Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: يۈسۈپ   ئايەت:
قَالَ هَلۡ ءَامَنُكُمۡ عَلَيۡهِ إِلَّا كَمَآ أَمِنتُكُمۡ عَلَىٰٓ أَخِيهِ مِن قَبۡلُ فَٱللَّهُ خَيۡرٌ حَٰفِظٗاۖ وَهُوَ أَرۡحَمُ ٱلرَّٰحِمِينَ
Niteny Izy (rain’izy ireo) ka nanao hoe : ” Moa va hatoky Anareo indray Aho, tahaka ny fahatokisako Anareo tamin’ny Rahalahiny teo aloha ? Nefa i Allah no Mpiaro mendrika indrindra, ary Izy no tena be Indrafo amin’ireo Mpamindra-fo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَمَّا فَتَحُواْ مَتَٰعَهُمۡ وَجَدُواْ بِضَٰعَتَهُمۡ رُدَّتۡ إِلَيۡهِمۡۖ قَالُواْ يَٰٓأَبَانَا مَا نَبۡغِيۖ هَٰذِهِۦ بِضَٰعَتُنَا رُدَّتۡ إِلَيۡنَاۖ وَنَمِيرُ أَهۡلَنَا وَنَحۡفَظُ أَخَانَا وَنَزۡدَادُ كَيۡلَ بَعِيرٖۖ ذَٰلِكَ كَيۡلٞ يَسِيرٞ
Ary rehefa nanokatra ny kitapony izy ireo, dia hitan’izy ireo tao fa naverina tamin’izy ireo ny entany. Niteny izy ireo ka nanao hoe : ” O ry dadanay o ! Inona indray no tadiavintsika ? Fa indro naverina amintsika ny entantsika, ka afaka hamatsy ny fianakaviana Isika, koa hanara-maso akaiky ny Rahalahinay Izahay, ary hampianay iray hafa indray ny entan’ny rameva. Izany dia mora amin’ny fahazoana entana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قَالَ لَنۡ أُرۡسِلَهُۥ مَعَكُمۡ حَتَّىٰ تُؤۡتُونِ مَوۡثِقٗا مِّنَ ٱللَّهِ لَتَأۡتُنَّنِي بِهِۦٓ إِلَّآ أَن يُحَاطَ بِكُمۡۖ فَلَمَّآ ءَاتَوۡهُ مَوۡثِقَهُمۡ قَالَ ٱللَّهُ عَلَىٰ مَا نَقُولُ وَكِيلٞ
Niteny Yakoba (Jakoba) hoe : ” Tsy handefa Azy miaraka Aminareo mihitsy Aho mandra-panomezanareo Ahy ny fifanekena hentitra amin’ny anaran’i Allah fa hitondra Azy hiverina aty Amiko Ianareo, raha tsy hoe voasakana Ianareo ”. rehefa nanome ny fifanekena taminy izy ireo dia niteny Izy (Yakoba) ka nanao hoe : ” i Allah no Mpiantoka amin’izay tenenintsika ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَقَالَ يَٰبَنِيَّ لَا تَدۡخُلُواْ مِنۢ بَابٖ وَٰحِدٖ وَٱدۡخُلُواْ مِنۡ أَبۡوَٰبٖ مُّتَفَرِّقَةٖۖ وَمَآ أُغۡنِي عَنكُم مِّنَ ٱللَّهِ مِن شَيۡءٍۖ إِنِ ٱلۡحُكۡمُ إِلَّا لِلَّهِۖ عَلَيۡهِ تَوَكَّلۡتُۖ وَعَلَيۡهِ فَلۡيَتَوَكَّلِ ٱلۡمُتَوَكِّلُونَ
Ary hoy izy : “Ry zanako! Aza miditra amin’ny varavarana tokana ianareo, fa midira amin’ny varavarana samihafa. Tsy misy ilanareo ahy na kely aza amin’ny lahatr’Allah. Fa an’Allah ny fanapahan-kevitra, Aminy no ametrahako ny fitokiako. Ary izay mametraka ny fitokiany dia aoka hametraka izany Aminy”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَمَّا دَخَلُواْ مِنۡ حَيۡثُ أَمَرَهُمۡ أَبُوهُم مَّا كَانَ يُغۡنِي عَنۡهُم مِّنَ ٱللَّهِ مِن شَيۡءٍ إِلَّا حَاجَةٗ فِي نَفۡسِ يَعۡقُوبَ قَضَىٰهَاۚ وَإِنَّهُۥ لَذُو عِلۡمٖ لِّمَا عَلَّمۡنَٰهُ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَعۡلَمُونَ
Ary rehefa niditra izy ireo araka ny nandidian’ny Rainy azy ireo, dia tsy nahavita na inona na inona manoloana izany izy ireo teo anatrehan’ny didin’i Allah, fahamalinana fotsiny ihany no niheverin’i Yakoba izany hafatra izany. Tena marina fa izy dia manam-pahalalana feno amin’izay nampianarinay Azy. Nefa ny ankamaroan’ny Olona dia tsy mahalala.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَلَمَّا دَخَلُواْ عَلَىٰ يُوسُفَ ءَاوَىٰٓ إِلَيۡهِ أَخَاهُۖ قَالَ إِنِّيٓ أَنَا۠ أَخُوكَ فَلَا تَبۡتَئِسۡ بِمَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Raha niditra tao amin’ny Yosofa (Josefa) izy ireo, dia notazoniny teo Aminy ny Rahalahiny sady niteny izy hoe : ” Rahalahinao Aho, koa aza malahelo amin’izay nataon’izy ireo ianao ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: يۈسۈپ
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش