Check out the new design

የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል * - የትርጉሞች ማዉጫ


የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አልን ኑር   አንቀጽ:
إِنَّ ٱلَّذِينَ جَآءُو بِٱلۡإِفۡكِ عُصۡبَةٞ مِّنكُمۡۚ لَا تَحۡسَبُوهُ شَرّٗا لَّكُمۖ بَلۡ هُوَ خَيۡرٞ لَّكُمۡۚ لِكُلِّ ٱمۡرِيٕٖ مِّنۡهُم مَّا ٱكۡتَسَبَ مِنَ ٱلۡإِثۡمِۚ وَٱلَّذِي تَوَلَّىٰ كِبۡرَهُۥ مِنۡهُمۡ لَهُۥ عَذَابٌ عَظِيمٞ
Marina fa ireo izay tonga niaraka tamin’ny fanendrikendrehana dia andian’olona avy taminareo ihany. Aza mihevitra fa ratsy ho anareo izany, nefa tsara ho anareo kosa. Ny tsirairay amin’izy ireo dia samy tompon’andraikitra amin’ny fahotana vitany. Ary izay nandray anjara lehibe indrindra tamin’izy ireo dia ahazo famaizana goavana indrindra.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
لَّوۡلَآ إِذۡ سَمِعۡتُمُوهُ ظَنَّ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ وَٱلۡمُؤۡمِنَٰتُ بِأَنفُسِهِمۡ خَيۡرٗا وَقَالُواْ هَٰذَآ إِفۡكٞ مُّبِينٞ
Nahoana àry rehefa hainonareo izany (fanendrikendrehana), mba nieritreritra ny mpino lahy sy mpino vavy eritreritra tsara ho an’ny tenan’izy ireo ihany, ary niteny izy ireo hoe : “Izany dia fanendrikendrehana miharihary”.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
لَّوۡلَا جَآءُو عَلَيۡهِ بِأَرۡبَعَةِ شُهَدَآءَۚ فَإِذۡ لَمۡ يَأۡتُواْ بِٱلشُّهَدَآءِ فَأُوْلَٰٓئِكَ عِندَ ٱللَّهِ هُمُ ٱلۡكَٰذِبُونَ
Nahoana koa izy ireo no tsy nitondra vavolombelona efatra. Koa raha tsy nitondra ireo vavolombelona izy ireo, dia izy ireny no mpandainga eo anatrehan’I Allah.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَلَوۡلَا فَضۡلُ ٱللَّهِ عَلَيۡكُمۡ وَرَحۡمَتُهُۥ فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِ لَمَسَّكُمۡ فِي مَآ أَفَضۡتُمۡ فِيهِ عَذَابٌ عَظِيمٌ
Ary raha tsy noho ny fahasoavan’I Allah aminareo sy ny famindram-pony eto an-tany sy any ankoatra, dia famaizana goavana no nihatra taminareo noho izany (fanendrikendrehana) naelinareo izany.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
إِذۡ تَلَقَّوۡنَهُۥ بِأَلۡسِنَتِكُمۡ وَتَقُولُونَ بِأَفۡوَاهِكُم مَّا لَيۡسَ لَكُم بِهِۦ عِلۡمٞ وَتَحۡسَبُونَهُۥ هَيِّنٗا وَهُوَ عِندَ ٱللَّهِ عَظِيمٞ
Raha nampiely tsaho avy amin’ny lelanareo ianareo, sy niteny tamin’ny vavanareo izay tsy anananareo fahalalana momba Azy. Ary nihevitra ianareo fa maivana izany, nefa goavana tokoa eo anatrehan’I Allah.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَلَوۡلَآ إِذۡ سَمِعۡتُمُوهُ قُلۡتُم مَّا يَكُونُ لَنَآ أَن نَّتَكَلَّمَ بِهَٰذَا سُبۡحَٰنَكَ هَٰذَا بُهۡتَٰنٌ عَظِيمٞ
Ary nahoana àry rehefa henonareo izany no tsy niteny ianareo hoe : “Tsy mendrika anay ny hilaza izany. Voninahitra ho Anao (Allah), tena fanendrikendrehana goavana izany".
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
يَعِظُكُمُ ٱللَّهُ أَن تَعُودُواْ لِمِثۡلِهِۦٓ أَبَدًا إِن كُنتُم مُّؤۡمِنِينَ
Mananatra anareo I Allah mba tsy hiverenanareo amin’ny zavatra toy izany intsony, raha tena mpino tokoa ianareo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَيُبَيِّنُ ٱللَّهُ لَكُمُ ٱلۡأٓيَٰتِۚ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٌ
Ary manazava aminareo ireo fanambaran'I Allah. Ary I Allah dia mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
إِنَّ ٱلَّذِينَ يُحِبُّونَ أَن تَشِيعَ ٱلۡفَٰحِشَةُ فِي ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِۚ وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ وَأَنتُمۡ لَا تَعۡلَمُونَ
Marina fa ireo izay tia manaparitaka ny fahavetavetana amin’ireo izay nino, ho an’izy ireo ny famaizana mangirifiry eto an-tany sy any ankoatra. I Allah dia mahafantatra fa ianareo kosa dia tsy mahafantatra.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَلَوۡلَا فَضۡلُ ٱللَّهِ عَلَيۡكُمۡ وَرَحۡمَتُهُۥ وَأَنَّ ٱللَّهَ رَءُوفٞ رَّحِيمٞ
Ary raha tsy noho ny fahasoavan’I Allah aminareo sy ny famindram-pony. Ary marina fa I Allah dia be Fangoraham-po sy be Indrafo.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
 
የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አልን ኑር
የምዕራፎች ማውጫ የገፅ ቁጥር
 
የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል - የትርጉሞች ማዉጫ

ሩዋድ የትርጉም ማዕከል ከ ረብዋ የዳዕዋ ማህበር እና ከ የእስልምና ይዘት በተለያዩ ቋንቋዎች አገልግሎት ማህበር ጋር በመተባበር የተተረጎመ

መዝጋት