Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: بەقەرە   ئايەت:
وَمَثَلُ ٱلَّذِينَ يُنفِقُونَ أَمۡوَٰلَهُمُ ٱبۡتِغَآءَ مَرۡضَاتِ ٱللَّهِ وَتَثۡبِيتٗا مِّنۡ أَنفُسِهِمۡ كَمَثَلِ جَنَّةِۭ بِرَبۡوَةٍ أَصَابَهَا وَابِلٞ فَـَٔاتَتۡ أُكُلَهَا ضِعۡفَيۡنِ فَإِن لَّمۡ يُصِبۡهَا وَابِلٞ فَطَلّٞۗ وَٱللَّهُ بِمَا تَعۡمَلُونَ بَصِيرٌ
Ary ireo izay mahafoy ny fananany tao anaty ny fikatsahana ny hafalian’Allah, sy fanamafisan’orina ny fanahin’izy ireo, dia sahala amin’ny tanimboly eny amin’ny tany avo. Ka rehefa nirotsaka taminy ny oram-baratra, dia vao mainka nampitombo ny vokatra teo aminy avo roa heny izany; fa raha tsy nanondraka azy kosa ny oram-baratra, dia ho avy ny andon’ny maraina. Fa hitan’Allah avokoa izay rehetra ataonareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
أَيَوَدُّ أَحَدُكُمۡ أَن تَكُونَ لَهُۥ جَنَّةٞ مِّن نَّخِيلٖ وَأَعۡنَابٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ لَهُۥ فِيهَا مِن كُلِّ ٱلثَّمَرَٰتِ وَأَصَابَهُ ٱلۡكِبَرُ وَلَهُۥ ذُرِّيَّةٞ ضُعَفَآءُ فَأَصَابَهَآ إِعۡصَارٞ فِيهِ نَارٞ فَٱحۡتَرَقَتۡۗ كَذَٰلِكَ يُبَيِّنُ ٱللَّهُ لَكُمُ ٱلۡأٓيَٰتِ لَعَلَّكُمۡ تَتَفَكَّرُونَ
Fanirian’ny tsirairay aminareo va ny hanana tanimboly misy antrendry sy voaloboka? ikorianan’ireo renirano isankarazany avy eo ambaniny, ka azy daholo ireo voankazo rehetra ao, taty aoriana dia tonga taminy ny fahanterana, nefa mbola kely ireo zanany, tamin’izay, dia namely ny tanimboly ny tadio mitondra afo, ka dia kila forehitra izany. Toy izany no hanazavan’Allah aminareo ireo porofo famantarana, mba hieritreretanareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ أَنفِقُواْ مِن طَيِّبَٰتِ مَا كَسَبۡتُمۡ وَمِمَّآ أَخۡرَجۡنَا لَكُم مِّنَ ٱلۡأَرۡضِۖ وَلَا تَيَمَّمُواْ ٱلۡخَبِيثَ مِنۡهُ تُنفِقُونَ وَلَسۡتُم بِـَٔاخِذِيهِ إِلَّآ أَن تُغۡمِضُواْ فِيهِۚ وَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ غَنِيٌّ حَمِيدٌ
O ianareo mpino ! Aoka ianareo hahafoy ampahany amin’ireo vokatsoa voahangonareo, sy ampahany tamin’izay navoakanay avy ao amin’ny tany ho anareo. Ary aoka mba tsy izay ratsy amin’izany no hafoinareo, fa na ianareo aza dia tsy handray izany na oviana na oviana raha tsy minia mikimpy. Ary aoka ho fantatrareo fa Allah no tompon’ny harena ka mendri-piderana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
ٱلشَّيۡطَٰنُ يَعِدُكُمُ ٱلۡفَقۡرَ وَيَأۡمُرُكُم بِٱلۡفَحۡشَآءِۖ وَٱللَّهُ يَعِدُكُم مَّغۡفِرَةٗ مِّنۡهُ وَفَضۡلٗاۗ وَٱللَّهُ وَٰسِعٌ عَلِيمٞ
Ny Satana dia mampanantena anareo ny fahantrana, sy maniraka anareo amin’ny asa vetaveta; fa i Allah kosa dia mampanantena Anareo ny famelan-keloka avy Aminy sy ny fahasoavana. Ary i Allah dia Malàla-tànana sy Mahay ny zava-drehetra.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
يُؤۡتِي ٱلۡحِكۡمَةَ مَن يَشَآءُۚ وَمَن يُؤۡتَ ٱلۡحِكۡمَةَ فَقَدۡ أُوتِيَ خَيۡرٗا كَثِيرٗاۗ وَمَا يَذَّكَّرُ إِلَّآ أُوْلُواْ ٱلۡأَلۡبَٰبِ
Manome fahendrena an’izay sitrany Izy (Allah), ary izay nomena ny fahendrena dia tena efa nahazo fahasoavana maro. Ary tsy misy mahatsapa (izany) afa-tsy ireo matsilo saina.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: بەقەرە
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش