Check out the new design

የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል * - የትርጉሞች ማዉጫ


የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አልን ኑር   አንቀጽ:
يُقَلِّبُ ٱللَّهُ ٱلَّيۡلَ وَٱلنَّهَارَۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَعِبۡرَةٗ لِّأُوْلِي ٱلۡأَبۡصَٰرِ
Mampifandimby ny alina sy ny andro I Allah. Tena marina fa amin’izany dia misy ny fisintonan-tsaina handinika ho an’ireo izay manam-paharetana.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَٱللَّهُ خَلَقَ كُلَّ دَآبَّةٖ مِّن مَّآءٖۖ فَمِنۡهُم مَّن يَمۡشِي عَلَىٰ بَطۡنِهِۦ وَمِنۡهُم مَّن يَمۡشِي عَلَىٰ رِجۡلَيۡنِ وَمِنۡهُم مَّن يَمۡشِي عَلَىٰٓ أَرۡبَعٖۚ يَخۡلُقُ ٱللَّهُ مَا يَشَآءُۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ
Ary I Allah dia nahary ny biby rehetra avy amin’ny rano, ka misy amin’izy ireny no mikisaka amin’ny kibony, ny hafa dia mandeha amin’ny tongotra roa, ary misy ihany koa mandeha amin’ny tongotra efatra. Ary I Allah dia nahary izay sitrany, ary marina fa I Allah dia mahefa ny zava-drehetra.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
لَّقَدۡ أَنزَلۡنَآ ءَايَٰتٖ مُّبَيِّنَٰتٖۚ وَٱللَّهُ يَهۡدِي مَن يَشَآءُ إِلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ
Efa nampidininay tokoa ireo fanambarana mazava, ary I Allah dia mitari-dalana izay sitrany mankany amin’ny lalana mahitsy.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَيَقُولُونَ ءَامَنَّا بِٱللَّهِ وَبِٱلرَّسُولِ وَأَطَعۡنَا ثُمَّ يَتَوَلَّىٰ فَرِيقٞ مِّنۡهُم مِّنۢ بَعۡدِ ذَٰلِكَۚ وَمَآ أُوْلَٰٓئِكَ بِٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Ary niteny izy ireo hoe : “Mino an’I Allah sy ny Irany izahay, ary mankato Azy”. Ary taorian’izany, nisy andiany iray tamin’izy ireo nitodi-damosina (nivadika), izy ireny dia tsy mba mpino mihitsy.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَإِذَا دُعُوٓاْ إِلَى ٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ لِيَحۡكُمَ بَيۡنَهُمۡ إِذَا فَرِيقٞ مِّنۡهُم مُّعۡرِضُونَ
Ary raha antsoina mankany amin’I Allah sy ny Irany izy ireo mba hitsarany azy ireo, dia indro misy andiany tamin’izy ireo manohitra izany tanteraka.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَإِن يَكُن لَّهُمُ ٱلۡحَقُّ يَأۡتُوٓاْ إِلَيۡهِ مُذۡعِنِينَ
Nefa raha nanana ny fahamarinana izy ireo, dia tonga teo Aminy izy ireo amim-panetren-tena.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
أَفِي قُلُوبِهِم مَّرَضٌ أَمِ ٱرۡتَابُوٓاْ أَمۡ يَخَافُونَ أَن يَحِيفَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِمۡ وَرَسُولُهُۥۚ بَلۡ أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلظَّٰلِمُونَ
Moa ve misy aretina ao am-pon’izy ireo ? Na miahiahy izy ireo, ka matahotra sao hitongilana amin’izy ireo (ny fitsaran)I Allah sy ny Irany ? Tsia ! Fa izy ireny no mpanao ny tsy rariny.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
إِنَّمَا كَانَ قَوۡلَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ إِذَا دُعُوٓاْ إِلَى ٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ لِيَحۡكُمَ بَيۡنَهُمۡ أَن يَقُولُواْ سَمِعۡنَا وَأَطَعۡنَاۚ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُفۡلِحُونَ
Ny teny tokan’ireo mpino, raha antsoina mankany amin’I Allah sy ny Irany, mba hitsarany azy ireo dia ny hoe : “ Henonay sy ankatoavinay ”, izy ireny no hahazo fahombiazana.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
وَمَن يُطِعِ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥ وَيَخۡشَ ٱللَّهَ وَيَتَّقۡهِ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡفَآئِزُونَ
Ary na iza na iza mankato an’I Allah sy ny Irany, ary manetry tena amin’I Allah sy matahotra Azy, dia izy ireny no hahazo fahasambarana.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
۞ وَأَقۡسَمُواْ بِٱللَّهِ جَهۡدَ أَيۡمَٰنِهِمۡ لَئِنۡ أَمَرۡتَهُمۡ لَيَخۡرُجُنَّۖ قُل لَّا تُقۡسِمُواْۖ طَاعَةٞ مَّعۡرُوفَةٌۚ إِنَّ ٱللَّهَ خَبِيرُۢ بِمَا تَعۡمَلُونَ
Ary mianiana amin’I Allah izy ireo amin’ny fianianana manetriketrika, fa raha mandidy azy ireo ianao, dia hivoaka tokoa izy ireo (amin’ny ady), dia teneno hoe : “Koa aza mianiana àry ianareo, (efa fantatray tsara) ny fankatoavanareo (am-bava), fa tena mahalala tsara izay ataonareo I Allah”.
የአረብኛ ቁርኣን ማብራሪያ:
 
የይዘት ትርጉም ምዕራፍ: አልን ኑር
የምዕራፎች ማውጫ የገፅ ቁጥር
 
የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል - የትርጉሞች ማዉጫ

ሩዋድ የትርጉም ማዕከል ከ ረብዋ የዳዕዋ ማህበር እና ከ የእስልምና ይዘት በተለያዩ ቋንቋዎች አገልግሎት ማህበር ጋር በመተባበር የተተረጎመ

መዝጋት