Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: مۇھەممەد   ئايەت:
إِنَّ ٱللَّهَ يُدۡخِلُ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ جَنَّٰتٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُۖ وَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ يَتَمَتَّعُونَ وَيَأۡكُلُونَ كَمَا تَأۡكُلُ ٱلۡأَنۡعَٰمُ وَٱلنَّارُ مَثۡوٗى لَّهُمۡ
Ireo izay mino ka manao asa soa, dia hampidirin’I Allah amin’ny Paradisa izay misy renirano mikoriana eo ambaniny. Fa ireo tsy mino kosa, dia mitady fahafinaretana sy mihinana tahaka ny biby, ary ny afo no ho toeram-ponenan’izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَكَأَيِّن مِّن قَرۡيَةٍ هِيَ أَشَدُّ قُوَّةٗ مِّن قَرۡيَتِكَ ٱلَّتِيٓ أَخۡرَجَتۡكَ أَهۡلَكۡنَٰهُمۡ فَلَا نَاصِرَ لَهُمۡ
Ary firifiry ireo tanàna nopotehinay, matanjaka kokoa nohon'ny tanàna nandroahana anao, fa tsy nisy mpamonjy mihitsy izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
أَفَمَن كَانَ عَلَىٰ بَيِّنَةٖ مِّن رَّبِّهِۦ كَمَن زُيِّنَ لَهُۥ سُوٓءُ عَمَلِهِۦ وَٱتَّبَعُوٓاْ أَهۡوَآءَهُم
Izay mifikitra amin’ny porofo mazava avy amin’ny Tompony va dia hitovy amin’izay nohatsaraina teo imason'ny asa ratsiny, ka nanaraka ny sitra-pony ?
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
مَّثَلُ ٱلۡجَنَّةِ ٱلَّتِي وُعِدَ ٱلۡمُتَّقُونَۖ فِيهَآ أَنۡهَٰرٞ مِّن مَّآءٍ غَيۡرِ ءَاسِنٖ وَأَنۡهَٰرٞ مِّن لَّبَنٖ لَّمۡ يَتَغَيَّرۡ طَعۡمُهُۥ وَأَنۡهَٰرٞ مِّنۡ خَمۡرٖ لَّذَّةٖ لِّلشَّٰرِبِينَ وَأَنۡهَٰرٞ مِّنۡ عَسَلٖ مُّصَفّٗىۖ وَلَهُمۡ فِيهَا مِن كُلِّ ٱلثَّمَرَٰتِ وَمَغۡفِرَةٞ مِّن رَّبِّهِمۡۖ كَمَنۡ هُوَ خَٰلِدٞ فِي ٱلنَّارِ وَسُقُواْ مَآءً حَمِيمٗا فَقَطَّعَ أَمۡعَآءَهُمۡ
Toy izao ny Paradisa nampanantenaina ireo vontom-pinoana : misy renirano, tsy ho ratsy fofona mandrakizay ny rano ao aminy, ary renirano amin’ny ronono tsy miova ny tsirony, sy renirano amin’ny divay, matsiro ho an’ny mpisotro, ary renirano amin’ny rano tantely madio .Misy voankazo isan-karazany ho azy ireo ao, ary koa famelan-keloka avy amin’ny Tompony. Hitovy amin’ireo hipetraka mandrakizay ao amin’ny afo va izy ireo, izay hampisotroina rano mangotraka handrovitra ny tsinainy ?
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَمِنۡهُم مَّن يَسۡتَمِعُ إِلَيۡكَ حَتَّىٰٓ إِذَا خَرَجُواْ مِنۡ عِندِكَ قَالُواْ لِلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡعِلۡمَ مَاذَا قَالَ ءَانِفًاۚ أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ طَبَعَ ٱللَّهُ عَلَىٰ قُلُوبِهِمۡ وَٱتَّبَعُوٓاْ أَهۡوَآءَهُمۡ
Ary misy amin’izy ireo ny mihaino anao. Ka raha vao nivoaka tao aminao izy ireo, dia niteny tamin’ireo nahazo fahalalana hoe : “Inona no nolazainy teo ?" Hidin’I Allah ny fon'izy ireny fa nanaraka ny sitra-pony.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَٱلَّذِينَ ٱهۡتَدَوۡاْ زَادَهُمۡ هُدٗى وَءَاتَىٰهُمۡ تَقۡوَىٰهُمۡ
Fa izay nanaraka ny lalana mahitsy kosa, dia nampitomboiny ny fahitsin’izy ireo, ary nataony vontom-pinoana (izy ireo).
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَهَلۡ يَنظُرُونَ إِلَّا ٱلسَّاعَةَ أَن تَأۡتِيَهُم بَغۡتَةٗۖ فَقَدۡ جَآءَ أَشۡرَاطُهَاۚ فَأَنَّىٰ لَهُمۡ إِذَا جَآءَتۡهُمۡ ذِكۡرَىٰهُمۡ
Ny fahatongavan’ilay Ora tampoka va no andrasan’izy ireo ? kanefa dia efa tonga tokoa ireo famantarana mialoha. Ary ahoana no ahafahan’izy ireo hahatsiaro rehefa tonga tampoka izany ?
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَٱعۡلَمۡ أَنَّهُۥ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا ٱللَّهُ وَٱسۡتَغۡفِرۡ لِذَنۢبِكَ وَلِلۡمُؤۡمِنِينَ وَٱلۡمُؤۡمِنَٰتِۗ وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ مُتَقَلَّبَكُمۡ وَمَثۡوَىٰكُمۡ
Fantaro àry, fa tsy misy Tompo afa-tsy I Allah ary mangataha ny hamelany ny fahotanao sy an’ireo mpino, lahy na vavy. Fantatr’I Allah izay ataonareo, sy izay toerana hialanareo sasatra.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: مۇھەممەد
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش