Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ھۇد   ئايەت:
قَالَ يَٰنُوحُ إِنَّهُۥ لَيۡسَ مِنۡ أَهۡلِكَۖ إِنَّهُۥ عَمَلٌ غَيۡرُ صَٰلِحٖۖ فَلَا تَسۡـَٔلۡنِ مَا لَيۡسَ لَكَ بِهِۦ عِلۡمٌۖ إِنِّيٓ أَعِظُكَ أَن تَكُونَ مِنَ ٱلۡجَٰهِلِينَ
Niteny Izy (Allah) : " Oh ry Noa ! tsy isan’ny fianakavianao Izy satria nanao asa mamparikoriko. Aza mangataka Amiko intsony Ianao amin’izay tsy anananao fahalalana. Mananatra Anao Aho mba tsy ho isan’ireo tsy Mahalala ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قَالَ رَبِّ إِنِّيٓ أَعُوذُ بِكَ أَنۡ أَسۡـَٔلَكَ مَا لَيۡسَ لِي بِهِۦ عِلۡمٞۖ وَإِلَّا تَغۡفِرۡ لِي وَتَرۡحَمۡنِيٓ أَكُن مِّنَ ٱلۡخَٰسِرِينَ
Namaly i Noa hoe : " Tompo o ! Mitady fiarovana Aminao aho amin’ny fitalahoako izay tsy ananako fahalalana. Ary raha tsy mamela ny heloko ianao sy tsy mamindra fo amiko, dia ho isan’ireo very aho ”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قِيلَ يَٰنُوحُ ٱهۡبِطۡ بِسَلَٰمٖ مِّنَّا وَبَرَكَٰتٍ عَلَيۡكَ وَعَلَىٰٓ أُمَمٖ مِّمَّن مَّعَكَۚ وَأُمَمٞ سَنُمَتِّعُهُمۡ ثُمَّ يَمَسُّهُم مِّنَّا عَذَابٌ أَلِيمٞ
Ary nolazaina Izy nanao hoe : " Oh ry Noa ! midina amim-piadananay Ianao ary ho Anao ny fahasoavanay sy ho an’ireo vahoaka izay miaraka Aminao. Ary hisy amin’ireo vahoaka ireo izay omenay hafaliana miserana; avy eo dia hihatra amin’izy ireo ny sazy mamirifiry avy aty Aminay”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
تِلۡكَ مِنۡ أَنۢبَآءِ ٱلۡغَيۡبِ نُوحِيهَآ إِلَيۡكَۖ مَا كُنتَ تَعۡلَمُهَآ أَنتَ وَلَا قَوۡمُكَ مِن قَبۡلِ هَٰذَاۖ فَٱصۡبِرۡۖ إِنَّ ٱلۡعَٰقِبَةَ لِلۡمُتَّقِينَ
Izany no vaovao sasantsasan’Ilay Miafina izay lazainay Aminao. Tsy nahafantatra izany Ianao na ny vahoakanao talohan’izao. Manàna faharetana Ianao. Ka ny fiafarana sambatra indrindra, dia ho an’ireo izay manam-patahorana.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَإِلَىٰ عَادٍ أَخَاهُمۡ هُودٗاۚ قَالَ يَٰقَوۡمِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ مَا لَكُم مِّنۡ إِلَٰهٍ غَيۡرُهُۥٓۖ إِنۡ أَنتُمۡ إِلَّا مُفۡتَرُونَ
Ary (nalefanay) tamin’ny foko Andy ny rahalahin’izy ireo Hody, izay nilaza tamin’izy ireo nanao hoe : " Oh ry vahoakako ! manompoa an’i Allah Ianareo. Ary tsy manana zanahary hafa Ianareo afa-tsy Izy irery ihany. Tsy iza akory Ianareo afa-tsy mpamoron-dainga.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
يَٰقَوۡمِ لَآ أَسۡـَٔلُكُمۡ عَلَيۡهِ أَجۡرًاۖ إِنۡ أَجۡرِيَ إِلَّا عَلَى ٱلَّذِي فَطَرَنِيٓۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ
Ry vahoakako! Tsy mangataka tambiny aminareo amin’izany aho, fa Ilay Nahary ahy ihany no manome tambiny ahy. Tsy mandinika va ianareo?
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَيَٰقَوۡمِ ٱسۡتَغۡفِرُواْ رَبَّكُمۡ ثُمَّ تُوبُوٓاْ إِلَيۡهِ يُرۡسِلِ ٱلسَّمَآءَ عَلَيۡكُم مِّدۡرَارٗا وَيَزِدۡكُمۡ قُوَّةً إِلَىٰ قُوَّتِكُمۡ وَلَا تَتَوَلَّوۡاْ مُجۡرِمِينَ
Oh ry vahoakako ! mangataha famelan-keloka amin’ny Tomponareo ianareo ary mibebaha Aminy mba handatsahany orana maro avy any an-danitra Aminareo, sy hampitombo ny hery izay efa Anananareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قَالُواْ يَٰهُودُ مَا جِئۡتَنَا بِبَيِّنَةٖ وَمَا نَحۡنُ بِتَارِكِيٓ ءَالِهَتِنَا عَن قَوۡلِكَ وَمَا نَحۡنُ لَكَ بِمُؤۡمِنِينَ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : " Oh ry Hody (A,s) ! tsy nitondra porofo mazava Taminay Ianao, ary Izahay dia tsy vonona hamela ireo sampinay nohon'ny Teninao, ka tsy hino Anao Izahay.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ھۇد
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش