Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: بەقەرە   ئايەت:
وَلَا تَقُولُواْ لِمَن يُقۡتَلُ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ أَمۡوَٰتُۢۚ بَلۡ أَحۡيَآءٞ وَلَٰكِن لَّا تَشۡعُرُونَ
Aza lazainareo ho toy ny maty rehetra izay namoy ny ainy tamin’ny làlan’Allah. Fa raha ny marina, dia velona izy ireny, fa saingy tsy mahatsapa izany ianareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَنَبۡلُوَنَّكُم بِشَيۡءٖ مِّنَ ٱلۡخَوۡفِ وَٱلۡجُوعِ وَنَقۡصٖ مِّنَ ٱلۡأَمۡوَٰلِ وَٱلۡأَنفُسِ وَٱلثَّمَرَٰتِۗ وَبَشِّرِ ٱلصَّٰبِرِينَ
Fa Izahay dia tsy maintsy mampandalo fitsapana anareo amin’ny tebiteby, hanoanana, fihenan-karena sy ny olona ary ny vokatra. Koa ilazao vaovao mahafaly ireo manampaharetana;
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
ٱلَّذِينَ إِذَآ أَصَٰبَتۡهُم مُّصِيبَةٞ قَالُوٓاْ إِنَّا لِلَّهِ وَإِنَّآ إِلَيۡهِ رَٰجِعُونَ
Ireo izay, raha misy fahoriana manjò azy ireo, dia miteny hoe : “ tena marina fa an’Allah izahay ary any Aminy tokoa no hiverenanay ".
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
أُوْلَٰٓئِكَ عَلَيۡهِمۡ صَلَوَٰتٞ مِّن رَّبِّهِمۡ وَرَحۡمَةٞۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُهۡتَدُونَ
Izy ireny no hahazo ny tso-drano avy amin’ny Tompony sy ny indrafony. ary izy ireny no tena voatari-dàlana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
۞ إِنَّ ٱلصَّفَا وَٱلۡمَرۡوَةَ مِن شَعَآئِرِ ٱللَّهِۖ فَمَنۡ حَجَّ ٱلۡبَيۡتَ أَوِ ٱعۡتَمَرَ فَلَا جُنَاحَ عَلَيۡهِ أَن يَطَّوَّفَ بِهِمَاۚ وَمَن تَطَوَّعَ خَيۡرٗا فَإِنَّ ٱللَّهَ شَاكِرٌ عَلِيمٌ
Tena marina fa ny tendrombohitr’i Safà sy Marwà, dia anisan’ireo toerana Masin'i Allah, ka na iza na iza manao Hajj sy Oumra any amin’ilay trano masina dia tsy misy tsiny raha mivezivezy (im-pito) eo anelanelan’izy roa. Ary na iza na iza manao asa soa mihoatra an-tsitrapo, dia Allah no mahay mankasitraka indrindra sy Mahalàla ny zavatra rehetra.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
إِنَّ ٱلَّذِينَ يَكۡتُمُونَ مَآ أَنزَلۡنَا مِنَ ٱلۡبَيِّنَٰتِ وَٱلۡهُدَىٰ مِنۢ بَعۡدِ مَا بَيَّنَّٰهُ لِلنَّاسِ فِي ٱلۡكِتَٰبِ أُوْلَٰٓئِكَ يَلۡعَنُهُمُ ٱللَّهُ وَيَلۡعَنُهُمُ ٱللَّٰعِنُونَ
Tena marina fa ireo manafina izay nampidininay, amin’ireo porofo maro samihafa sy ny tari-dàlana, taorian’ny nanazavanay izany tamin'ny olombelona, tao anatin’ny Boky, izy ireny no ozonin’Allah ary hanozona azy ireo koa ireo mpanozona.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
إِلَّا ٱلَّذِينَ تَابُواْ وَأَصۡلَحُواْ وَبَيَّنُواْ فَأُوْلَٰٓئِكَ أَتُوبُ عَلَيۡهِمۡ وَأَنَا ٱلتَّوَّابُ ٱلرَّحِيمُ
Afa-tsy ireo izay nibebaka sy nanarina ny tenany ary nanambara ny marina, izy ireny no ekeko ny fibebahany. fa Izaho ilay mpandray ny fibebahana, ilay be fiantrana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَمَاتُواْ وَهُمۡ كُفَّارٌ أُوْلَٰٓئِكَ عَلَيۡهِمۡ لَعۡنَةُ ٱللَّهِ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ وَٱلنَّاسِ أَجۡمَعِينَ
Tena marina fa ireo izay tsy nino ka maty tsy mpino, izy ireny no iharan’ny ozon’ i Allah sy ny an’ireo Anjely ary ny an’olombelona rehetra.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
خَٰلِدِينَ فِيهَا لَا يُخَفَّفُ عَنۡهُمُ ٱلۡعَذَابُ وَلَا هُمۡ يُنظَرُونَ
Hitoetra ao mandrakizay izy ireo. tsy ho hamaivanina amin’izy ireo ny famaizana, ary tsy hisy hijery azy ireo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِلَٰهُكُمۡ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞۖ لَّآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ٱلرَّحۡمَٰنُ ٱلرَّحِيمُ
Ary ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana. tsy misy Zanahary afa-tsy Izy (Allah), ilay be Indrafò, ilay be fiantrana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: بەقەرە
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش