓئِكَ يَدۡخُلُونَ ٱلۡجَنَّةَ وَلَا يُظۡلَمُونَ شَيۡـٔٗا
Afa tsy izay mibebaka, sy mino ary manao asa soa, izy ireny no hiditra ao anatin’ny paradisa, ary tsy hiangarana mihitsy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
جَنَّٰتِ عَدۡنٍ ٱلَّتِي وَعَدَ ٱلرَّحۡمَٰنُ عِبَادَهُۥ بِٱلۡغَيۡبِۚ إِنَّهُۥ كَانَ وَعۡدُهُۥ مَأۡتِيّٗا
Ao amin’ireo zaridain’i Paradisa (fonenana mandrakizay) izay nampanantenain’Ilay be Fiantrana ho an’ireo mpanompony, (izay nino) ny zava-miafina.Tena marina fa izany fampanantenana izany, dia tsy hisalasalana fa tsy maintsy ho tonga.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لَّا يَسۡمَعُونَ فِيهَا لَغۡوًا إِلَّا سَلَٰمٗاۖ وَلَهُمۡ رِزۡقُهُمۡ فِيهَا بُكۡرَةٗ وَعَشِيّٗا
Izy ireo dia tsy haheno teny tsy mendrika ao; tsy misy afa tsy (ny fitenenana) hoe : ” salam”(fiadanana); ary hanana ny anjara sakafony maraina sy hariva izy ireo ao.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
تِلۡكَ ٱلۡجَنَّةُ ٱلَّتِي نُورِثُ مِنۡ عِبَادِنَا مَن كَانَ تَقِيّٗا
Izany no Paradisa izay hampandovanay ireo mpanomponay izay manam- patahorana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَا نَتَنَزَّلُ إِلَّا بِأَمۡرِ رَبِّكَۖ لَهُۥ مَا بَيۡنَ أَيۡدِينَا وَمَا خَلۡفَنَا وَمَا بَيۡنَ ذَٰلِكَۚ وَمَا كَانَ رَبُّكَ نَسِيّٗا
Ary tsy midina Izahay raha tsy araka ny didy avy amin’ny Tomponao. Azy avokoa izay eo anoloanay sy izay aorianay ary izay rehetra eo anelanelan’izy Roa. Tsy mba manadino na inona na inona ny Tomponao.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: মাৰয়াম
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ