Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: نىسا   ئايەت:
وَإِنۡ أَرَدتُّمُ ٱسۡتِبۡدَالَ زَوۡجٖ مَّكَانَ زَوۡجٖ وَءَاتَيۡتُمۡ إِحۡدَىٰهُنَّ قِنطَارٗا فَلَا تَأۡخُذُواْ مِنۡهُ شَيۡـًٔاۚ أَتَأۡخُذُونَهُۥ بُهۡتَٰنٗا وَإِثۡمٗا مُّبِينٗا
Raha Tianareo ny hanolo vady hafa eo amin’ny toeran’ny vady, ary efa nomenareo amin’iray amin’izy ireo ny Kintar [64], dia aoka Ianareo tsy handray amin’izany na dia kely aza. Moa ve haka izany tsy amin’ny rariny Ianareo, sy amim-pahotana mibaribary ?
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَكَيۡفَ تَأۡخُذُونَهُۥ وَقَدۡ أَفۡضَىٰ بَعۡضُكُمۡ إِلَىٰ بَعۡضٖ وَأَخَذۡنَ مِنكُم مِّيثَٰقًا غَلِيظٗا
Ary ahoana Ianareo no haka izany, ka nefa Ianareo efa niaiky nanao firaisana ny andaniny sy ny ankilany, ary efa nandray fanekena matotra avy taminareo izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَا تَنكِحُواْ مَا نَكَحَ ءَابَآؤُكُم مِّنَ ٱلنِّسَآءِ إِلَّا مَا قَدۡ سَلَفَۚ إِنَّهُۥ كَانَ فَٰحِشَةٗ وَمَقۡتٗا وَسَآءَ سَبِيلًا
Ary Ianareo aza manambady izay efa novadin’ny rainareo, amin’ireo vehivavy, afa-tsy izay efa vita tany aloha. Marina fa izany dia tena asa vetaveta sy maharikoriko, ary fitondran-tena ratsy tokoa izany !
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
حُرِّمَتۡ عَلَيۡكُمۡ أُمَّهَٰتُكُمۡ وَبَنَاتُكُمۡ وَأَخَوَٰتُكُمۡ وَعَمَّٰتُكُمۡ وَخَٰلَٰتُكُمۡ وَبَنَاتُ ٱلۡأَخِ وَبَنَاتُ ٱلۡأُخۡتِ وَأُمَّهَٰتُكُمُ ٱلَّٰتِيٓ أَرۡضَعۡنَكُمۡ وَأَخَوَٰتُكُم مِّنَ ٱلرَّضَٰعَةِ وَأُمَّهَٰتُ نِسَآئِكُمۡ وَرَبَٰٓئِبُكُمُ ٱلَّٰتِي فِي حُجُورِكُم مِّن نِّسَآئِكُمُ ٱلَّٰتِي دَخَلۡتُم بِهِنَّ فَإِن لَّمۡ تَكُونُواْ دَخَلۡتُم بِهِنَّ فَلَا جُنَاحَ عَلَيۡكُمۡ وَحَلَٰٓئِلُ أَبۡنَآئِكُمُ ٱلَّذِينَ مِنۡ أَصۡلَٰبِكُمۡ وَأَن تَجۡمَعُواْ بَيۡنَ ٱلۡأُخۡتَيۡنِ إِلَّا مَا قَدۡ سَلَفَۗ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ غَفُورٗا رَّحِيمٗا
Nofadiana ho Anareo ireo reninareo, ireo zanakareo vavy, ireo anabavinareo, ireo anabavin-drainareo, ireo rahavavin-dreninareo, ireo zanaka vavin’ny rahalahinareo, ireo zanaka vavin’ny anabavinareo, ireo reninareo izay nampinono Anareo, ireo anabavinareo ara-pinonoana, ireo renin’ireo vehivavy vadinareo, ireo vehivavy zana-badinareo izay ao an-tranonareo, avy amin’ireo vehivavy izay efa niraisanareo ara-nofo, fa raha mbola tsy niraisanareo ara-nofo kosa izy ireo dia tsy Anananareo tsiny, sy ireo vadin’ireo zanakareo (vinanto vavinareo) izay avy amin’ny taolan-tehezanareo, ary ny fanakambananareo ho vady ny mpirahavavy anakiroa [65] afa-tsy izay efa vita tany aloha. Tena marina fa i Allah dia tena be famelan-keloka sy be Indrafo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: نىسا
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش