Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: مۇھەممەد   ئايەت:
وَلَوۡ نَشَآءُ لَأَرَيۡنَٰكَهُمۡ فَلَعَرَفۡتَهُم بِسِيمَٰهُمۡۚ وَلَتَعۡرِفَنَّهُمۡ فِي لَحۡنِ ٱلۡقَوۡلِۚ وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ أَعۡمَٰلَكُمۡ
Kanefa raha ny tianay, dia ho nampisehoinay taminao izany. Fantatrao tamin’ny endriny tokoa izy ireo, ary tsy maintsy fantatrao tamin’ny fomba fiteniny ihany koa. Eny; fantatr’I Allah izay ataonareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَنَبۡلُوَنَّكُمۡ حَتَّىٰ نَعۡلَمَ ٱلۡمُجَٰهِدِينَ مِنكُمۡ وَٱلصَّٰبِرِينَ وَنَبۡلُوَاْ أَخۡبَارَكُمۡ
Hampisedrainay tokoa ianareo mba hanavahanay ireo izay miady sy miaritra (nohon'ny anton’i Allah), ary hampihariharianay ny vaovao avy aminareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَصَدُّواْ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ وَشَآقُّواْ ٱلرَّسُولَ مِنۢ بَعۡدِ مَا تَبَيَّنَ لَهُمُ ٱلۡهُدَىٰ لَن يَضُرُّواْ ٱللَّهَ شَيۡـٔٗا وَسَيُحۡبِطُ أَعۡمَٰلَهُمۡ
Ireo tsy nino sy nisakana ny lalan’i Allah, ary nanohitra ny Mpaminany, taorian’ny nilazana mazava taminy ny lalana mahitsy, dia tsy afaka hanao ratsy amin’I Allah velively izy ireo. Ary hataon’I Allah very maina ny asan'izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
۞ يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ أَطِيعُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُواْ ٱلرَّسُولَ وَلَا تُبۡطِلُوٓاْ أَعۡمَٰلَكُمۡ
Oh ianareo mpino ! Aoka ianareo hankatoa an’I Allah, ary aoka ihany koa hankatoa ny iraka, fa aza avela ho very maina ny asanareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَصَدُّواْ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ ثُمَّ مَاتُواْ وَهُمۡ كُفَّارٞ فَلَن يَغۡفِرَ ٱللَّهُ لَهُمۡ
Ireo izay tsy nino sy nisakana ny lalan’i Allah ary maty tao anatin’ny tsy finoana, dia tsy hamela heloka azy ireo na oviana na oviana Allah.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَلَا تَهِنُواْ وَتَدۡعُوٓاْ إِلَى ٱلسَّلۡمِ وَأَنتُمُ ٱلۡأَعۡلَوۡنَ وَٱللَّهُ مَعَكُمۡ وَلَن يَتِرَكُمۡ أَعۡمَٰلَكُمۡ
Aza ketraka ianareo, ary aza miantso amin’ny fifampiraharahana ho ambony, satria miaraka aminareo hatrany Allah, ary tsy hanary ny valisoan'ny asanareo na oviana na oviana Izy.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
إِنَّمَا ٱلۡحَيَوٰةُ ٱلدُّنۡيَا لَعِبٞ وَلَهۡوٞۚ وَإِن تُؤۡمِنُواْ وَتَتَّقُواْ يُؤۡتِكُمۡ أُجُورَكُمۡ وَلَا يَسۡـَٔلۡكُمۡ أَمۡوَٰلَكُمۡ
Lalao sy fialam-boly ihany ny fiainana eto an-tany, kanefa raha mino sy matahotra an’I Allah ianareo, dia omeny valisoa ianareo, ary tsy hangataka ny fanananareo Izy.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
إِن يَسۡـَٔلۡكُمُوهَا فَيُحۡفِكُمۡ تَبۡخَلُواْ وَيُخۡرِجۡ أَضۡغَٰنَكُمۡ
Raha nangatahany izany ianareo, ka notereny, dia hahihitra ianareo, ary hasehony ny fankahalanareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
هَٰٓأَنتُمۡ هَٰٓؤُلَآءِ تُدۡعَوۡنَ لِتُنفِقُواْ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ فَمِنكُم مَّن يَبۡخَلُۖ وَمَن يَبۡخَلۡ فَإِنَّمَا يَبۡخَلُ عَن نَّفۡسِهِۦۚ وَٱللَّهُ ٱلۡغَنِيُّ وَأَنتُمُ ٱلۡفُقَرَآءُۚ وَإِن تَتَوَلَّوۡاْ يَسۡتَبۡدِلۡ قَوۡمًا غَيۡرَكُمۡ ثُمَّ لَا يَكُونُوٓاْ أَمۡثَٰلَكُم
Indro fa voaantso hanao fandaniana amin’ny lalan’i Allah ianareo. Hiseho mahihitra ny sasany aminareo. Izay mahihitra anefa dia mahihitra ho an’ny tenany ihany. Manana ny ampy tanteraka I Allah, fa ianareo kosa no mahantra. Ary raha mivily lalana ianareo, dia ho soloiny vahoaka hafa, izay tsy hitovy aminareo velively.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: مۇھەممەد
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش