Check out the new design

அல்குர்ஆன் மொழிபெயர்ப்பு - மலாகாசி மொழிபெயர்ப்பு - மொழிபெயர்ப்பு முன்னோடிகள் மையம் * - மொழிபெயர்ப்பு அட்டவணை


மொழிபெயர்ப்பு அத்தியாயம்: அந்நூர்   வசனம்:
إِنَّ ٱلَّذِينَ جَآءُو بِٱلۡإِفۡكِ عُصۡبَةٞ مِّنكُمۡۚ لَا تَحۡسَبُوهُ شَرّٗا لَّكُمۖ بَلۡ هُوَ خَيۡرٞ لَّكُمۡۚ لِكُلِّ ٱمۡرِيٕٖ مِّنۡهُم مَّا ٱكۡتَسَبَ مِنَ ٱلۡإِثۡمِۚ وَٱلَّذِي تَوَلَّىٰ كِبۡرَهُۥ مِنۡهُمۡ لَهُۥ عَذَابٌ عَظِيمٞ
Marina fa ireo izay tonga niaraka tamin’ny fanendrikendrehana dia andian’olona avy taminareo ihany. Aza mihevitra fa ratsy ho anareo izany, nefa tsara ho anareo kosa. Ny tsirairay amin’izy ireo dia samy tompon’andraikitra amin’ny fahotana vitany. Ary izay nandray anjara lehibe indrindra tamin’izy ireo dia ahazo famaizana goavana indrindra.
அரபு விரிவுரைகள்:
لَّوۡلَآ إِذۡ سَمِعۡتُمُوهُ ظَنَّ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ وَٱلۡمُؤۡمِنَٰتُ بِأَنفُسِهِمۡ خَيۡرٗا وَقَالُواْ هَٰذَآ إِفۡكٞ مُّبِينٞ
Nahoana àry rehefa hainonareo izany (fanendrikendrehana), mba nieritreritra ny mpino lahy sy mpino vavy eritreritra tsara ho an’ny tenan’izy ireo ihany, ary niteny izy ireo hoe : “Izany dia fanendrikendrehana miharihary”.
அரபு விரிவுரைகள்:
لَّوۡلَا جَآءُو عَلَيۡهِ بِأَرۡبَعَةِ شُهَدَآءَۚ فَإِذۡ لَمۡ يَأۡتُواْ بِٱلشُّهَدَآءِ فَأُوْلَٰٓئِكَ عِندَ ٱللَّهِ هُمُ ٱلۡكَٰذِبُونَ
Nahoana koa izy ireo no tsy nitondra vavolombelona efatra. Koa raha tsy nitondra ireo vavolombelona izy ireo, dia izy ireny no mpandainga eo anatrehan’I Allah.
அரபு விரிவுரைகள்:
وَلَوۡلَا فَضۡلُ ٱللَّهِ عَلَيۡكُمۡ وَرَحۡمَتُهُۥ فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِ لَمَسَّكُمۡ فِي مَآ أَفَضۡتُمۡ فِيهِ عَذَابٌ عَظِيمٌ
Ary raha tsy noho ny fahasoavan’I Allah aminareo sy ny famindram-pony eto an-tany sy any ankoatra, dia famaizana goavana no nihatra taminareo noho izany (fanendrikendrehana) naelinareo izany.
அரபு விரிவுரைகள்:
إِذۡ تَلَقَّوۡنَهُۥ بِأَلۡسِنَتِكُمۡ وَتَقُولُونَ بِأَفۡوَاهِكُم مَّا لَيۡسَ لَكُم بِهِۦ عِلۡمٞ وَتَحۡسَبُونَهُۥ هَيِّنٗا وَهُوَ عِندَ ٱللَّهِ عَظِيمٞ
Raha nampiely tsaho avy amin’ny lelanareo ianareo, sy niteny tamin’ny vavanareo izay tsy anananareo fahalalana momba Azy. Ary nihevitra ianareo fa maivana izany, nefa goavana tokoa eo anatrehan’I Allah.
அரபு விரிவுரைகள்:
وَلَوۡلَآ إِذۡ سَمِعۡتُمُوهُ قُلۡتُم مَّا يَكُونُ لَنَآ أَن نَّتَكَلَّمَ بِهَٰذَا سُبۡحَٰنَكَ هَٰذَا بُهۡتَٰنٌ عَظِيمٞ
Ary nahoana àry rehefa henonareo izany no tsy niteny ianareo hoe : “Tsy mendrika anay ny hilaza izany. Voninahitra ho Anao (Allah), tena fanendrikendrehana goavana izany".
அரபு விரிவுரைகள்:
يَعِظُكُمُ ٱللَّهُ أَن تَعُودُواْ لِمِثۡلِهِۦٓ أَبَدًا إِن كُنتُم مُّؤۡمِنِينَ
Mananatra anareo I Allah mba tsy hiverenanareo amin’ny zavatra toy izany intsony, raha tena mpino tokoa ianareo.
அரபு விரிவுரைகள்:
وَيُبَيِّنُ ٱللَّهُ لَكُمُ ٱلۡأٓيَٰتِۚ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٌ
Ary manazava aminareo ireo fanambaran'I Allah. Ary I Allah dia mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena.
அரபு விரிவுரைகள்:
إِنَّ ٱلَّذِينَ يُحِبُّونَ أَن تَشِيعَ ٱلۡفَٰحِشَةُ فِي ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِۚ وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ وَأَنتُمۡ لَا تَعۡلَمُونَ
Marina fa ireo izay tia manaparitaka ny fahavetavetana amin’ireo izay nino, ho an’izy ireo ny famaizana mangirifiry eto an-tany sy any ankoatra. I Allah dia mahafantatra fa ianareo kosa dia tsy mahafantatra.
அரபு விரிவுரைகள்:
وَلَوۡلَا فَضۡلُ ٱللَّهِ عَلَيۡكُمۡ وَرَحۡمَتُهُۥ وَأَنَّ ٱللَّهَ رَءُوفٞ رَّحِيمٞ
Ary raha tsy noho ny fahasoavan’I Allah aminareo sy ny famindram-pony. Ary marina fa I Allah dia be Fangoraham-po sy be Indrafo.
அரபு விரிவுரைகள்:
 
மொழிபெயர்ப்பு அத்தியாயம்: அந்நூர்
அத்தியாயங்களின் அட்டவணை பக்க எண்
 
அல்குர்ஆன் மொழிபெயர்ப்பு - மலாகாசி மொழிபெயர்ப்பு - மொழிபெயர்ப்பு முன்னோடிகள் மையம் - மொழிபெயர்ப்பு அட்டவணை

அர்ருவ்வாத் மொழிபெயர்ப்பு மையத்தின் குழு அல்-ரப்வா அழைப்பு சங்கம் மற்றும் பல் மொழிகளில் இஸ்லாமிய உள்ளடக்கத்திற்கு சேவை செய்யும் சங்கத்துடன் இணைந்து மொழிபெயர்த்துள்ளது.

மூடுக