Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: يۈسۈپ   ئايەت:
فَلَمَّا سَمِعَتۡ بِمَكۡرِهِنَّ أَرۡسَلَتۡ إِلَيۡهِنَّ وَأَعۡتَدَتۡ لَهُنَّ مُتَّكَـٔٗا وَءَاتَتۡ كُلَّ وَٰحِدَةٖ مِّنۡهُنَّ سِكِّينٗا وَقَالَتِ ٱخۡرُجۡ عَلَيۡهِنَّۖ فَلَمَّا رَأَيۡنَهُۥٓ أَكۡبَرۡنَهُۥ وَقَطَّعۡنَ أَيۡدِيَهُنَّ وَقُلۡنَ حَٰشَ لِلَّهِ مَا هَٰذَا بَشَرًا إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا مَلَكٞ كَرِيمٞ
ka rehefa naheno ny fifosana nataon’izy ireo Izy, dia nandefa fanasana tamin’izy ireo, ka nanomana sakafo maivana ho azy ireo Izy, ary notolorany antsy tsirairay avy izy ireo. Ary niteny Izy (vadin’ny mpanjaka ) ka nanao hoe : " Mivoaha mankany amin’izy ireo Ianao (Yosofa) ! ” Nony nahita azy izy ireo, dia talanjona taminy, ka nandidy ny tànany izy ireo, ary niteny ka nanao hoe : " Ny fahadiovana anie ho an’i Allah ! ity dia tsy mba olombelona, tsy inona Izy io fa Anjely mihaja ! ”
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قَالَتۡ فَذَٰلِكُنَّ ٱلَّذِي لُمۡتُنَّنِي فِيهِۖ وَلَقَدۡ رَٰوَدتُّهُۥ عَن نَّفۡسِهِۦ فَٱسۡتَعۡصَمَۖ وَلَئِن لَّمۡ يَفۡعَلۡ مَآ ءَامُرُهُۥ لَيُسۡجَنَنَّ وَلَيَكُونٗا مِّنَ ٱلصَّٰغِرِينَ
Hoy izy : “Indro ary ilay nanankiananareo ahy. Niezaka ny haka fanahy azy aho, nefa niaro tena fatratra tamin’izany izy. Raha ohatra ka tsy nanao izay nandidiako azy izy, dia ho any am-ponja, ary ho isan’ireo nanetri-tena”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قَالَ رَبِّ ٱلسِّجۡنُ أَحَبُّ إِلَيَّ مِمَّا يَدۡعُونَنِيٓ إِلَيۡهِۖ وَإِلَّا تَصۡرِفۡ عَنِّي كَيۡدَهُنَّ أَصۡبُ إِلَيۡهِنَّ وَأَكُن مِّنَ ٱلۡجَٰهِلِينَ
Niteny i Yousofa ka nanao hoe : Oh ry Tompoko, ny fonja no tiako kokoa noho izay hiantsoan’izy ireo Ahy ka raha tsy mampihataka Amiko ny teti-dratsin’izy ireo Ianao, dia hirona amin’izy ireo Aho ary ho anisan’ireo tsy Mahalala (mpanota) Aho ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
فَٱسۡتَجَابَ لَهُۥ رَبُّهُۥ فَصَرَفَ عَنۡهُ كَيۡدَهُنَّۚ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡعَلِيمُ
Ka namaly ny antsony ny Tompony ary nampiatahany taminy ny teti-dratsin’izy ireo. Tena marina fa Izy tokoa ilay Maheno sy ilay Mahalala ny zava-drehetra.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
ثُمَّ بَدَا لَهُم مِّنۢ بَعۡدِ مَا رَأَوُاْ ٱلۡأٓيَٰتِ لَيَسۡجُنُنَّهُۥ حَتَّىٰ حِينٖ
Ary rehefa hitan’izy ireo niseho miharihary ireo porofo (amin’ny maha tsy manan-tsiny azy) dia nihevitra ihany izy ireo ny hampigadrana Azy mandritry ny fotoana fohy.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَدَخَلَ مَعَهُ ٱلسِّجۡنَ فَتَيَانِۖ قَالَ أَحَدُهُمَآ إِنِّيٓ أَرَىٰنِيٓ أَعۡصِرُ خَمۡرٗاۖ وَقَالَ ٱلۡأٓخَرُ إِنِّيٓ أَرَىٰنِيٓ أَحۡمِلُ فَوۡقَ رَأۡسِي خُبۡزٗا تَأۡكُلُ ٱلطَّيۡرُ مِنۡهُۖ نَبِّئۡنَا بِتَأۡوِيلِهِۦٓۖ إِنَّا نَرَىٰكَ مِنَ ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Niaraka niditra Taminy tao am-ponja ny mpanompo lahy anakiroa. Ny ankiray tamin’izy ireo dia niteny ka nanao hoe : " Nahita ny tenako tamin’ny nofy Aho fa namotsipotsika (voaloboka) atao toaka; ny iray hafa kosa dia niteny ka nanao hoe : " Izaho dia nahita ny tenako fa miloloha mofo izay nohanin’ireo voro-manidina. Hazavao Aminay ny dikan’ireo nofinay ireo. Tena marina fa Izahay dia mahita fa Ianao dia isan’ireo mpanao soa ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قَالَ لَا يَأۡتِيكُمَا طَعَامٞ تُرۡزَقَانِهِۦٓ إِلَّا نَبَّأۡتُكُمَا بِتَأۡوِيلِهِۦ قَبۡلَ أَن يَأۡتِيَكُمَاۚ ذَٰلِكُمَا مِمَّا عَلَّمَنِي رَبِّيٓۚ إِنِّي تَرَكۡتُ مِلَّةَ قَوۡمٖ لَّا يُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَهُم بِٱلۡأٓخِرَةِ هُمۡ كَٰفِرُونَ
“ Mbola tsy tonga eo Aminareo akory ny sakafo izay omena Anareo, hoy Izy, dia ho lazaiko Aminareo sahady ny dikan’ireo nofy ireo mialoha ny fahatongavan’ny sakafo Aminareo roa. Izany dia anisan’izay nampianarin’ny Tompoko Ahy .Marina fa Izaho dia namela ny finoan’ny vahoaka izay tsy mino an’i Allah sy mandà ny fisian’ny fiainana any an-koatra ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: يۈسۈپ
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش