Check out the new design

قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى * - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى


مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ھۇد   ئايەت:
فَلَمَّا جَآءَ أَمۡرُنَا جَعَلۡنَا عَٰلِيَهَا سَافِلَهَا وَأَمۡطَرۡنَا عَلَيۡهَا حِجَارَةٗ مِّن سِجِّيلٖ مَّنضُودٖ
Ary rehefa tonga ny didinay, dia navadikay (ny tànana) ambony ho ambany, ary narotsakay tahaka ny orana tamin'ireo vaingan-tany manga mahamay mifanesisesy.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
مُّسَوَّمَةً عِندَ رَبِّكَۖ وَمَا هِيَ مِنَ ٱلظَّٰلِمِينَ بِبَعِيدٖ
nitondra famantarana fantatry ny Tomponao. Ary tsy lavitr’ireo mpanao ny tsy rariny izany (ireo vato).
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
۞ وَإِلَىٰ مَدۡيَنَ أَخَاهُمۡ شُعَيۡبٗاۚ قَالَ يَٰقَوۡمِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ مَا لَكُم مِّنۡ إِلَٰهٍ غَيۡرُهُۥۖ وَلَا تَنقُصُواْ ٱلۡمِكۡيَالَ وَٱلۡمِيزَانَۖ إِنِّيٓ أَرَىٰكُم بِخَيۡرٖ وَإِنِّيٓ أَخَافُ عَلَيۡكُمۡ عَذَابَ يَوۡمٖ مُّحِيطٖ
Ary nalefanay tamin’ny foko Madiana, ny rahalahin’izy ireo Shoaibo izay nilaza tamin’izy ireo ka nanao hoe : “ Oh ry vahoakako ! tompoinareo i Allah, tsy manana zanahary hafa ankoatra Azy mihitsy Ianareo. Aza ahenanareo ny famarana sy ny lanja. Izaho dia mahita, fa ao anaty hasambarana Ianareo, nefa matahotra ho Anareo Aho (raha tsy mino ianareo) ny sazy amin’ny andro izay handrakotra ny rehetra.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
وَيَٰقَوۡمِ أَوۡفُواْ ٱلۡمِكۡيَالَ وَٱلۡمِيزَانَ بِٱلۡقِسۡطِۖ وَلَا تَبۡخَسُواْ ٱلنَّاسَ أَشۡيَآءَهُمۡ وَلَا تَعۡثَوۡاْ فِي ٱلۡأَرۡضِ مُفۡسِدِينَ
Oh ry vahoakako ! aoka ataonareo amim-pahamarinana ny fatra sy ny fandanjana, aza ahena ny lanjan’izay tokony ho an’olona, ary aza mampiely asa fanimbana ny tany Ianareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
بَقِيَّتُ ٱللَّهِ خَيۡرٞ لَّكُمۡ إِن كُنتُم مُّؤۡمِنِينَۚ وَمَآ أَنَا۠ عَلَيۡكُم بِحَفِيظٖ
Izay maharitra eo anatrehan’i Allah (ny fananana azo amin’ny rariny na dia kely) no tsara ho Anareo raha mpino marina Ianareo ! Fa Izaho kosa dia tsy mpiambina Anareo.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قَالُواْ يَٰشُعَيۡبُ أَصَلَوٰتُكَ تَأۡمُرُكَ أَن نَّتۡرُكَ مَا يَعۡبُدُ ءَابَآؤُنَآ أَوۡ أَن نَّفۡعَلَ فِيٓ أَمۡوَٰلِنَا مَا نَشَٰٓؤُاْۖ إِنَّكَ لَأَنتَ ٱلۡحَلِيمُ ٱلرَّشِيدُ
Nilaza izy ireo ka nanao hoe : “ Oh ry Shoaibo ! moa ve ny Soalat (ny fivavahanao) no mandidy Anao mba hamelanay izay efa notompoin’ireo razambenay, na mibaiko Anay amin’izay tianay atao amin’ireo fanananay ? hamafisina, fa Ianao tokoa ilay malemy fanahy sy ilay mahitsy indrinra”.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
قَالَ يَٰقَوۡمِ أَرَءَيۡتُمۡ إِن كُنتُ عَلَىٰ بَيِّنَةٖ مِّن رَّبِّي وَرَزَقَنِي مِنۡهُ رِزۡقًا حَسَنٗاۚ وَمَآ أُرِيدُ أَنۡ أُخَالِفَكُمۡ إِلَىٰ مَآ أَنۡهَىٰكُمۡ عَنۡهُۚ إِنۡ أُرِيدُ إِلَّا ٱلۡإِصۡلَٰحَ مَا ٱسۡتَطَعۡتُۚ وَمَا تَوۡفِيقِيٓ إِلَّا بِٱللَّهِۚ عَلَيۡهِ تَوَكَّلۡتُ وَإِلَيۡهِ أُنِيبُ
Namaly Izy ka nanao hoe : Oh ry vahoakako ! hitanareo ve raha Izaho no miankina amin’ny porofo mazava avy amin’ny Tompoko, ary raha manome Ahy fanomezana tsara indrindra avy Aminy Izy ? ary tsy maniry ny hanohitra Anareo velively Aho amin’izay nandrarako Anareo fa ny fanatsarana no tiako atao araka izay vitako ary tsy miankina afa-tsy amin’i Allah ny fahombiazako any Aminy no hametrahako ny fitokisako, ary any Aminy ihany koa no hiverenako hibebaka.
ئەرەپچە تەپسىرلەر:
 
مەنالار تەرجىمىسى سۈرە: ھۇد
سۈرە مۇندەرىجىسى بەت نومۇرى
 
قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى - تەرجىمىلەر مۇندەرىجىسى

رۇۋاد تەرجىمە مەركىزىدىكى بىر گۇرۇپ ئالىملار رىبۋە دەۋەت جەمئىيىتى ۋە ئىسلامىي مەزمۇنلارنى تەمىنلەش جەمئىيىتى بىلەن ھەمكارلىشىپ تەرجىمە قىلغان.

تاقاش