Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: نىسا   ئايەت:
وَٱللَّهُ أَعۡلَمُ بِأَعۡدَآئِكُمۡۚ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ وَلِيّٗا وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ نَصِيرٗا
Ary I Allah no tena mahalala ireo fahavalonareo. Ary ampy ho Mpiahy I Allah. Ampy ho Mpanavotra I Allah.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
مِّنَ ٱلَّذِينَ هَادُواْ يُحَرِّفُونَ ٱلۡكَلِمَ عَن مَّوَاضِعِهِۦ وَيَقُولُونَ سَمِعۡنَا وَعَصَيۡنَا وَٱسۡمَعۡ غَيۡرَ مُسۡمَعٖ وَرَٰعِنَا لَيَّۢا بِأَلۡسِنَتِهِمۡ وَطَعۡنٗا فِي ٱلدِّينِۚ وَلَوۡ أَنَّهُمۡ قَالُواْ سَمِعۡنَا وَأَطَعۡنَا وَٱسۡمَعۡ وَٱنظُرۡنَا لَكَانَ خَيۡرٗا لَّهُمۡ وَأَقۡوَمَ وَلَٰكِن لَّعَنَهُمُ ٱللَّهُ بِكُفۡرِهِمۡ فَلَا يُؤۡمِنُونَ إِلَّا قَلِيلٗا
Misy amin’ireo Jiosy izay manova ny teny hiala amin’ny heviny, ka miteny hoe manao : “Henonay izany nefa tsy ankatoavinay”, “Henoy na dia tsy mihaino anao aza”, “Omeo lanja izahay ”, miteny ratsy ny lelan’izy ireo sady manenjika ny finoana. Ary raha mba miteny izy ireo hoe : “Henonay sy ankatoavinay”, “Henoy sy jereo izahay ”, dia tsara ho azy ireo izany sy tena mahitsy kokoa. Kanefa moa dia nozonin’I Allah izy ireo nohon'ny tsy finoany, ka tsy mino afa-tsy ny vitsy an'isa amin’izy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ ءَامِنُواْ بِمَا نَزَّلۡنَا مُصَدِّقٗا لِّمَا مَعَكُم مِّن قَبۡلِ أَن نَّطۡمِسَ وُجُوهٗا فَنَرُدَّهَا عَلَىٰٓ أَدۡبَارِهَآ أَوۡ نَلۡعَنَهُمۡ كَمَا لَعَنَّآ أَصۡحَٰبَ ٱلسَّبۡتِۚ وَكَانَ أَمۡرُ ٱللَّهِ مَفۡعُولًا
Ô ianareo izay nomena ny Boky ! Minoa ianareo an’izay efa nampidininay taminareo, izay manamarina ny eo am-pelatananareo, alohany Izahay hamafa ireo tarehy sy hanodinanay izany, ny aloha mankany aoriana; na hanozonanay azy ireo tahaka ny nanozonanay ireo olon’ny Sabata. Ary ny didin’I Allah dia tsy maintsy tanteraka.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
إِنَّ ٱللَّهَ لَا يَغۡفِرُ أَن يُشۡرَكَ بِهِۦ وَيَغۡفِرُ مَا دُونَ ذَٰلِكَ لِمَن يَشَآءُۚ وَمَن يُشۡرِكۡ بِٱللَّهِ فَقَدِ ٱفۡتَرَىٰٓ إِثۡمًا عَظِيمًا
Tena marina fa I Allah dia tsy mamela heloka raha hakambana amin’ny zavatra hafa Izy. Fa mamela heloka kosa Izy amin’izay ankoatra izany, ho an’izay sitrany. N'iza n'iza manakambana an’I Allah amin’ny zavatra hafa, dia efa nahavita fahotana lehibe.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِينَ يُزَكُّونَ أَنفُسَهُمۚ بَلِ ٱللَّهُ يُزَكِّي مَن يَشَآءُ وَلَا يُظۡلَمُونَ فَتِيلًا
Tsy hitanao ve ireo izay manadio ny tenany ? Kanefa I Allah no manadio izay sitrany; ary tsy ho hambakaina izy ireo na dia kely tahaka ny voan’atrendry aza.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
ٱنظُرۡ كَيۡفَ يَفۡتَرُونَ عَلَى ٱللَّهِ ٱلۡكَذِبَۖ وَكَفَىٰ بِهِۦٓ إِثۡمٗا مُّبِينًا
Mba jereo, ahoana ny fomba entin’izy ireo mamoron-dainga mahakasik’I Allah ? Ary ampy ho fahotana miharihary izany.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِينَ أُوتُواْ نَصِيبٗا مِّنَ ٱلۡكِتَٰبِ يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡجِبۡتِ وَٱلطَّٰغُوتِ وَيَقُولُونَ لِلَّذِينَ كَفَرُواْ هَٰٓؤُلَآءِ أَهۡدَىٰ مِنَ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ سَبِيلًا
Tsy hitanao ve ireo izay nomena anjara tamin’ny ampahan’ny Boky, mino ny sampy sy ny mpiara-miombon'antoka aminy, ary miteny an’ireo tsy nino manao hoe : “Izy ireny no voatari-dàlana kokoa noho ireo izay nino”?
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: نىسا
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش